1[Ny amin'ny nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.
1ฝ่ายเอลีชาได้บอกหญิงคนที่ท่านได้ให้บุตรชายของนางกลับคืนชีวิตมาว่า "จงลุกขึ้นและออกไปทั้งครัวเรือนของเจ้า ไปอาศัยอยู่ที่ใดซึ่งเจ้าจะอาศัยอยู่ได้ เพราะพระเยโฮวาห์ทรงเรียกให้เกิดการกันดารอาหาร และจะเป็นแก่แผ่นดินนี้เจ็ดปี"
2Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.
2หญิงคนนั้นก็ลุกขึ้นกระทำตามถ้อยคำของคนแห่งพระเจ้า นางยกออกไปทั้งครัวเรือนของนาง ไปอาศัยอยู่ในแผ่นดินฟีลิสเตียเจ็ดปี
3Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.
3และอยู่มาเมื่อสิ้นเจ็ดปีแล้วหญิงคนนั้นก็กลับมาจากแผ่นดินฟีลิสเตีย และได้ออกไปทูลอุทธรณ์ต่อกษัตริย์เพื่อขอบ้านและที่ดินของนางคืน
4Ary ny mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.
4ฝ่ายกษัตริย์กำลังตรัสกับเกหะซีคนใช้ของคนแห่งพระเจ้าอยู่ว่า "จงบอกเราถึงบรรดามหกิจที่เอลีชาได้กระทำ"
5Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.
5และอยู่มาเมื่อเขากำลังทูลกษัตริย์ถึงเรื่องที่เอลีชาได้เรียกชีวิตของศพคนหนึ่งกลับคืนมา ดูเถิด ผู้หญิงคนที่ท่านได้ให้บุตรชายกลับคืนชีวิตมาได้อุทธรณ์ต่อกษัตริย์เพื่อขอบ้านและที่ดินของนางคืน และเกหะซีทูลว่า "ข้าแต่กษัตริย์ เจ้านายของข้าพระองค์ นี่เป็นนางคนนั้น และคนนี้แหละเป็นบุตรชายของนาง ซึ่งเอลีชาได้ให้กลับคืนชีวิตมา"
6Ary nony nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka ankehitriny.
6และเมื่อกษัตริย์ตรัสถามหญิงคนนั้น นางก็ทูลเรื่องถวายพระองค์ กษัตริย์จึงทรงตั้งเจ้าหน้าที่คนหนึ่งให้แก่นางรับสั่งว่า "จงจัดการคืนทุกสิ่งที่เป็นของของนาง พร้อมทั้งพืชผลของนานั้น ตั้งแต่วันที่นางออกจากแผ่นดินมาจนถึงบัดนี้"
7[Ny nilazan'i Elisa tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.
7ฝ่ายเอลีชามายังดามัสกัส เบนฮาดัดกษัตริย์แห่งซีเรียทรงประชวร และเมื่อมีคนทูลว่า "คนแห่งพระเจ้ามาที่นี่"
8Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
8กษัตริย์ตรัสกับฮาซาเอลว่า "จงนำของกำนัลไปพบคนแห่งพระเจ้า ให้ทูลถามพระเยโฮวาห์โดยท่านว่า `ข้าพเจ้าจะหายป่วยไหม'"
9Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?
9ฮาซาเอลจึงไปพบท่านนำของกำนัลไปด้วย คือสินค้าอย่างดีทุกอย่างของเมืองดามัสกัสจุอูฐต่างสี่สิบตัว เมื่อเขามายืนอยู่ต่อหน้าท่านเขากล่าวว่า "บุตรของท่านคือเบนฮาดัด กษัตริย์แห่งซีเรีย ได้ทรงใช้ข้าพเจ้ามาหาท่าน กล่าวว่า `ข้าพเจ้าจะหายป่วยหรือ'"
10Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]
10และเอลีชาตอบเขาว่า "จงไปทูลพระองค์ว่า `พระองค์จะทรงหายประชวรแน่' แต่พระเยโฮวาห์ทรงสำแดงแก่ข้าพเจ้าว่า พระองค์จะสิ้นพระชนม์แน่"
11Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.
11และท่านก็เพ่งหน้าจ้องมองเขาแน่นิ่งจนเขาอาย และคนแห่งพระเจ้าก็ร้องไห้
12Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
12และฮาซาเอลถามว่า "เหตุใดเจ้านายของข้าพเจ้าจึงร้องไห้" ท่านตอบว่า "เพราะข้าพเจ้าทราบถึงเหตุร้ายซึ่งท่านจะกระทำต่อประชาชนอิสราเอล ท่านจะเอาไฟเผาป้อมปราการของเขาเสีย และท่านจะสังหารคนหนุ่มๆเสียด้วยดาบ และจับเด็กๆโยนลง และผ่าท้องหญิงที่มีครรภ์เสีย"
13Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan'i Syria.
