Malagasy

Thai King James Version

2 Kings

7

1Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]
1แต่เอลีชาบอกว่า "ขอฟังพระวจนะของพระเยโฮวาห์ พระเยโฮวาห์ตรัสดังนี้ว่า พรุ่งนี้ประมาณเวลานี้ยอดแป้งถังหนึ่งเขาจะขายกันหนึ่งเชเขล และข้าวบารลีสองถังเชเขล ที่ประตูเมืองสะมาเรีย"
2Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
2แล้วนายทหารคนสนิทของกษัตริย์ตอบคนแห่งพระเจ้าว่า "ดูเถิด ถ้าแม้พระเยโฮวาห์ทรงสร้างหน้าต่างในฟ้าสวรรค์ สิ่งนี้จะเป็นขึ้นได้หรือ" แต่ท่านบอกว่า "ดูเถิด ท่านจะเห็นกับตาของท่านเอง แต่จะไม่ได้กิน"
3Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
3มีคนโรคเรื้อนสี่คนอยู่ที่ทางเข้าประตูเมือง เขาพูดกันว่า "เราจะนั่งที่นี่จนตายทำไมเล่า
4Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
4ถ้าเราว่า `ให้เราเข้าไปในเมือง' การกันดารอาหารก็อยู่ในเมือง และเราก็จะตายที่นั่น และถ้าเรานั่งที่นี่เราก็ตายเหมือนกัน ฉะนั้นบัดนี้จงมาเถิด ให้เราเข้าไปในกองทัพของคนซีเรีย ถ้าเขาไว้ชีวิตของเรา เราก็จะรอดตาย ถ้าเขาฆ่าเรา ก็ได้แต่ตายเท่านั้นเอง"
5Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
5ดังนั้นเขาจึงลุกขึ้นในเวลาโพล้เพล้เพื่อจะไปยังค่ายของคนซีเรีย แต่เมื่อเขามาถึงริมค่ายของคนซีเรียแล้ว ดูเถิด ไม่มีใครที่นั่นสักคน
6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady amintsika.
6เพราะองค์พระผู้เป็นเจ้าได้ทรงกระทำให้กองทัพของคนซีเรียได้ยินเสียงรถรบ เสียงม้า และเสียงกองทัพใหญ่ เขาจึงพูดกันและกันว่า "ดูเถิด กษัตริย์แห่งอิสราเอลได้จ้างบรรดากษัตริย์แห่งคนฮิตไทต์ และบรรดากษัตริย์แห่งอียิปต์มารบเราแล้ว"
7Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
7เขาจึงลุกขึ้นหนีไปในเวลาโพล้เพล้ และทิ้งเต็นท์ ม้าและลาของเขา ทิ้งค่ายไว้อย่างนั้นเอง และหนีไปเอาชีวิตรอด
8Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
8และเมื่อคนโรคเรื้อนเหล่านี้มาถึงที่ริมค่าย เขาก็เข้าไปในเต็นท์หนึ่งกินและดื่ม และขนเงิน ทองคำและเสื้อผ้าเอาไปซ่อนไว้ แล้วเขาก็กลับมาเข้าไปในอีกเต็นท์หนึ่งขนเอาข้าวของออกไปจากที่นั่นด้วยเอาไปซ่อนไว้
9Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
9แล้วเขาพูดกันและกันว่า "เราทำไม่ถูกเสียแล้ว วันนี้เป็นวันข่าวดี ถ้าเรานิ่งอยู่และคอยจนแสงอรุณขึ้นโทษจะตกอยู่กับเรา เพราะฉะนั้นบัดนี้มาเถิด ให้เราไปบอกยังสำนักพระราชวัง"
10Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
10เขาจึงมาเรียกนายประตูเมือง และบอกเรื่องราวแก่เขาว่า "เรามายังค่ายของคนซีเรีย และดูเถิด เราไม่เห็นใครและไม่ได้ยินเสียงผู้ใดที่นั่น มีแต่ม้าผูกอยู่ และลาผูกอยู่ และเต็นท์ตั้งอยู่อย่างนั้นเอง"
11Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny mpanjaka.
11แล้วเขาบอกแก่เหล่านายประตู และพวกเขาก็บอกกันไปถึงสำนักพระราชวัง
12Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
12กษัตริย์ก็ทรงตื่นบรรทมในกลางคืน และตรัสกับข้าราชการว่า "เราจะบอกให้ว่าคนซีเรียเตรียมสู้รบเราอย่างไร เขาทั้งหลายรู้อยู่ว่าเราหิว เขาจึงออกไปซ่อนตัวอยู่นอกค่ายที่กลางทุ่งคิดว่า `เมื่อเขาออกมาจากในเมืองเราจะจับเขาทั้งเป็น แล้วจะเข้าไปในเมือง'"
13Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
13และข้าราชการคนหนึ่งทูลว่า "ขอรับสั่งให้คนเอาม้าที่เหลืออยู่ในเมืองสักห้าตัว (ดูเถิด บางทีม้าเหล่านั้นจะยังเป็นอยู่อย่างคนอิสราเอลที่เหลืออยู่ในเมือง หรือดูเถิด จะเป็นอย่างคนอิสราเอลที่ได้พินาศแล้วก็ช่างเถิด) ขอให้เราส่งคนไปดู"
14Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
14เขาจึงเอารถรบสองคันพร้อมกับม้า และกษัตริย์ทรงส่งให้ไปติดตามกองทัพของคนซีเรีย ตรัสว่า "จงไปดู"
15Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
15เขาทั้งหลายจึงติดตามไปจนถึงแม่น้ำจอร์แดน และดูเถิด ตลอดทางมีเสื้อผ้าและเครื่องใช้ ซึ่งคนซีเรียทิ้งเมื่อเขารีบหนีไป ผู้สื่อสารก็กลับมาทูลกษัตริย์
16Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
16แล้วประชาชนก็ยกออกไปปล้นเต็นท์ทั้งหลายของคนซีเรีย ยอดแป้งจึงขายกันถังละเชเขล และข้าวบารลีสองถังเชเขล ตามพระวจนะของพระเยโฮวาห์
17Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
17ฝ่ายกษัตริย์ทรงแต่งตั้งนายทหารคนสนิทให้เป็นนายประตู และประชาชนก็เหยียบไปบนเขาตรงประตู เขาจึงสิ้นชีวิตตามซึ่งคนแห่งพระเจ้าได้กล่าวไว้ในวันเมื่อกษัตริย์เสด็จลงมาหาท่าน
18Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;
18และเป็นไปตามที่คนแห่งพระเจ้าได้ทูลกษัตริย์ว่า "ข้าวบารลีสองถังขายหนึ่งเชเขล และยอดแป้งหนึ่งถังหนึ่งเชเขล ประมาณเวลานี้ในวันพรุ่งนี้ที่ประตูเมืองสะมาเรีย"
19ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
19และนายทหารคนสนิทก็ได้ตอบคนแห่งพระเจ้าว่า "ดูเถิด ถ้าแม้พระเยโฮวาห์ทรงสร้างหน้าต่างในฟ้าสวรรค์ สิ่งนี้จะเป็นขึ้นได้หรือ" และท่านได้ตอบว่า "ดูเถิด ท่านจะเห็นกับตาของท่านเองแต่จะไม่ได้กิน"
20Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
20และอยู่มาก็บังเกิดเป็นดังนั้นแก่เขา เพราะประชาชนเหยียบไปบนเขาที่ประตูเมืองและเขาก็ได้สิ้นชีวิต