1[Ny nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
1มีชายคนหนึ่งคนเบนยามินชื่อคีช บุตรชายของอาบีเอล ผู้เป็นบุตรชายของเศโรร์ บุตรชายของเบโครัท บุตรชายของอาหิยาห์ คนเบนยามิน เป็นคนร่ำรวย
2Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
2ท่านมีบุตรชายคนหนึ่งชื่อซาอูล เป็นคนหนุ่มที่ดีที่สุด รูปงาม ไม่มีชายคนใดในหมู่คนอิสราเอลที่จะงามกว่าเขา เขาสูงกว่าประชาชนทั้งหลายตั้งแต่บ่าขึ้นไป
3Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
3ฝ่ายฝูงแม่ลาของคีชบิดาของซาอูลหายไป คีชจึงกล่าวแก่ซาอูลบุตรชายของตนว่า "ลุกขึ้นเอาคนใช้คนหนึ่งไปกับเจ้า เพื่อไปหาลา"
4Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
4เขาทั้งสองก็ผ่านแดนเทือกเขาแห่งเอฟราอิม ผ่านเข้าแผ่นดินชาลิชา เขาหาลาไม่พบ เขาก็ผ่านข้ามแผ่นดินชาอาลิม แต่ลาไม่อยู่ที่นั่น แล้วเขาผ่านเข้าแผ่นดินของคนเบนยามิน แต่ก็หาลาไม่พบ
5Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
5เมื่อเขามาถึงแผ่นดินศูฟ ซาอูลจึงพูดกับคนใช้ผู้ซึ่งอยู่กับท่านว่า "มาเถิด ให้เรากลับไป เกรงว่าบิดาของข้าจะเลิกกังวลเรื่องลา และมาร้อนใจด้วยเรื่องของเรา"
6Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
6แต่คนใช้ตอบท่านว่า "ดูเถิด มีคนของพระเจ้าคนหนึ่งในเมืองนี้ เป็นคนที่เขานับถือกันมาก สิ่งที่ท่านกล่าวนั้นเป็นไปตามที่กล่าวนั้นทุกอย่าง ขอให้เราไปที่นั่น ชะรอยท่านจะบอกเราถึงทางซึ่งเราควรดำเนิน"
7Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
7แล้วซาอูลพูดกับคนใช้ของท่านว่า "แต่ดูเถิด ถ้าเราไปเราจะเอาอะไรไปให้ชายผู้นั้น เพราะขนมปังในย่ามของเราก็หมดแล้ว เราไม่มีของขวัญที่จะนำไปให้แก่คนของพระเจ้า เรามีอะไรบ้าง"
8Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
8คนใช้ตอบซาอูลอีกว่า "ดูเถิด ผมมีเงินอยู่หนึ่งเสี้ยวเชเขลและผมจะให้แก่คนของพระเจ้าเพื่อจะบอกหนทางให้แก่เรา"
9(Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
9(ในอิสราเอลสมัยเดิม เมื่อคนใดจะไปทูลถามพระเจ้า เขากล่าวว่า "มาเถิด ให้เราไปหาผู้ทำนายกัน" เพราะผู้ที่ในสมัยนี้เราเรียกว่าผู้พยากรณ์นั้น ในสมัยเดิมเขาเรียกว่าผู้ทำนาย)
10Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.
10และซาอูลจึงพูดกับคนใช้ของท่านว่า "พูดดีนี่มาให้เราไปกันเถิด" เขาทั้งสองขึ้นไปที่เมืองซึ่งคนของพระเจ้าอยู่
11Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
11ขณะเมื่อเขาขึ้นภูเขาไปยังเมืองนั้น เขาพบพวกผู้หญิงสาวออกมาตักน้ำ จึงถามว่า "ผู้ทำนายอยู่ที่นี่หรือ"
12Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;
12เธอทั้งหลายตอบว่า "อยู่นี่ ดูเถิด ท่านเพิ่งขึ้นหน้าท่านไป จงรีบเข้าเถิด ท่านเพิ่งมาในเมืองเมื่อกี้นี้ เพราะว่าวันนี้ประชาชนทำการถวายสัตวบูชา ณ ปูชนียสถานสูง
13ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.
