Malagasy

World English Bible

Genesis

16

1[Ny nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
1Now Sarai, Abram’s wife, bore him no children. She had a handmaid, an Egyptian, whose name was Hagar.
2Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
2Sarai said to Abram, “See now, Yahweh has restrained me from bearing. Please go in to my handmaid. It may be that I will obtain children by her.” Abram listened to the voice of Sarai.
3Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
3Sarai, Abram’s wife, took Hagar the Egyptian, her handmaid, after Abram had lived ten years in the land of Canaan, and gave her to Abram her husband to be his wife.
4Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
4He went in to Hagar, and she conceived. When she saw that she had conceived, her mistress was despised in her eyes.
5Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
5Sarai said to Abram, “This wrong is your fault. I gave my handmaid into your bosom, and when she saw that she had conceived, I was despised in her eyes. Yahweh judge between me and you.”
6Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
6But Abram said to Sarai, “Behold, your maid is in your hand. Do to her whatever is good in your eyes.” Sarai dealt harshly with her, and she fled from her face.
7Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora.
7The angel of Yahweh found her by a fountain of water in the wilderness, by the fountain in the way to Shur.
8Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
8He said, “Hagar, Sarai’s handmaid, where did you come from? Where are you going?” She said, “I am fleeing from the face of my mistress Sarai.”
9Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
9The angel of Yahweh said to her, “Return to your mistress, and submit yourself under her hands.”
10Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
10The angel of Yahweh said to her, “I will greatly multiply your seed, that they will not be numbered for multitude.”
11Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
11The angel of Yahweh said to her, “Behold, you are with child, and will bear a son. You shall call his name Ishmael, because Yahweh has heard your affliction.
12Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
12He will be like a wild donkey among men. His hand will be against every man, and every man’s hand against him. He will live opposite all of his brothers.”
13Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
13She called the name of Yahweh who spoke to her, “You are a God who sees,” for she said, “Have I even stayed alive after seeing him?”
14Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
14Therefore the well was called Beer Lahai Roi. Behold, it is between Kadesh and Bered.
15Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
15Hagar bore a son for Abram. Abram called the name of his son, whom Hagar bore, Ishmael.
16Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
16Abram was eighty-six years old when Hagar bore Ishmael to Abram.