1[Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
1Och hela jorden hade enahanda tungomål och talade på enahanda sätt.
2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
2Men när de bröto upp och drogo österut, funno de en lågslätt i Sinears land och bosatte sig där.
3Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
3Och de sade till varandra: »Kom, låt oss slå tegel och bränna det.» Och teglet begagnade de såsom sten, och såsom murbruk begagnade de jordbeck.
4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
4Och de sade: »Kom, låt oss bygga en stad åt oss och ett torn vars spets räcker upp i himmelen, och så göra oss ett namn; vi kunde eljest bliva kringspridda över hela jorden.»
5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
5Då steg HERREN ned för att se staden och tornet som människobarnen byggde.
6Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
6Och HERREN sade: »Se, de äro ett enda folk och hava alla enahanda tungomål, och detta är deras första tilltag; härefter skall intet bliva dem omöjligt, vad de än besluta att göra.
7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
7Välan, låt oss stiga dit ned och förbistra deras tungomål, så att den ene icke förstår den andres tungomål.»
8Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
8Och så spridde HERREN dem därifrån ut över hela jorden, så att de måste upphöra att bygga på staden.
9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
9Därav fick den namnet Babel, eftersom HERREN där förbistrade hela jordens tungomål; därifrån spridde ock HERREN ut dem över hela jorden.
10[Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
10Detta är berättelsen om Sems släkt. När Sem var hundra år gammal, födde han Arpaksad, två år efter floden.
11Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
11Och sedan Sem hade fött Arpaksad, levde han fem hundra år och födde söner och döttrar.
12Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
12När Arpaksad var trettiofem år gammal, födde han Sela.
13Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
13Och sedan Arpaksad hade fött Sela, levde han fyra hundra tre år och födde söner och döttrar.
14Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
14När Sela var trettio år gammal, födde han Eber.
15Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
15Och sedan Sela hade fött Eber, levde han fyra hundra tre år och födde söner och döttrar.
16Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
16När Eber var trettiofyra år gammal, födde han Peleg.
17Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17Och sedan Eber hade fött Peleg, levde han fyra hundra trettio år och födde söner och döttrar.
18Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
18När Peleg var trettio år gammal, födde han Regu.
19Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
19Och sedan Peleg hade fött Regu, levde han två hundra nio år och födde söner och döttrar.
20Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
20När Regu var trettiotvå år gammal, födde han Serug.
21Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
21Och sedan Regu hade fött Serug, levde han två hundra sju år och födde söner och döttrar.
22Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
22När Serug var trettio år gammal, födde han Nahor.
23Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
23Och sedan Serug hade fött Nahor, levde han två hundra år och födde söner och döttrar.
24Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
24När Nahor var tjugunio år gammal, födde han Tera.
25Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
25Och sedan Nahor hade fött Tera, levde han ett hundra nitton år och födde söner och döttrar.
26Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
26När Tera var sjuttio år gammal, födde han Abram, Nahor och Haran.
27[Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
27Och detta är berättelsen om Teras släkt. Tera födde Abram, Nahor och Haran. Och Haran födde Lot.
28Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.
28Och Haran dog hos sin fader Tera i sitt fädernesland, i det kaldeiska Ur.
29Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.
29Och Abram och Nahor togo sig hustrur; Abrams hustru hette Sarai, och Nahors hustru hette Milka, dotter till Haran, som var fader till Milka och Jiska.
30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
30Men Sarai var ofruktsam och hade inga barn.
31Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
31Och Tera tog med sig sin son Abram och sin sonson Lot, Harans son, och sin sonhustru Sarai, som var hans son Abrams hustru; och de drogo tillsammans ut från det kaldeiska Ur på väg till Kanaans land; men när de kommo till Haran, bosatte de sig där.
32Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
32Och Teras ålder blev två hundra fem år; därefter dog Tera i Haran.