1[Ny ratsy nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
1ต่อมาภายหลังฝ่ายอับซาโลมราชโอรสของดาวิดมีขนิษฐาองค์หนึ่งรูปโฉมสะคราญชื่อทามาร์ และอัมโนนราชโอรสของดาวิดก็รักเธอ
2Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.
2ด้วยเหตุทามาร์น้องหญิงนี้ จิตใจของอัมโนนก็ถูกทรมานจนถึงกับล้มป่วย ด้วยเหตุว่าเธอเป็นสาวพรหมจารี อัมโนนจึงรู้สึกว่าจะทำอะไรกับเธอก็ยากนัก
3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
3แต่อัมโนนมีสหายคนหนึ่งชื่อโยนาดับบุตรชายของชิเมอาห์เชษฐาของดาวิด โยนาดับนั้นเป็นคนเจ้าปัญญา
4Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
4จึงทูลถามว่า "ข้าแต่ราชโอรสของกษัตริย์ ไฉนทูลกระหม่อมจึงซมเซาอยู่ทุกเช้าๆ จะไม่บอกให้เกล้าฯทราบบ้างหรือ" อัมโนนตอบเขาว่า "เรารักทามาร์น้องหญิงของอับซาโลมอนุชาของเรา"
5Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
5โยนาดับจึงทูลท่านว่า "ขอเชิญบรรทมบนพระแท่นแสร้งกระทำเป็นประชวร และเมื่อเสด็จพ่อมาเยี่ยมทูลกระหม่อมขอกราบทูลว่า `ขอโปรดรับสั่งทามาร์น้องหญิงมาให้อาหารแก่ข้าพระองค์ ให้มาเตรียมอาหารต่อสายตาข้าพระองค์ เพื่อข้าพระองค์จะได้เห็น และได้รับประทานจากมือของเธอ'"
6Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
6อัมโนนจึงบรรทมแสร้งทำเป็นประชวร เมื่อกษัตริย์เสด็จมาเยี่ยม อัมโนนก็ทูลกษัตริย์ว่า "ขอโปรดให้ทามาร์น้องหญิงมาทำขนมสักสองอันต่อสายตาข้าพระองค์ เพื่อข้าพระองค์จะได้รับประทานจากมือของเธอ"
7Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
7ดาวิดทรงใช้คนไปหาทามาร์ที่วังรับสั่งว่า "ขอจงไปที่บ้านของอัมโนนพี่ของเจ้า และเตรียมอาหารให้เขารับประทาน"
8Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
8ทามาร์ก็ไปยังวังของอัมโนนเชษฐาของเธอที่ที่เขาบรรทมอยู่ เธอก็หยิบแป้งมานวดทำขนมต่อสายตาของเชษฐาแล้วปิ้งขนมนั้น
9Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
9และเธอก็ยกกระทะมาเทออกต่อหน้าเชษฐา แต่อัมโนนก็ไม่ทรงเสวย กล่าวว่า "ให้ทุกคนออกไปเสียให้พ้นเรา" ทุกคนก็ออกไป
10Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
10อัมโนนก็รับสั่งกับทามาร์ว่า "จงเอาอาหารเข้ามาในห้องใน เพื่อพี่จะได้รับประทานจากมือของน้อง" ทามาร์ก็นำขนมที่เธอทำนั้นเข้าไปในห้องเพื่อให้แก่อัมโนนเชษฐา
11Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
11แต่เมื่อเธอนำขนมมาใกล้เพื่อให้ท่านรับประทาน ท่านก็จับมือเธอไว้รับสั่งว่า "น้องของพี่เข้ามานอนกับพี่เถิด"
12Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.[Heb. fahadalana]
12เธอจึงตอบท่านว่า "ไม่ได้ดอกพระเชษฐา ขออย่าบังคับน้องเลย สิ่งอย่างนี้เขาไม่กระทำกันในอิสราเอล ขออย่ากระทำการโฉดเขลาอย่างนี้เลย
13Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
13ฝ่ายหม่อมฉัน หม่อมฉันจะเอาความอายไปซ่อนไว้ที่ไหน ฝ่ายท่านเล่า ท่านจะเป็นเหมือนคนโฉลดเขลาคนหนึ่งในอิสราเอล เพราะฉะนั้นบัดนี้ขอทูลกษัตริย์ พระองค์คงจะไม่หวงหม่อมฉันไว้ไม่ให้ท่าน"
14Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
14แต่ท่านก็หาฟังเสียงเธอไม่ ด้วยท่านมีกำลังมากกว่าจึงข่มขืน และนอนร่วมกับเธอ
15Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
15ต่อมาอัมโนนเกลียดชังเธอยิ่งนัก ความเกลียดชังครั้งนี้ก็มากยิ่งกว่าความรักซึ่งท่านได้รักเธอมาก่อน และอัมโนนรับสั่งกับเธอว่า "จงลุกขึ้นไป"
16Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
16แต่เธอตอบท่านว่า "อย่าเลยพระเชษฐา ที่จะขับไล่หม่อมฉันไปครั้งนี้นั้นก็เป็นความผิดใหญ่ยิ่งกว่าที่พระเชษฐาได้ทำกับน้องมาแล้ว" แต่ท่านหาได้เชื่อฟังเธอไม่
17Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
17ท่านจึงเรียกมหาดเล็กที่ปรนนิบัติอยู่สั่งว่า "จงไล่ผู้หญิงคนนี้ให้ออกไปพ้นหน้าของข้าแล้วปิดประตูใส่กลอนเสีย"
18Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
18เธอสวมเสื้อยาวหลากสีที่ราชธิดาพรหมจารีของกษัตริย์สวมกัน มหาดเล็กของท่านจึงไล่เธอออกไปและใส่กลอนประตูเสีย
19Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
19ทามาร์ก็เอาขี้เถ้าใส่ที่ศีรษะของเธอ และฉีกเสื้อยาวหลากสีที่เธอสวมอยู่นั้นเสีย เอามือกุมศีรษะเดินพลางร้องครวญไปพลาง
20Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
20อับซาโลมเชษฐาของเธอก็กล่าวกับเธอว่า "อัมโนนเชษฐาได้อยู่กับน้องหรือเปล่า แต่น้องเอ๋ย บัดนี้น้องจงนิ่งเสียเถิด เพราะเขาเป็นพี่ชายของเจ้า อย่าไปคิดถึงเรื่องนี้เลย" ฝ่ายทามาร์จึงอยู่อย่างเดียวดายในวังของอับซาโลมเชษฐา
21Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
21เมื่อกษัตริย์ดาวิดทรงได้ยินเรื่องเหล่านี้ทั้งสิ้น พระองค์ก็กริ้วยิ่งนัก
22Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
22แต่อับซาโลมมิได้ตรัสประการใดกับอัมโนนเลยไม่ว่าดีหรือร้าย เพราะอับซาโลมเกลียดชังอัมโนน เหตุที่ท่านได้ข่มขืนทามาร์น้องหญิงของท่าน
23Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.
23ต่อมาอีกสองปีเต็ม อับซาโลมมีงานตัดขนแกะที่ตำบลบาอัลฮาโซร์ ซึ่งอยู่ใกล้เอฟราอิม และอับซาโลมได้เชิญโอรสทั้งสิ้นของกษัตริย์ไปในงานนั้น
24Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
24อับซาโลมไปเฝ้ากษัตริย์ทูลว่า "ดูเถิด ข้าพระองค์มีงานตัดขนแกะ ขอเชิญกษัตริย์และมหาดเล็กของพระองค์ไปในงานนั้นกับข้าพระองค์"
25Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
25แต่กษัตริย์ตรัสกับอับซาโลมว่า "ลูกเอ๋ย อย่าเลย อย่าให้พวกเราไปกันหมดเลย จะเป็นภาระแก่เจ้าเปล่าๆ" อับซาโลมคะยั้นคะยอพระองค์ ถึงกระนั้นพระองค์มิได้ยอมเสด็จ แต่ทรงอำนวยพระพรให้
26Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
26อับซาโลมจึงกราบทูลว่า "ถ้าไม่โปรดเสด็จก็ขออนุญาตให้พระเชษฐาอัมโนนไปด้วยกันเถิด" และกษัตริย์ตรัสถามว่า "ทำไมเขาต้องไปกับเจ้าด้วย"
27Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
27แต่อับซาโลมทูลคะยั้นคะยอจนพระองค์ทรงยอมให้อัมโนนและราชโอรสของกษัตริย์ทั้งสิ้นไปด้วย
28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
28แล้วอับซาโลมบัญชามหาดเล็กของท่านว่า "จงคอยดูว่าจิตใจของอัมโนนเพลิดเพลินด้วยเหล้าองุ่นเมื่อไร เมื่อเราสั่งเจ้าว่า `จงตีอัมโนน' เจ้าทั้งหลายจงฆ่าเขาเสีย อย่ากลัวเลย เราบัญชาเจ้าแล้วมิใช่หรือ จงกล้าหาญและเป็นคนเก่งกล้าเถิด"
29Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
29และมหาดเล็กของอับซาโลมก็กระทำกับอัมโนนตามที่อับซาโลมได้บัญชาไว้ แล้วบรรดาราชโอรสของกษัตริย์ก็พากันลุกขึ้นทรงล่อของแต่ละองค์หนีไปสิ้น
30Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
30ต่อมาขณะเมื่อราชโอรสได้ดำเนินอยู่ตามทาง มีข่าวไปถึงดาวิดว่า "อับซาโลมได้ประหารราชโอรสของกษัตริย์หมดแล้ว ไม่เหลืออยู่สักองค์เดียว"
31Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
31กษัตริย์ทรงลุกขึ้นฉีกฉลองพระองค์ และทรงบรรทมบนพื้นดิน บรรดาข้าราชการทั้งสิ้นสวมเสื้อผ้าฉีกขาดยืนเฝ้าอยู่
32Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny.
32แต่โยนาดับบุตรชายชิเมอาห์เชษฐาของดาวิดกราบทูลว่า "ขออย่าให้เจ้านายของข้าพระองค์สำคัญผิดไปว่า เขาได้ประหารราชโอรสหนุ่มแน่นเหล่านั้นหมดแล้ว เพราะว่าอัมโนนสิ้นชีวิตแต่ผู้เดียว เพราะตามบัญชาของอับซาโลมเรื่องนี้ท่านตั้งใจไว้แต่ครั้งที่อัมโนนข่มขืนทามาร์น้องหญิงของท่านแล้ว
33Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
33ฉะนั้นบัดนี้ขอกษัตริย์เจ้านายของข้าพระองค์อย่าได้ร้อนพระทัย ด้วยสำคัญว่าราชโอรสทั้งหมดของกษัตริย์สิ้นชีวิต เพราะอัมโนนสิ้นชีพแต่ผู้เดียว"
34Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
34แต่อับซาโลมได้หนีไป ฝ่ายทหารยามหนุ่มเงยหน้าขึ้นมองดู ดูเถิด ประชาชนเป็นอันมากกำลังมาทางข้างๆภูเขาซึ่งอยู่ข้างหลังเขา
35Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa.
35โยนาดับจึงกราบทูลกษัตริย์ว่า "ดูเถิด ราชโอรสของกษัตริย์กำลังดำเนินมาแล้ว ตามที่ผู้รับใช้ของพระองค์กราบทูลก็เป็นจริงดังนั้น"
36Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
36อยู่มาเมื่อเขาพูดจบลง ดูเถิด ราชโอรสของกษัตริย์ก็มาถึง และได้ร้องไห้เสียงดัง ฝ่ายกษัตริย์ก็กันแสง และบรรดาข้าราชการก็ร้องไห้สะอึกสะอื้นด้วย
37Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
37อับซาโลมได้หนีไปเข้าเฝ้าทัลมัย โอรสของอัมมีฮูด กษัตริย์เมืองเกชูร์ แต่ดาวิดทรงไว้ทุกข์ให้ราชโอรสของพระองค์วันแล้ววันเล่า
38Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma]
38ฝ่ายอับซาโลมก็หนีไปยังเมืองเกชูร์ และทรงอยู่ที่นั่นสามปี
39Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma]
39กษัตริย์ดาวิดก็ทรงตรอมพระทัยอาลัยถึงอับซาโลม เพราะการที่ทรงคิดถึงอัมโนนนั้นค่อยคลายลง ด้วยท่านสิ้นชีพแล้ว