13และฮาซาเอลตอบว่า "ผู้รับใช้ของท่านผู้เป็นแต่เพียงสุนัขเป็นใครเล่า ซึ่งจะกระทำสิ่งใหญ่โตนี้" เอลีชาตอบว่า "พระเยโฮวาห์ทรงสำแดงแก่ข้าพเจ้าว่า ท่านจะเป็นกษัตริย์ครอบครองประเทศซีเรีย"
14Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
14และเขาก็ไปจากเอลีชามายังนายของตน ผู้ซึ่งถามเขาว่า "เอลีชาว่าอย่างไรกับเจ้าบ้าง" และเขาทูลตอบว่า "เขาบอกว่าพระองค์จะหายประชวรแน่"
15Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
15และอยู่มาในวันรุ่งขึ้นเขาก็เอาผ้าปูที่นอนจุ่มน้ำคลุมพระพักตร์พระองค์ไว้ จนพระองค์สิ้นพระชนม์ และฮาซาเอลก็ขึ้นครองแทน
16[Ny nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.
16ในปีที่ห้าแห่งโยรัมโอรสอาหับกษัตริย์ของอิสราเอล เมื่อเยโฮชาฟัทยังเป็นกษัตริย์ของยูดาห์อยู่ เยโฮรัมโอรสเยโฮชาฟัทกษัตริย์ของยูดาห์ได้ทรงเริ่มครอบครอง
17Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
17เมื่อพระองค์ทรงเริ่มครอบครองนั้นมีพระชนมายุสามสิบสองพรรษา และพระองค์ทรงครอบครองในเยรูซาเล็มแปดปี
18Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
18และพระองค์ทรงดำเนินตามมรรคาของบรรดากษัตริย์แห่งอิสราเอล ตามอย่างที่ราชวงศ์อาหับกระทำ เพราะว่าธิดาของอาหับเป็นมเหสีของพระองค์ และพระองค์ทรงกระทำชั่วในสายพระเนตรของพระเยโฮวาห์
19Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an'ny taranany.[Na: izy sy]
19อย่างไรก็ดีพระเยโฮวาห์จะไม่ทรงทำลายยูดาห์ เพราะทรงเห็นแก่ดาวิดผู้รับใช้ของพระองค์ เหตุที่พระองค์ได้ตรัสสัญญาว่า จะทรงประทานประทีปแก่ดาวิด และแก่ราชโอรสของพระองค์เป็นนิตย์
20Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
20ในรัชกาลของพระองค์เอโดมได้กบฏออกห่างจากการปกครองของยูดาห์ และตั้งกษัตริย์ขึ้นเหนือตน
21ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.[Heb. ho any an-dainy]
21แล้วโยรัมก็เสด็จพร้อมกับบรรดารถรบของพระองค์ผ่านไปถึงศาอีร์ พอกลางคืนพระองค์ก็ลุกขึ้นโจมตีคนเอโดมซึ่งมาล้อมพระองค์นั้น พร้อมกับผู้บัญชาการรถรบ แล้วกองทัพได้หนีกลับเต็นท์เสีย
22Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.
22เอโดมจึงได้กบฏออกห่างจากการปกครองของยูดาห์จนทุกวันนี้ แล้วลิบนาห์ก็ได้กบฏในคราวเดียวกัน
23Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?
23ส่วนพระราชกิจนอกนั้นของโยรัม และบรรดาสิ่งซึ่งพระองค์ทรงกระทำ มิได้บันทึกไว้ในหนังสือพงศาวดารแห่งกษัตริย์ประเทศยูดาห์หรือ
24Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
24โยรัมจึงทรงล่วงหลับไปอยู่กับบรรพบุรุษของพระองค์ และเขาฝังไว้กับบรรพบุรุษของพระองค์ในนครดาวิด และอาหัสยาห์โอรสของพระองค์ได้ขึ้นครองแทน
25Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,
25ในปีที่สิบสองแห่งราชกาลโยรัมโอรสของอาหับกษัตริย์แห่งอิสราเอล อาหัสยาห์โอรสเยโฮรัมกษัตริย์แห่งยูดาห์ได้ทรงเริ่มครอบครอง
26Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.
26เมื่ออาหัสยาห์ทรงเริ่มครอบครองนั้นมีพระชนมายุยี่สิบสองพรรษา และทรงครอบครองในเยรูซาเล็มหนึ่งปี พระมารดาของพระองค์ทรงพระนามอาธาลิยาห์ พระนางเป็นธิดาของอมรีกษัตริย์แห่งอิสราเอล
27Ary nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.
27พระองค์ทรงดำเนินตามมรรคาราชวงศ์ของอาหับด้วย และทรงกระทำชั่วในสายพระเนตรของพระเยโฮวาห์ ดังที่ราชวงศ์ของอาหับได้กระทำ เพราะทรงเป็นราชบุตรเขยในราชวงศ์ของอาหับ
28Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
28พระองค์เสด็จกับโยรัมโอรสของอาหับเพื่อทำสงครามกับฮาซาเอลกษัตริย์แห่งซีเรียที่ราโมทกิเลอาด และคนซีเรียกระทำให้โยรัมบาดเจ็บ
29Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
29และกษัตริย์โยรัมได้กลับมารักษาพระองค์ที่ยิสเรเอลให้หายบาดเจ็บจากที่คนซีเรียได้กระทำแก่พระองค์ที่รามาห์ เมื่อพระองค์ทรงสู้กันกับฮาซาเอลกษัตริย์แห่งซีเรีย และอาหัสยาห์โอรสของเยโฮรัมกษัตริย์แห่งยูดาห์ได้เสด็จลงไปหาโยรัมโอรสของอาหับในยิสเรเอล เพราะว่าพระองค์ทรงประชวร