1[Ny nifonan'i Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida.
1ซาอูลตรัสกับโยนาธานราชบุตรและกับบรรดาผู้รับใช้ของพระองค์ว่าให้เขาทั้งหลายฆ่าดาวิดเสีย
2Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere;
2แต่โยนาธานราชบุตรของซาอูลพอใจในดาวิดมาก และโยนาธานก็บอกดาวิดว่า "ซาอูลเสด็จพ่อของฉันหาช่องจะฆ่าเธอเสีย เพราะฉะนั้นบัดนี้ ขอจงระวังตัวให้ดีจนพรุ่งนี้เช้า จงอยู่เสียในที่ลับซ่อนตัวไว้
3ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
3และฉันจะออกไปยืนอยู่ข้างๆเสด็จพ่อในทุ่งนาที่เธออยู่ และฉันจะกราบทูลเสด็จพ่อด้วยเรื่องของเธอ ถ้าฉันรู้เรื่องอะไรจะบอกให้ทราบ"
4Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
4โยนาธานกล่าวชมดาวิดให้ซาอูลราชบิดาฟังทูลว่า "ขอกษัตริย์อย่าทรงกระทำบาปต่อดาวิดผู้รับใช้ของพระองค์เลย เพราะดาวิดหาได้กระทำบาปสิ่งใดต่อพระองค์ไม่ และการงานของเธอก็เป็นงานปฏิบัติพระองค์อย่างดี
5fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
5เพราะเธอเสี่ยงชีวิตของตน และประหารคนฟีลิสเตียนั้น และพระเยโฮวาห์ทรงกระทำให้มีการช่วยให้พ้นอย่างใหญ่หลวงเพื่ออิสราเอลทั้งปวง พระองค์ทรงเห็นแล้วและทรงชื่นชมยินดี แต่ไฉนพระองค์จึงจะกระทำบาปต่อโลหิตที่ไร้ความผิด ด้วยการฆ่าดาวิดเสียอย่างปราศจากเหตุผล"
6Ary Saoly nihaino ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
6ซาอูลก็ทรงฟังเสียงของโยนาธานและซาอูลจึงปฏิญาณว่า "พระเยโฮวาห์ทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด ดาวิดจะไม่ต้องถูกประหารชีวิตเลยฉันนั้น"
7Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
7และโยนาธานก็เรียกดาวิด และโยนาธานแจ้งให้เธอทราบถึงสิ่งเหล่านี้ทั้งสิ้น และโยนาธานนำดาวิดเข้าเฝ้าซาอูล และดาวิดได้เข้าเฝ้าซาอูลอย่างแต่ก่อน
8Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
8สงครามได้เกิดขึ้นอีก ดาวิดก็ออกไปต่อสู้กับคนฟีลิสเตีย และได้ฆ่าฟันเสียเป็นอันมาก เขาทั้งหลายจึงหนีไปเสียจากเธอ
9Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany.
9แล้ววิญญาณชั่วจากพระเยโฮวาห์ก็เข้ามาสิงซาอูล เมื่อพระองค์ประทับในวังของพระองค์ ทรงหอกอยู่ และดาวิดก็กำลังดีดพิณถวาย
10Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany.
10และซาอูลทรงพุ่งหอกหมายปักดาวิดให้ติดฝาผนัง แต่เธอก็หลบหนีพระพักตร์ซาอูลไป ซาอูลจึงทรงพุ่งหอกติดผนัง และดาวิดก็หลบหนีรอดไปได้ในคืนนั้น
11Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
11ซาอูลทรงใช้ผู้สื่อสารไปที่บ้านของดาวิดเพื่อเฝ้าดูเธอ และเพื่อจะฆ่าเธอเสียในเวลาเช้า แต่มีคาลภรรยาของดาวิดบอกดาวิดว่า "ถ้าคืนนี้เธอไม่ช่วยชีวิตของเธอให้พ้น พรุ่งนี้เธอจะถูกฆ่าตาย"
12Ary Mikala nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
12มีคาลจึงหย่อนดาวิดลงทางหน้าต่าง และเธอก็หนีรอดไป
13Ary nalain'i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima]
13มีคาลได้นำรูปเคารพมาวางไว้บนเตียงนอน และวางหมอนขนแพะไว้ที่ศีรษะ เอาผ้าห่มคลุมไว้
14Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
14เมื่อซาอูลส่งผู้สื่อสารไปจับดาวิด มีคาลตอบว่า "เขาไม่สบาย"
15Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko.
