Malagasy

World English Bible

Genesis

31

1[Ny nandosiran'i Jakoba avy tany Mesopotamia hody any Kanana] Ary Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
1He heard the words of Laban’s sons, saying, “Jacob has taken away all that was our father’s. From that which was our father’s, has he gotten all this wealth.”
2Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
2Jacob saw the expression on Laban’s face, and, behold, it was not toward him as before.
3Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho.
3Yahweh said to Jacob, “Return to the land of your fathers, and to your relatives, and I will be with you.”
4Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman'osiny
4Jacob sent and called Rachel and Leah to the field to his flock,
5ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
5and said to them, “I see the expression on your father’s face, that it is not toward me as before; but the God of my father has been with me.
6Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
6You know that I have served your father with all of my strength.
7Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
7Your father has deceived me, and changed my wages ten times, but God didn’t allow him to hurt me.
8Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.
8If he said this, ‘The speckled will be your wages,’ then all the flock bore speckled. If he said this, ‘The streaked will be your wages,’ then all the flock bore streaked.
9Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.
9Thus God has taken away your father’s livestock, and given them to me.
10Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.
10It happened during mating season that I lifted up my eyes, and saw in a dream, and behold, the male goats which leaped on the flock were streaked, speckled, and grizzled.
11Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra ta­miko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
11The angel of God said to me in the dream, ‘Jacob,’ and I said, ‘Here I am.’
12Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
12He said, ‘Now lift up your eyes, and behold, all the male goats which leap on the flock are streaked, speckled, and grizzled, for I have seen all that Laban does to you.
13Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.
13I am the God of Bethel, where you anointed a pillar, where you vowed a vow to me. Now arise, get out from this land, and return to the land of your birth.’”
14Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?
14Rachel and Leah answered him, “Is there yet any portion or inheritance for us in our father’s house?
15Tsy natao­ny toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
15Aren’t we accounted by him as foreigners? For he has sold us, and has also quite devoured our money.
16Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.
16For all the riches which God has taken away from our father, that is ours and our children’s. Now then, whatever God has said to you, do.”
17Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
17Then Jacob rose up, and set his sons and his wives on the camels,
18dia ni­tondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.
18and he took away all his livestock, and all his possessions which he had gathered, including the livestock which he had gained in Paddan Aram, to go to Isaac his father, to the land of Canaan.
19Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman'osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
19Now Laban had gone to shear his sheep: and Rachel stole the teraphim that were her father’s.
20Ary Jakoba dia nangala-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin'ny handosirany.
20Jacob deceived Laban the Syrian, in that he didn’t tell him that he was running away.
21Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
21So he fled with all that he had. He rose up, passed over the River, and set his face toward the mountain of Gilead.
22Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
22Laban was told on the third day that Jacob had fled.
23Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
23He took his relatives with him, and pursued after him seven days’ journey. He overtook him in the mountain of Gilead.
24Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
24God came to Laban, the Syrian, in a dream of the night, and said to him, “Take heed to yourself that you don’t speak to Jacob either good or bad.”
25Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada.
25Laban caught up with Jacob. Now Jacob had pitched his tent in the mountain, and Laban with his relatives encamped in the mountain of Gilead.
26Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra?
26Laban said to Jacob, “What have you done, that you have deceived me, and carried away my daughters like captives of the sword?
27Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin'ny fifaliana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga,
27Why did you flee secretly, and deceive me, and didn’t tell me, that I might have sent you away with mirth and with songs, with tambourine and with harp;
28sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
28and didn’t allow me to kiss my sons and my daughters? Now have you done foolishly.
29Manan­kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
29It is in the power of my hand to hurt you, but the God of your father spoke to me last night, saying, ‘Take heed to yourself that you don’t speak to Jacob either good or bad.’
30Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro ?
30Now, you want to be gone, because you greatly longed for your father’s house, but why have you stolen my gods?”
31Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
31Jacob answered Laban, “Because I was afraid, for I said, ‘Lest you should take your daughters from me by force.’
32Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
32Anyone you find your gods with shall not live. Before our relatives, discern what is yours with me, and take it.” For Jacob didn’t know that Rachel had stolen them.
33Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
33Laban went into Jacob’s tent, into Leah’s tent, and into the tent of the two female servants; but he didn’t find them. He went out of Leah’s tent, and entered into Rachel’s tent.
34Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.
34Now Rachel had taken the teraphim, put them in the camel’s saddle, and sat on them. Laban felt about all the tent, but didn’t find them.
35Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
35She said to her father, “Don’t let my lord be angry that I can’t rise up before you; for I’m having my period.” He searched, but didn’t find the teraphim.
36Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
36Jacob was angry, and argued with Laban. Jacob answered Laban, “What is my trespass? What is my sin, that you have hotly pursued after me?
37Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
37Now that you have felt around in all my stuff, what have you found of all your household stuff? Set it here before my relatives and your relatives, that they may judge between us two.
38Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho.
38“These twenty years I have been with you. Your ewes and your female goats have not cast their young, and I haven’t eaten the rams of your flocks.
39Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
39That which was torn of animals, I didn’t bring to you. I bore its loss. Of my hand you required it, whether stolen by day or stolen by night.
40Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
40This was my situation: in the day the drought consumed me, and the frost by night; and my sleep fled from my eyes.
41Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman'osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
41These twenty years I have been in your house. I served you fourteen years for your two daughters, and six years for your flock, and you have changed my wages ten times.
42Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay natahoran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina.
42Unless the God of my father, the God of Abraham, and the fear of Isaac, had been with me, surely now you would have sent me away empty. God has seen my affliction and the labor of my hands, and rebuked you last night.”
43Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman'osy ireo dia ondry aman'osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany?
43Laban answered Jacob, “The daughters are my daughters, the children are my children, the flocks are my flocks, and all that you see is mine: and what can I do this day to these my daughters, or to their children whom they have borne?
44Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
44Now come, let us make a covenant, you and I; and let it be for a witness between me and you.”
45Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
45Jacob took a stone, and set it up for a pillar.
46Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra.
46Jacob said to his relatives, “Gather stones.” They took stones, and made a heap. They ate there by the heap.
47Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
47Laban called it Jegar Sahadutha, but Jacob called it Galeed.
48Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
48Laban said, “This heap is witness between me and you this day.” Therefore it was named Galeed
49Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
49and Mizpah, for he said, “Yahweh watch between me and you, when we are absent one from another.
50Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
50If you afflict my daughters, or if you take wives besides my daughters, no man is with us; behold, God is witness between me and you.”
51Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
51Laban said to Jacob, “See this heap, and see the pillar, which I have set between me and you.
52dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
52May this heap be a witness, and the pillar be a witness, that I will not pass over this heap to you, and that you will not pass over this heap and this pillar to me, for harm.
53Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba.Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
53The God of Abraham, and the God of Nahor, the God of their father, judge between us.” Then Jacob swore by the fear of his father, Isaac.
54Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
54Jacob offered a sacrifice in the mountain, and called his relatives to eat bread. They ate bread, and stayed all night in the mountain.
55Early in the morning, Laban rose up, and kissed his sons and his daughters, and blessed them. Laban departed and returned to his place.