1[Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
1อยู่มาเมื่อซามูเอลแก่แล้ว ท่านได้ตั้งพวกบุตรชายของท่านให้วินิจฉัยอิสราเอล
2Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
2บุตรหัวปีของท่านชื่อโยเอล และคนที่สองชื่ออาบียาห์ ทั้งสองเป็นผู้วินิจฉัยในเมืองเบเออร์เชบา
3Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
3แต่บุตรชายของท่านมิได้ดำเนินในทางของท่าน ได้เลี่ยงไปหากำไร เขารับสินบนและบิดเบือนความยุติธรรมเสีย
4Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela
4และบรรดาพวกผู้ใหญ่ของอิสราเอลก็พากันมาหาซามูเอลที่เมืองรามาห์
5ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
5และเรียนท่านว่า "ดูเถิด ท่านชราแล้ว และบุตรชายของท่านมิได้ดำเนินในทางของท่าน บัดนี้ขอท่านได้กำหนดตั้งกษัตริย์ให้วินิจฉัยพวกเราอย่างประชาชาติทั้งหลายเถิด"
6Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
6แต่เมื่อเขาพูดว่า "ขอตั้งกษัตริย์ให้วินิจฉัยเราทั้งหลาย" ก็กระทำให้ซามูเอลไม่พอใจ และซามูเอลได้ทูลอธิษฐานต่อพระเยโฮวาห์
7Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
7และพระเยโฮวาห์ทรงตอบซามูเอลว่า "จงฟังเสียงประชาชนในเรื่องทั้งสิ้นที่เขาทั้งหลายขอต่อเจ้า เพราะว่าเขามิได้ละทิ้งเจ้า แต่เขาทั้งหลายได้ละทิ้งเรา ไม่ให้เราครอบครองเหนือเขา
8Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
8ตามการกระทำทั้งสิ้นซึ่งเขาได้กระทำตั้งแต่วันที่เรานำเขาออกมาจากอียิปต์จนถึงวันนี้ คือเขาได้ละทิ้งเราและปรนนิบัติพระอื่น เขาจึงกระทำเช่นเดียวกันต่อเจ้าด้วย
9Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
9เหตุฉะนั้นบัดนี้จงฟังเสียงของเขา ขอแต่จงคอยทักท้วงเขา และสำแดงให้ทราบถึงวิธีการของกษัตริย์ผู้ที่จะครอบครองเขาทั้งหลาย"
10Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah.
10ซามูเอลจึงเอาพระดำรัสทั้งสิ้นของพระเยโฮวาห์มาบอกกล่าวแก่ประชาชนผู้ร้องขอให้ท่านตั้งกษัตริย์
11Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,
11ท่านกล่าวว่า "นี่เป็นวิธีการของกษัตริย์ผู้ที่จะครอบครองเหนือเจ้า กษัตริย์จะเกณฑ์บุตรชายทั้งหลายของเจ้าและกำหนดให้ประจำรถรบ และให้เป็นพลม้า และให้วิ่งหน้ารถรบของพระองค์
12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
12แล้วพระองค์จะตั้งเขาให้เป็นนายพัน นายห้าสิบของพระองค์ ให้บางคนไถที่ดินของพระองค์และเกี่ยวข้าว และทำศัสตราวุธ และเครื่องใช้ของรถรบ
13ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
13พระองค์จะนำบุตรสาวของเจ้าไปเป็นผู้ปรุงเครื่องหอม ทำครัวและปิ้งขนม
14ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;
14พระองค์จะเอานา สวนองุ่นและสวนมะกอกเทศที่ดีที่สุดของเจ้าให้แก่ข้าราชการของพระองค์
15ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany sy ny tandonany.[Heb. ionoka]
15พระองค์จะชักหนึ่งในสิบของพืชผลและผลองุ่นของท่านให้แก่มหาดเล็กและข้าราชการของพระองค์
16Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
16พระองค์จะเอาคนใช้ผู้ชายและคนใช้ผู้หญิง และคนหนุ่มๆที่ดีที่สุดของท่าน และลาของท่านให้ไปทำงานของพระองค์
17Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
17พระองค์จะชักหนึ่งในสิบของฝูงสัตว์ของท่าน และท่านทั้งหลายจะเป็นทาสของพระองค์
18Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.
18ในวันนั้นท่านจะร้องทุกข์เพราะกษัตริย์ของท่าน ผู้ซึ่งท่านทั้งหลายได้เลือกนั้น แต่พระเยโฮวาห์จะไม่สดับท่านในวันนั้น"
19Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
19แต่ประชาชนปฏิเสธไม่เชื่อฟังเสียงของซามูเอล เขาทั้งหลายกล่าวว่า "เราไม่ยอม แต่เราจะต้องมีกษัตริย์ปกครองเรา
20mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
20เพื่อเราจะเป็นเหมือนประชาชาติทั้งหลายด้วย และเพื่อกษัตริย์ของเราจะวินิจฉัยเรา และนำหน้าเราไปและรบศึกให้เรา"
21Ary ren'i Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa.Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
21และเมื่อซามูเอลได้ยินถ้อยคำทั้งสิ้นของประชาชน ท่านก็นำไปทูลพระเยโฮวาห์ให้ทรงทราบ
22Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
22และพระเยโฮวาห์ตรัสกับซามูเอลว่า "จงฟังเสียงของเขาทั้งหลายเถิด และจงตั้งกษัตริย์องค์หนึ่งให้เขา" แล้วซามูเอลจึงกล่าวแก่คนอิสราเอลว่า "ให้ทุกคนกลับไปยังเมืองของตน"