15แล้วซาอูลส่งผู้สื่อสารนั้นให้ไปดูดาวิดอีก สั่งว่า "จงนำเขามาหาเราทั้งเตียง เพื่อเราจะได้ฆ่าเขาเสีย"
16Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.[Heb. terafima]
16เมื่อผู้สื่อสารเข้ามา ดูเถิด รูปเคารพก็อยู่ในเตียง พร้อมกับหมอนขนแพะอยู่ที่ศีรษะ
17Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
17ซาอูลรับสั่งถามมีคาลว่า "ไฉนเจ้าจึงหลอกลวงเรา และปล่อยศัตรูของเราไปเสีย เขาจึงรอดพ้นไป" และมีคาลทูลตอบซาอูลว่า "เธอพูดกับหม่อมฉันว่า `ปล่อยให้ฉันไปเถิด จะให้ฉันฆ่าเธอทำไมเล่า'"
18Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
18ฝ่ายดาวิดก็หนีรอดไป เธอมาหาซามูเอลที่เมืองรามาห์ และเล่าทุกเรื่องที่ซาอูลได้ทรงกระทำแก่เธอให้ซามูเอลฟัง เธอและซามูเอลก็ไปอยู่เสียที่นาโยท
19Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
19มีคนไปทูลซาอูลว่า "ดูเถิด ดาวิดอยู่ที่นาโยทในเมืองรามาห์"
20Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy.
20ซาอูลก็รับสั่งให้ผู้สื่อสารไปจับดาวิด และเมื่อเขาไปเห็นหมู่ผู้พยากรณ์กำลังพยากรณ์อยู่ และซามูเอลยืนเป็นหัวหน้าเขาทั้งหลาย พระวิญญาณของพระเจ้าก็มาสถิตกับผู้สื่อสารของซาอูล และเขาทั้งหลายก็พยากรณ์ด้วย
21Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
21เมื่อมีคนไปทูลซาอูล พระองค์ก็ทรงใช้ผู้สื่อสารอื่นไป และคนเหล่านั้นก็พยากรณ์ด้วย ซาอูลทรงใช้ให้ผู้สื่อสารไปครั้งที่สาม เขาทั้งหลายก็พยากรณ์ด้วย
22Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
22ซาอูลก็เสด็จไปที่รามาห์เอง มาถึงบ่อน้ำใหญ่ที่ในเมืองเสคู และรับสั่งถามว่า "ซามูเอลกับดาวิดอยู่ที่ไหน" มีคนทูลว่า "ดูเถิด เขาทั้งสองอยู่ที่นาโยทในเมืองรามาห์"
23Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
23พระองค์จึงเสด็จไปที่นั่นยังนาโยทในเมืองรามาห์ และพระวิญญาณของพระเจ้าทรงสถิตกับพระองค์ด้วย ทรงดำเนินพลางพยากรณ์พลางจนเสด็จถึงนาโยทที่เมืองรามาห์
24Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany?
24พระองค์ทรงถอดฉลองพระองค์ออกด้วย และก็ทรงพยากรณ์ต่อหน้าซามูเอล และบรรทมเปลือยกายอยู่ตลอดวันนั้นและตลอดคืนนั้น ดังนั้นเขาจึงพูดกันว่า "ซาอูลอยู่ในจำพวกผู้พยากรณ์ด้วยหรือ"