1[Ny nibebahan'i Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
1พระเยโฮวาห์ทรงใช้ให้นาธันไปหาดาวิด นาธันก็ไปเข้าเฝ้าและกราบทูลพระองค์ว่า "ในเมืองหนึ่งมีชายสองคน คนหนึ่งมั่งมี อีกคนหนึ่งยากจน
2Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
2คนมั่งมีนั้นมีแพะแกะและวัวเป็นอันมาก
3fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
3แต่คนจนนั้นไม่มีอะไรเลย เว้นแต่แกะตัวเมียตัวเดียวที่ซื้อเขามา ซึ่งเขาเลี้ยงไว้และอยู่กับเขา มันได้เติบโตขึ้นพร้อมกับบุตรของเขา กินอาหารร่วมและดื่มน้ำถ้วยเดียวกับเขา นอนในอกของเขา และเป็นเหมือนบุตรสาวของเขา
4Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
4ฝ่ายคนมั่งมีคนนั้นมีแขกคนหนึ่งมาเยี่ยม เขาเสียดายที่จะเอาแพะแกะหรือวัวของตนมาทำอาหารเลี้ยงคนที่เดินทางมาเยี่ยมนั้น จึงเอาแกะตัวเมียของชายคนจนนั้นเตรียมเป็นอาหารให้แก่ชายที่มาเยี่ยมตน"
5Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
5ดาวิดกริ้วชายคนนั้นมาก และรับสั่งแก่นาธันว่า "พระเยโฮวาห์ทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด ผู้ชายที่กระทำเช่นนั้นจะต้องตาย
6ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
6และจะต้องคืนแกะให้สี่เท่า เพราะเขาได้กระทำอย่างนี้ และเพราะว่าเขาไม่มีเมตตาจิต"
7Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
7นาธันจึงทูลดาวิดว่า "พระองค์นั่นแหละคือชายคนนั้น พระเยโฮวาห์พระเจ้าแห่งอิสราเอลตรัสดังนี้ว่า `เราได้เจิมตั้งเจ้าไว้ให้เป็นกษัตริย์เหนืออิสราเอล และเราช่วยเจ้าให้พ้นจากมือของซาอูล
8ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
8และเราได้มอบวงศ์วานเจ้านายของเจ้าให้แก่เจ้า และได้มอบภรรยาเจ้านายของเจ้าไว้ในอกของเจ้า และมอบวงศ์วานอิสราเอลและวงศ์วานยูดาห์ให้แก่เจ้า ถ้าเท่านี้ยังน้อยไป เราจะเพิ่มให้อีกเท่านี้
9koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
9ทำไมเจ้าดูหมิ่นพระบัญญัติของพระเยโฮวาห์กระทำชั่วในสายพระเนตรของพระองค์ เจ้าได้ฆ่าอุรีอาห์คนฮิตไทต์เสียด้วยดาบ เอาภรรยาของเขามาเป็นภรรยาของตน และได้สังหารเขาเสียด้วยดาบของคนอัมโมน
10Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
10เพราะฉะนั้นดาบนั้นจะไม่คลาดไปจากราชวงศ์ของเจ้า เพราะเจ้าได้ดูหมิ่นเรา เอาภรรยาของอุรีอาห์คนฮิตไทต์มาเป็นภรรยาของเจ้า'
11Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
11พระเยโฮวาห์ตรัสดังนี้ว่า `ดูเถิด เราจะให้เหตุร้ายบังเกิดขึ้นกับเจ้าจากครัวเรือนของเจ้าเอง และเราจะเอาภรรยาของเจ้าไปต่อหน้าต่อตาเจ้า ยกไปให้แก่เพื่อนบ้านของเจ้า ผู้นั้นจะนอนร่วมกับภรรยาของเจ้าอย่างเปิดเผย
12Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
12เพราะเจ้าทำการนั้นอย่างลับๆ แต่เราจะกระทำการนี้ต่อหน้าอิสราเอลทั้งสิ้นและอย่างเปิดเผย'"
13Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
13ดาวิดจึงรับสั่งกับนาธันว่า "เรากระทำบาปต่อพระเยโฮวาห์แล้ว" และนาฮันกราบทูลดาวิดว่า "พระเยโฮวาห์ทรงให้อภัยบาปของพระองค์แล้ว พระองค์จะไม่ถึงแก่มรณา
14Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
14อย่างไรก็ตาม เพราะด้วยการกระทำนี้พระองค์ได้ให้พวกศัตรูของพระเยโฮวาห์มีโอกาสเหยียดหยามได้ ราชบุตรที่จะประสูติมานั้นจะต้องสิ้นชีวิต"
15Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
15แล้วนาธันก็กลับไปยังบ้านของตน แล้วพระเยโฮวาห์ทรงกระทำแก่บุตร ซึ่งภรรยาของอุรีอาห์บังเกิดกับดาวิด และพระกุมารนั้นก็ประชวรหนัก
16Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
16ดาวิดก็ทรงอ้อนวอนต่อพระเจ้าเพื่อพระกุมารนั้น และดาวิดทรงอดพระกระยาหาร และเข้าไปบรรทมบนพื้นดินคืนยังรุ่ง
17Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
17บรรดาพวกผู้ใหญ่ในราชสำนักของพระองค์ก็ลุกขึ้นมายืนเข้าเฝ้าอยู่ หมายจะทูลเชิญให้พระองค์ทรงลุกจากพื้นดิน แต่พระองค์หาทรงยอมไม่ หรือหาทรงรับประทานกับเขาทั้งหลายไม่
18Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
18อยู่มาพอวันที่เจ็ดพระกุมารนั้นก็สิ้นพระชนม์ ส่วนข้าราชการของดาวิดก็กลัวไม่กล้ากราบทูลดาวิดว่าพระกุมารนั้นสิ้นชีวิตแล้ว เขาพูดกันว่า "ดูเถิด เมื่อพระกุมารนั้นทรงพระชนม์อยู่ เราทูลพระองค์ พระองค์หาทรงฟังเสียงของเราไม่ แล้วเราทั้งหลายอาจจะกราบทูลได้อย่างไรว่า พระกุมารนั้นสิ้นพระชนม์แล้ว พระองค์ก็จะกระทำอันตรายต่อพระองค์เอง"
19Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
19แต่เมื่อดาวิดทอดพระเนตรเห็นข้าราชการกระซิบกระซาบกันอยู่ ดาวิดเข้าพระทัยว่าพระกุมารนั้นสิ้นพระชนม์แล้ว ดาวิดจึงรับสั่งถามข้าราชการของพระองค์ว่า "เด็กนั้นสิ้นชีวิตแล้วหรือ" เขาทูลตอบว่า "สิ้นชีวิตแล้วพ่ะย่ะค่ะ"
20Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
20แล้วดาวิดทรงลุกขึ้นจากพื้นดิน ชำระพระกาย ชโลมพระองค์ และทรงเปลี่ยนฉลองพระองค์ ทรงดำเนินเข้าไปในพระนิเวศของพระเยโฮวาห์และทรงนมัสการ แล้วเสด็จไปสู่พระราชวังของพระองค์ รับสั่งให้นำพระกระยาหารมา เขาก็จัดพระกระยาหารให้พระองค์เสวย
21Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
21ข้าราชการจึงทูลถามพระองค์ว่า "เป็นไฉนพระองค์ทรงกระทำเช่นนี้ พระองค์ทรงอดพระกระยาหารและกันแสงเพื่อพระกุมารนั้นเมื่อทรงพระชนม์อยู่ แต่เมื่อพระกุมารนั้นสิ้นพระชนม์แล้ว พระองค์ก็ทรงลุกขึ้นเสวยพระกระยาหาร"
22Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
22พระองค์รับสั่งว่า "เมื่อเด็กนั้นมีชีวิตอยู่ เราอดอาหารและร้องไห้ เพราะเราว่า `ใครจะทราบได้ว่าพระเจ้าจะทรงพระเมตตาเรา โปรดให้เด็กนั้นมีชีวิตอยู่หรือไม่'
23Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
23แต่เมื่อเขาสิ้นชีวิตแล้ว เราจะอดอาหารทำไม เราจะทำเด็กให้ฟื้นขึ้นมาอีกได้หรือ มีแต่เราจะตามทางเด็กนั้นไป เขาจะกลับมาหาเราหามิได้"
24Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,[Solomona = Miadana]
24ฝ่ายดาวิดทรงเล้าโลมใจบัทเชบามเหสีของพระองค์ และทรงเข้าไปสมสู่กับพระนาง พระนางก็ประสูติบุตรชายคนหนึ่งเรียกชื่อว่าซาโลมอน และพระเยโฮวาห์ทรงรักซาโลมอน
25dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia noho ny amin'i Jehovah.[Jedidia = Tian'i Jehovah]
25และทรงใช้นาธันผู้พยากรณ์ไป ท่านจึงตั้งชื่อราชโอรสนั้นว่า เยดีดิยาห์ เพราะเห็นแก่พระเยโฮวาห์
26Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
26ฝ่ายโยอาบสู้รบกับเมืองรับบาห์ของคนอัมโมน และยึดราชธานีไว้ได้
27Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
27และโยอาบได้ส่งผู้สื่อสารไปเฝ้าดาวิด ทูลว่า "ข้าพระองค์ได้สู้รบกับกรุงรับบาห์ และข้าพระองค์ตีได้เมืองที่มีแม่น้ำมากหลายนั้นแล้ว
28Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
28บัดนี้ขอพระองค์ทรงรวบรวมพลที่เหลือ เข้าตั้งค่ายตีเมืองนั้นให้ได้ เกลือกว่าถ้าข้าพระองค์ตีได้ ก็จะต้องเรียกชื่อเมืองนั้นตามชื่อของข้าพระองค์"
29Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
29ดาวิดจึงทรงรวบรวมพลทั้งหลายเข้าด้วยกันยกไปยังเมืองรับบาห์ และต่อสู้จนยึดเมืองนั้นได้
30Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5]Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
30ทรงริบมงกุฎจากเศียรกษัตริย์ของเมืองนั้น มงกุฎนั้นเป็นทองคำหนักหนึ่งตะลันต์ประดับด้วยเพชรพลอยต่างๆ และเขาก็สวมบนพระเศียรของดาวิด และพระองค์ทรงเก็บรวบรวมทรัพย์สมบัติของเมืองนั้นได้เป็นอันมาก
31Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
31ทรงควบคุมประชาชนที่อยู่ในเมืองนั้นให้ทำงานด้วยเลื่อย คราดเหล็กและขวานเหล็กและบังคับให้ทำงานที่เตาเผาอิฐ ได้ทรงกระทำเช่นนี้แก่บรรดาหัวเมืองของคนอัมโมนทั่วไป แล้วดาวิดก็เสด็จกลับไปกรุงเยรูซาเล็มพร้อมกับพลทั้งสิ้น