13พอท่านทั้งสองเข้าไปถึงในเมือง ท่านทั้งสองจะพบ ก่อนที่ผู้ทำนายขึ้นไปรับประทานอาหาร ณ ปูชนียสถานสูง เพราะว่าประชาชนจะไม่รับประทานจนกว่าท่านจะมาถึง เพราะท่านจะต้องมาอวยพรแก่เครื่องสัตวบูชา ภายหลังผู้ที่ได้รับเชิญจึงรับประทาน บัดนี้จงขึ้นไปเถิด ท่านทั้งสองจะพบทันที"
14Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
14เขาทั้งสองก็ขึ้นไปยังเมืองนั้น ขณะเมื่อเขาเข้าไปในเมือง ดูเถิด ซามูเอลกำลังเดินออกมาตรงหน้าเขาทั้งสอง จะขึ้นไปยังปูชนียสถานสูงนั้น
15Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
15พระเยโฮวาห์ได้ตรัสในหูของซามูเอลแล้วในวันก่อนวันที่ซาอูลมาถึงว่า
16Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
16"พรุ่งนี้เวลาประมาณเท่านี้ เราจะส่งชายผู้หนึ่งซึ่งมาจากดินแดนเบนยามิน เจ้าจงเจิมเขาให้เป็นเจ้าเหนืออิสราเอลประชาชนของเรา เขาจะช่วยประชาชนของเราให้พ้นจากมือคนฟีลิสเตีย เพราะเราได้มองดูประชาชนของเราแล้ว ด้วยเสียงร้องทุกข์ของเขามาถึงเรา"
17Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]
17เมื่อซามูเอลเห็นซาอูลเข้าแล้ว พระเยโฮวาห์ทรงบอกท่านว่า "ดูเถิด นี่เป็นชายคนที่เราได้พูดกับเจ้าแล้วนั้น เขาเป็นผู้ที่จะปกครองเหนือประชาชนของเรา"
18Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.
18แล้วซาอูลก็เข้ามาใกล้ซามูเอลที่ประตูและกล่าวว่า "ขอบอกข้าพเจ้าหน่อยว่า บ้านของผู้ทำนายอยู่ที่ไหน"
19Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
19ซามูเอลตอบซาอูลว่า "ฉันเป็นผู้ทำนาย จงเดินขึ้นหน้าฉันไปยังปูชนียสถานสูงนั้น เพราะในวันนี้ท่านจะรับประทานอาหารกับฉัน และพรุ่งนี้เช้าฉันจึงจะให้ท่านไป และฉันจะบอกทุกอย่างที่ข้องอยู่ในใจของท่านแก่ท่าน
20Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
20ส่วนเรื่องลาของท่านที่หายไปสามวันแล้วนั้น อย่าเอาใจใส่เลย เพราะเขาพบแล้ว ความปรารถนาของคนอิสราเอลนั้นมุ่งหมายเอาใครเล่า ไม่ใช่ตัวท่านและวงศ์วานทั้งสิ้นของบิดาท่านดอกหรือ"
21Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
21ซาอูลตอบว่า "ข้าพเจ้าไม่ใช่คนเบนยามินดอกหรือ เป็นตระกูลเล็กน้อยที่สุดในอิสราเอล และครอบครัวของข้าพเจ้าไม่ใช่ครอบครัวที่ด้อยที่สุดในตระกูลเบนยามินดอกหรือ ทำไมท่านจึงพูดกับข้าพเจ้าอย่างนี้เล่า"
22Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
22แล้วซามูเอลก็พาซาอูลกับคนใช้ของท่านเข้าไปในห้องโถงให้นั่งในตอนต้นที่นั่งสำหรับผู้ที่รับเชิญ ซึ่งมีประมาณสามสิบคน
23Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
23และซามูเอลพูดกับคนครัวว่า "จงนำส่วนที่ฉันได้มอบให้ ซึ่งฉันบอกว่า `เก็บไว้ต่างหาก' นั้นมา"
24Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]
24คนครัวจึงนำเอาส่วนขาและส่วนบนนั้นมาวางไว้ที่ข้างหน้าซาอูล และซามูเอลกล่าวว่า "ดูเถิด สิ่งที่ได้เก็บไว้ก็วางอยู่ต่อหน้าท่าน จงรับประทานเถิด เพราะว่าเก็บไว้ให้แก่ท่านจนถึงชั่วโมงที่กำหนดไว้ ตั้งแต่ฉันกล่าวว่า `ฉันได้เชิญประชาชนมาแล้ว'" ซาอูลจึงรับประทานกับซามูเอลในวันนั้น
25Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
25และเมื่อเขาทั้งหลายลงมาจากปูชนียสถานสูงเข้ามาในเมือง ซามูเอลสนทนากับซาอูลบนดาดฟ้าหลังคาบ้าน
26Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
26และเขาทั้งสองตื่นแต่เช้าตรู่ และอยู่มาเมื่อสว่างแล้ว ซามูเอลก็เรียกซาอูลผู้อยู่บนดาดฟ้าว่า "จงลุกขึ้นเถิด เพื่อฉันจะส่งท่านไปตามทางของท่าน" ซาอูลก็ลุกขึ้น ท่านทั้งสองก็เดินออกไปที่ถนน ทั้งท่านและซามูเอล
27Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.
27เมื่อเขาทั้งหลายกำลังลงมาที่ชานเมือง ซามูเอลจึงพูดกับซาอูลว่า "จงบอกคนใช้ให้เดินล่วงหน้าเราไปก่อน (และเขาก็เดินพ้นไป) ท่านจงหยุดที่นี่ก่อน เพื่อฉันจะได้แจ้งพระดำรัสของพระเจ้าให้ท่านทราบ"