1[Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
1After these things the word of Yahweh came to Abram in a vision, saying, “Don’t be afraid, Abram. I am your shield, your exceedingly great reward.”
2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
2Abram said, “Lord The word translated “Lord” is “Adonai.” Yahweh, what will you give me, since I go childless, and he who will inherit my estate is Eliezer of Damascus?”
3Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
3Abram said, “Behold, to me you have given no seed: and, behold, one born in my house is my heir.”
4Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
4Behold, the word of Yahweh came to him, saying, “This man will not be your heir, but he who will come out of your own body will be your heir.”
5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
5Yahweh brought him outside, and said, “Look now toward the sky, and count the stars, if you are able to count them.” He said to Abram, “So shall your seed be.”
6Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
6He believed in Yahweh; and he reckoned it to him for righteousness.
7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
7He said to him, “I am Yahweh who brought you out of Ur of the Chaldees, to give you this land to inherit it.”
8Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
8He said, “Lord Yahweh, how will I know that I will inherit it?”
9Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
9He said to him, “Bring me a heifer three years old, a female goat three years old, a ram three years old, a turtledove, and a young pigeon.”
10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
10He brought him all of these, and divided them in the middle, and laid each half opposite the other; but he didn’t divide the birds.
11Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
11The birds of prey came down on the carcasses, and Abram drove them away.
12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
12When the sun was going down, a deep sleep fell on Abram. Now terror and great darkness fell on him.
13Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
13He said to Abram, “Know for sure that your seed will live as foreigners in a land that is not theirs, and will serve them. They will afflict them four hundred years.
14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
14I will also judge that nation, whom they will serve. Afterward they will come out with great wealth,
15Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
15but you will go to your fathers in peace. You will be buried in a good old age.
16Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
16In the fourth generation they will come here again, for the iniquity of the Amorite is not yet full.”
17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
17It came to pass that, when the sun went down, and it was dark, behold, a smoking furnace, and a flaming torch passed between these pieces.
18Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
18In that day Yahweh made a covenant with Abram, saying, “To your seed I have given this land, from the river of Egypt to the great river, the river Euphrates:
19dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
19the Kenites, the Kenizzites, the Kadmonites,
20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaitaary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
20the Hittites, the Perizzites, the Rephaim,
21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
21the Amorites, the Canaanites, the Girgashites, and the Jebusites.”