1[Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
1The lot came out for the children of Joseph from the Jordan at Jericho, at the waters of Jericho on the east, even the wilderness, going up from Jericho through the hill country to Bethel.
2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
2It went out from Bethel to Luz, and passed along to the border of the Archites to Ataroth;
3dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
3and it went down westward to the border of the Japhletites, to the border of Beth Horon the lower, even to Gezer; and ended at the sea.
4Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
4The children of Joseph, Manasseh and Ephraim, took their inheritance.
5Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
5This was the border of the children of Ephraim according to their families. The border of their inheritance eastward was Ataroth Addar, to Beth Horon the upper.
6Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
6The border went out westward at Michmethath on the north. The border turned about eastward to Taanath Shiloh, and passed along it on the east of Janoah.
7dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
7It went down from Janoah to Ataroth, to Naarah, reached to Jericho, and went out at the Jordan.
8Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
8From Tappuah the border went along westward to the brook of Kanah; and ended at the sea. This is the inheritance of the tribe of the children of Ephraim according to their families;
9mbamin'ny tanàna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
9together with the cities which were set apart for the children of Ephraim in the midst of the inheritance of the children of Manasseh, all the cities with their villages.
10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
10They didn’t drive out the Canaanites who lived in Gezer; but the Canaanites dwell in the midst of Ephraim to this day, and have become servants to do forced labor.