1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
1ชาวคีริยาทเยอาริมได้มาเชิญหีบแห่งพระเยโฮวาห์ขึ้นไปถึงเรือนของอาบีนาดับซึ่งอยู่บนเนินเขา และเขาทั้งหลายก็ชำระเอเลอาซาร์บุตรชายของเขาให้บริสุทธิ์เพื่อให้ดูแลหีบแห่งพระเยโฮวาห์
2[Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
2อยู่มานับแต่วันที่หีบนั้นอยู่ที่คีริยาทเยอาริมก็เป็นเวลาช้านานตั้งยี่สิบปี และบรรดาวงศ์วานอิสราเอลทั้งสิ้นก็คร่ำครวญถึงพระเยโฮวาห์
3Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
3แล้วซามูเอลพูดกับวงศ์วานอิสราเอลทั้งสิ้นว่า "ถ้าท่านทั้งหลายจะกลับมาหาพระเยโฮวาห์ด้วยสิ้นสุดใจของท่าน จงทิ้งพระต่างด้าวและพระอัชทาโรทเสียจากท่ามกลางท่านทั้งหลาย และเตรียมใจของท่านให้ตรงต่อพระเยโฮวาห์ และปรนนิบัติแต่พระองค์เท่านั้น พระองค์จะทรงช่วยท่านให้พ้นจากมือของคนฟีลิสเตีย"
4Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
4คนอิสราเอลจึงทิ้งพระบาอัลและพระอัชทาโรท และเขาทั้งหลายปรนนิบัติแต่พระเยโฮวาห์เท่านั้น
5Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.
5แล้วซามูเอลกล่าวว่า "จงประชุมคนอิสราเอลทั้งสิ้นที่เมืองมิสปาห์และข้าพเจ้าจะอธิษฐานต่อพระเยโฮวาห์เพื่อท่าน"
6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
6เขาทั้งหลายจึงประชุมกันที่มิสปาห์ และตักน้ำมาเทออกถวายต่อพระพักตร์พระเยโฮวาห์ และอดอาหารในวันนั้นและกล่าวที่นั่นว่า "เราทั้งหลายได้กระทำบาปต่อพระเยโฮวาห์" และซามูเอลก็วินิจฉัยคนอิสราเอลที่เมืองมิสปาห์
7Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
7เมื่อคนฟีลิสเตียได้ยินว่าคนอิสราเอลได้ประชุมกันที่เมืองมิสปาห์ เจ้านายแห่งฟีลิสเตียก็ยกขึ้นไปต่อสู้กับอิสราเอล และเมื่อคนอิสราเอลได้ยินเช่นนั้นเขาก็กลัวคนฟีลิสเตีย
8Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
8และคนอิสราเอลร้องต่อซามูเอลว่า "อย่าหยุดร้องทูลพระเยโฮวาห์พระเจ้าของเราเพื่อเราทั้งหลาย เพื่อขอพระองค์ทรงช่วยเราให้พ้นจากมือของคนฟีลิสเตีย"
9Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
9ซามูเอลก็เอาลูกแกะอ่อนที่ยังกินนมอยู่ตัวหนึ่งมาถวายเป็นเครื่องเผาบูชาทั้งตัวแด่พระเยโฮวาห์ และซามูเอลร้องทูลต่อพระเยโฮวาห์เพื่อคนอิสราเอล และพระเยโฮวาห์ทรงสดับท่าน
10Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
10ขณะที่ซามูเอลถวายเครื่องเผาบูชาอยู่นั้น คนฟีลิสเตียก็เข้ามาใกล้จะสู้รบกับอิสราเอล แต่พระเยโฮวาห์ทรงให้ฟ้าร้องเสียงดังยิ่งนักในวันนั้นสู้กับคนฟีลิสเตีย กระทำให้คนฟีลิสเตียสับสนอลหม่าน จึงพ่ายแพ้แก่อิสราเอล
11Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
11คนอิสราเอลก็ออกจากมิสปาห์ติดตามคนฟีลิสเตียและฆ่าฟันเขา จนไปถึงเมืองเบธคาร์
12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
12แล้วซามูเอลก็เอาศิลาก้อนหนึ่งตั้งไว้ระหว่างมิสปาห์และเชน เรียกชื่อศิลานั้นว่า เอเบนเอเซอร์ เพราะท่านกล่าวว่า "พระเยโฮวาห์ทรงช่วยพวกเราจนบัดนี้"
13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
13ดังนั้นคนฟีลิสเตียจึงพ่ายแพ้ไม่เข้ามาในดินแดนอิสราเอลอีก และพระหัตถ์แห่งพระเยโฮวาห์ก็ต่อสู้คนฟีลิสเตียตลอดชีวิตของซามูเอล
14Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
14หัวเมืองที่คนฟีลิสเตียได้ยึดไปจากอิสราเอลนั้น ก็ได้กลับคืนมายังอิสราเอล ตั้งแต่เมืองเอโครนถึงเมืองกัทและอิสราเอลก็ได้ตีดินแดนของหัวเมืองเหล่านี้คืนมาจากมือของคนฟีลิสเตีย ครั้งนั้นมีสันติภาพระหว่างอิสราเอลและคนอาโมไรต์ด้วย
15Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
15ซามูเอลได้วินิจฉัยคนอิสราเอลอยู่ตลอดชีวิตของท่าน
16Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
16และท่านก็เที่ยวไปโดยรอบทุกปีเป็นประจำ ไปถึงเมืองเบธเอล กิลกาล และมิสปาห์ และท่านก็วินิจฉัยคนอิสราเอลในบรรดาเมืองเหล่านั้น
17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
17แล้วท่านจะกลับมายังเมืองรามาห์ เพราะว่าบ้านของท่านอยู่ที่นั่น ท่านก็วินิจฉัยคนอิสราเอลที่นั่นด้วย ท่านได้สร้างแท่นบูชาถวายแด่พระเยโฮวาห์ที่นั่น