1Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
1When Rachel saw that she bore Jacob no children, Rachel envied her sister. She said to Jacob, “Give me children, or else I will die.”
2Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
2Jacob’s anger was kindled against Rachel, and he said, “Am I in God’s place, who has withheld from you the fruit of the womb?”
3Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
3She said, “Behold, my maid Bilhah. Go in to her, that she may bear on my knees, and I also may obtain children by her.”
4Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
4She gave him Bilhah her handmaid as wife, and Jacob went in to her.
5Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
5Bilhah conceived, and bore Jacob a son.
6Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
6Rachel said, “God has judged me, and has also heard my voice, and has given me a son.” Therefore called she his name Dan.
7Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
7Bilhah, Rachel’s handmaid, conceived again, and bore Jacob a second son.
8Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
8Rachel said, “With mighty wrestlings have I wrestled with my sister, and have prevailed.” She named him Naphtali.
9Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
9When Leah saw that she had finished bearing, she took Zilpah, her handmaid, and gave her to Jacob as a wife.
10Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
10Zilpah, Leah’s handmaid, bore Jacob a son.
11Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
11Leah said, “How fortunate!” She named him Gad.
12Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
12Zilpah, Leah’s handmaid, bore Jacob a second son.
13Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
13Leah said, “Happy am I, for the daughters will call me happy.” She named him Asher.
14Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
14Reuben went in the days of wheat harvest, and found mandrakes in the field, and brought them to his mother, Leah. Then Rachel said to Leah, “Please give me some of your son’s mandrakes.”
15Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
15She said to her, “Is it a small matter that you have taken away my husband? Would you take away my son’s mandrakes, also?” Rachel said, “Therefore he will lie with you tonight for your son’s mandrakes.”
16Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
16Jacob came from the field in the evening, and Leah went out to meet him, and said, “You must come in to me; for I have surely hired you with my son’s mandrakes.” He lay with her that night.
17Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
17God listened to Leah, and she conceived, and bore Jacob a fifth son.
18Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
18Leah said, “God has given me my hire, because I gave my handmaid to my husband.” She named him Issachar.
19Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
19Leah conceived again, and bore a sixth son to Jacob.
20Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
20Leah said, “God has endowed me with a good dowry. Now my husband will live with me, because I have borne him six sons.” She named him Zebulun.
21Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
21Afterwards, she bore a daughter, and named her Dinah.
22Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
22God remembered Rachel, and God listened to her, and opened her womb.
23Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
23She conceived, bore a son, and said, “God has taken away my reproach.”
24Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
24She named him Joseph, Joseph means “may he add.” saying, “May Yahweh add another son to me.”
25[Ny fanekena hafa koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
25It happened, when Rachel had borne Joseph, that Jacob said to Laban, “Send me away, that I may go to my own place, and to my country.
26Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
26Give me my wives and my children for whom I have served you, and let me go; for you know my service with which I have served you.”
27Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
27Laban said to him, “If now I have found favor in your eyes, stay here, for I have divined that Yahweh has blessed me for your sake.”
28Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
28He said, “Appoint me your wages, and I will give it.”
29Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko.
29He said to him, “You know how I have served you, and how your livestock have fared with me.
30Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
30For it was little which you had before I came, and it has increased to a multitude. Yahweh has blessed you wherever I turned. Now when will I provide for my own house also?”
31Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
31He said, “What shall I give you?” Jacob said, “You shall not give me anything. If you will do this thing for me, I will again feed your flock and keep it.
32Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
32I will pass through all your flock today, removing from there every speckled and spotted one, and every black one among the sheep, and the spotted and speckled among the goats. This will be my hire.
33Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
33So my righteousness will answer for me hereafter, when you come concerning my hire that is before you. Every one that is not speckled and spotted among the goats, and black among the sheep, that might be with me, will be counted stolen.”
34Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
34Laban said, “Behold, let it be according to your word.”
35Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
35That day, he removed the male goats that were streaked and spotted, and all the female goats that were speckled and spotted, every one that had white in it, and all the black ones among the sheep, and gave them into the hand of his sons.
36Ary nasiany lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
36He set three days’ journey between himself and Jacob, and Jacob fed the rest of Laban’s flocks.
37Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
37Jacob took to himself rods of fresh poplar, almond, plane tree, peeled white streaks in them, and made the white appear which was in the rods.
38Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
38He set the rods which he had peeled opposite the flocks in the gutters in the watering-troughs where the flocks came to drink. They conceived when they came to drink.
39Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
39The flocks conceived before the rods, and the flocks produced streaked, speckled, and spotted.
40Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
40Jacob separated the lambs, and set the faces of the flocks toward the streaked and all the black in the flock of Laban: and he put his own droves apart, and didn’t put them into Laban’s flock.
41Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
41It happened, whenever the stronger of the flock conceived, that Jacob laid the rods before the eyes of the flock in the gutters, that they might conceive among the rods;
42Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
42but when the flock were feeble, he didn’t put them in. So the feebler were Laban’s, and the stronger Jacob’s.
43Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
43The man increased exceedingly, and had large flocks, female servants and male servants, and camels and donkeys.