1[Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
1ดาวิดก็หนีจากนาโยทในเมืองรามาห์ และมาหาโยนาธานกล่าวว่า "ข้าพเจ้าได้กระทำสิ่งใด อะไรเป็นความชั่วช้าของข้าพเจ้า และข้าพเจ้าได้กระทำความผิดบาปอันใดต่อเสด็จพ่อของท่าน พระองค์จึงได้แสวงชีวิตของข้าพเจ้า"
2Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
2และโยนาธานจึงตอบเธอว่า "ขอพระเจ้าอย่ายอมให้เป็นเช่นนั้นเลย เธอไม่ต้องตายดอก ดูเถิด เสด็จพ่อจะมิได้ทรงกระทำการใหญ่น้อยสิ่งใดโดยมิให้ฉันรู้ ทำไมเสด็จพ่อจะปิดบังเรื่องนี้จากฉันเล่า คงไม่เป็นเช่นนั้นแน่"
3Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
3ดาวิดจึงปฏิญาณยิ่งกว่านั้นอีกและกล่าวว่า "เสด็จพ่อของท่านทรงทราบอย่างแน่นอนว่า ข้าพเจ้าได้รับความกรุณาในสายตาของท่าน และพระองค์ตรัสว่า `อย่าให้โยนาธานรู้เรื่องนี้เลย เกรงว่าเขาจะเศร้าใจ' พระเยโฮวาห์ทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด และท่านมีชีวิตอยู่แน่ฉันใด ความจริงมีอยู่ว่า ระหว่างข้าพเจ้ากับความตายก็ยังเหลืออีกเพียงก้าวเดียวฉันนั้น"
4Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
4โยนาธานจึงพูดกับดาวิดว่า "จิตใจเธอปรารถนาอะไร ฉันจะทำตามเพื่อเธอ"
5Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
5ดาวิดจึงกล่าวกับโยนาธานว่า "ดูเถิด พรุ่งนี้เป็นวันขึ้นค่ำ ข้าพเจ้าไม่ควรขาดที่จะนั่งร่วมโต๊ะเสวยกับกษัตริย์ แต่ขอโปรดให้ข้าพเจ้าไปซ่อนตัวอยู่ที่ในทุ่งนาจนถึงเย็นวันที่สาม
6Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.
6ถ้าเสด็จพ่อของท่านเห็นข้าพเจ้าขาดไป ก็ขอโปรดทูลพระองค์ว่า `ดาวิดได้วิงวอนขอลาข้าพระองค์รีบกลับไปเมืองเบธเลเฮมเมืองของตน เพราะที่นั่นทั้งครอบครัวทำการถวายสัตวบูชาประจำปี'
7Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
7ถ้าพระองค์รับสั่งว่า `ดีแล้ว' ผู้รับใช้ของท่านก็ดีไป แต่ถ้าพระองค์ทรงกริ้ว ก็ขอทราบเถิดว่า พระองค์ดำริการร้าย
8Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
8เพราะฉะนั้นขอท่านกรุณากระทำแก่ผู้รับใช้ของท่านด้วยใจจงรัก เพราะท่านได้กระทำพันธสัญญาแห่งพระเยโฮวาห์กับผู้รับใช้ของท่านแล้ว แต่ถ้าความชั่วช้ามีอยู่ในข้าพเจ้า ขอท่านฆ่าข้าพเจ้าเสียเองเถิด เพราะท่านจะนำข้าพเจ้าไปให้เสด็จพ่อของท่านทำไม"
9Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
9โยนาธานจึงกล่าวว่า "อย่าให้มีวี่แววอย่างนี้เลยน่ะ ถ้าฉันทราบว่าเสด็จพ่อคิดร้ายต่อเธอ ฉันจะไม่ไปบอกเธอหรือ"
10Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao]
10แล้วดาวิดก็กล่าวแก่โยนาธานว่า "ถ้าเสด็จพ่อของท่านตอบท่านอย่างดุดัน ใครจะบอกแก่ข้าพเจ้าได้"
11Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
11และโยนาธานบอกดาวิดว่า "มาเถิด ให้เราเข้าไปในทุ่งนา" เขาทั้งสองจึงเข้าไปในทุ่งนา
12Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
12และโยนาธานกล่าวแก่ดาวิดว่า "โอ พระเยโฮวาห์พระเจ้าแห่งอิสราเอล เมื่อฉันได้หยั่งดูเสด็จพ่อของฉันในวันพรุ่งนี้ประมาณเวลานี้ หรือในวันที่สาม ดูเถิด ถ้ามีอะไรดีต่อดาวิด และฉันจะไม่ใช้คนไปบอกเธอทีเดียว
13dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.
13ขอพระเยโฮวาห์ทรงลงโทษแก่โยนาธานและยิ่งหนักกว่า แต่ถ้าเสด็จพ่อพอพระทัยที่จะทำร้ายเธอ ฉันจะบอกเธอให้ทราบ และส่งให้เธอหนีไปให้พ้นภัย ขอพระเยโฮวาห์ทรงสถิตกับเธอ อย่างที่พระองค์ทรงสถิตกับเสด็จพ่อของฉัน
14Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?
14ถ้าฉันยังมีชีวิตอยู่ต่อไป ขอเธอสำแดงความเมตตาแห่งพระเยโฮวาห์ต่อฉัน เพื่อฉันจะไม่ต้องตาย
15Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany.
15ขออย่าตัดความกรุณาของเธอที่มีต่อวงศ์วานของฉันเป็นนิตย์ ในเมื่อพระเยโฮวาห์ทรงกำจัดศัตรูทุกคนของดาวิดเสียจากพื้นพิภพแล้ว"
16Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida.
16โยนาธานจึงทำพันธสัญญากับวงศ์วานของดาวิดว่า "ขอพระเยโฮวาห์ทรงแก้แค้นต่อศัตรูของดาวิดเถิด"
17Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.
17และโยนาธานก็ให้ดาวิดปฏิญาณอีกครั้งหนึ่งโดยความรักของท่านที่มีต่อเธอ เพราะท่านรักเธออย่างกับรักชีวิตของตนเอง
18Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.
18แล้วโยนาธานจึงพูดกับดาวิดว่า "พรุ่งนี้เป็นวันขึ้นค่ำ และเขาจะเห็นว่าเธอขาดไป เพราะที่นั่งของเธอจะว่างอยู่
19Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]
19เมื่อเธออยู่สามวันแล้ว เธอจงลงไปโดยเร็ว ไปยังที่ที่เธอได้ซ่อนตัวอยู่ ในวันแห่งการกระทำนั้น และคอยอยู่ข้างศิลาเอเซล
20Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.
20ฉันจะยิงลูกธนูสามลูกไปข้างๆที่นั่น อย่างกับว่าฉันยิงเป้า
21Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
21และดูเถิด ฉันจะใช้เด็กไปสั่งว่า `จงไปหาลูกธนู' ถ้าฉันพูดกับเด็กนั้นว่า `ดูเถิด ลูกธนูอยู่ทางข้างนี้ของเจ้า ไปเอามา' แล้วขอเธอเข้ามา เพราะพระเยโฮวาห์ทรงพระชนม์แน่ฉันใด เธอก็ปลอดภัยแล้ว ไม่มีอันตรายอันใดฉันนั้น
22Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.
22แต่ถ้าฉันพูดกับเด็กหนุ่มนั้นว่า `ดูเถิด ลูกธนูอยู่ข้างหน้าเจ้าโน้น' เธอจงไปเถิด เพราะว่าพระเยโฮวาห์ได้ทรงส่งเธอไปแล้ว
23Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.
23ส่วนเรื่องที่เธอและฉันได้พูดกันนั้น ดูเถิด พระเยโฮวาห์ทรงเป็นพยานระหว่างเธอและฉันเป็นนิตย์"
24Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana
24ดาวิดจึงซ่อนตัวอยู่ในทุ่งนา และเมื่อถึงวันขึ้นค่ำ กษัตริย์ก็ประทับเสวยพระกระยาหาร
25teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.
25กษัตริย์ประทับบนพระที่นั่งของพระองค์อย่างที่เคยทรงกระทำ คือประทับที่พระที่นั่งข้างๆฝาผนัง โยนาธานยืนอยู่และอับเนอร์นั่งอยู่ข้างซาอูล แต่ที่ของดาวิดก็ว่างอยู่
26Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.
26อย่างไรก็ดีในวันนั้นซาอูลมิได้ตรัสประการใด เพราะทรงดำริว่า "ดาวิดคงเกิดเหตุบางอย่าง เขาคงมลทิน เขาคงมลทินแน่"
27Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?
27อยู่มาวันรุ่งขึ้น คือวันที่สองของเดือน ที่ของดาวิดก็ว่างอยู่ และซาอูลก็ตรัสกับโยนาธานราชบุตรของพระองค์ว่า "ทำไมบุตรเจสซีมิได้มารับประทานอาหาร ทั้งวานนี้และวันนี้"
28Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema
28โยนาธานทูลตอบซาอูลว่า "ดาวิดได้วิงวอนขอลาข้าพระองค์ไปยังบ้านเบธเลเฮม
29nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
29เขาว่า `ข้าพเจ้าขอร้องให้ท่านอนุญาตให้ข้าพเจ้าไป เพราะครอบครัวของข้าพเจ้ามีการถวายสัตวบูชาในเมือง และพี่ชายของข้าพเจ้าสั่งให้ข้าพเจ้าไปที่นั่น บัดนี้ถ้าข้าพเจ้าได้รับความกรุณาในสายตาของท่าน ข้าพเจ้าก็ขอร้องให้ท่านอนุญาตให้ข้าพเจ้าไปเยี่ยมพี่ชายของข้าพเจ้า' ด้วยเหตุนี้เขาจึงมิได้มาที่โต๊ะของกษัตริย์"
30Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.[Heb. fitanjahan']
30แล้วความกริ้วของซาอูลก็พลุ่งขึ้นต่อโยนาธาน พระองค์ตรัสกับท่านว่า "เจ้า ลูกของหญิงกบฏและวิปลาส ข้าไม่รู้หรือว่าเจ้าเลือกบุตรเจสซีมาให้ความอับอายแก่เจ้าเองและให้ความอับอายแก่ความเปลือยเปล่าแห่งแม่ของเจ้า
31Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
31ตราบใดที่ลูกของเจสซีมีชีวิตอยู่บนดิน ตัวเจ้าหรือราชอาณาจักรของเจ้าก็จะตั้งอยู่ไม่ได้ เพราะฉะนั้นจงใช้คนไปตามเขามาให้เรา เพราะเขาจะต้องตายแน่"
32Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?
32แล้วโยนาธานจึงทูลตอบซาอูลพระราชบิดาของท่านว่า "ทำไมเขาจะต้องถูกประหาร เขาได้กระทำผิดสิ่งใดพระเจ้าข้า"
33Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.
33แต่ซาอูลได้ทรงพุ่งหอกใส่ท่านเพื่อจะฆ่าท่าน ดังนั้นโยนาธานจึงทราบว่า พระราชบิดาของท่านหมายฆ่าดาวิดเสีย
34Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.
34โยนาธานจึงลุกขึ้นจากโต๊ะด้วยความโกรธยิ่งนัก มิได้รับประทานอาหารในวันที่สองของเดือนนั้น เพราะท่านเศร้าใจด้วยเรื่องดาวิด เพราะว่าพระราชบิดาของท่านได้หยามน้ำหน้าดาวิด
35Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.
35ต่อมารุ่งเช้าขึ้นโยนาธานก็ออกไปที่ทุ่งนาตามที่นัดหมายไว้กับดาวิด มีเด็กไปด้วยคนหนึ่ง
36Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.
36และท่านสั่งเด็กนั้นว่า "จงวิ่งไปหาลูกธนูที่ฉันยิงไป" เมื่อเด็กนั้นวิ่งไป โยนาธานก็ยิงธนูลูกหนึ่งขึ้นหน้าไป
37Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?
37และเมื่อเด็กนั้นมาถึงที่ที่ลูกธนูซึ่งโยนาธานยิงไปนั้น โยนาธานก็ร้องสั่งเด็กนั้นว่า "ลูกธนูอยู่ข้างหน้าโน้นไม่ใช่หรือ"
38Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.
38และโยนาธานร้องสั่งเด็กนั้นว่า "จงรีบไปโดยเร็วอย่าหยุดอยู่" เด็กของโยนาธานก็ไปเก็บลูกธนู และกลับมาหานายของตน
39Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany.
39แต่เด็กนั้นไม่ทราบเรื่อง โยนาธานและดาวิดเท่านั้นที่ทราบ
40Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.
40และโยนาธานก็มอบอาวุธของท่านให้เด็กนั้น และบอกเขาว่า "ไป จงแบกสิ่งเหล่านี้ไปในเมือง"
41Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
41เมื่อเด็กนั้นไปแล้ว ดาวิดก็ลุกขึ้นมาจากที่ที่อยู่ทิศใต้ ซบหน้าลงถึงดิน แล้วกราบลงสามครั้ง และทั้งสองก็จุบกัน และร้องไห้กัน จนดาวิดร้องมากเหลือเกิน
42Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
42โยนาธานจึงกล่าวกับดาวิดว่า "ขอจงไปเป็นสุขเถิด เพราะเราทั้งสองได้ปฏิญาณไว้แล้วในพระนามแห่งพระเยโฮวาห์ว่า `พระเยโฮวาห์จะทรงเป็นพยานระหว่างฉันและเธอ และระหว่างเชื้อสายของฉันกับเชื้อสายของเธอสืบไปเป็นนิตย์'" ดาวิดก็ลุกขึ้นจากไป และโยนาธานก็เข้าไปในเมือง