Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

10

1Filistejci pa so se bojevali z Izraelom; in možje Izraelovi so zbežali pred Filistejci in so padali pobiti na gorovju Gilboi.
1[Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2In Filistejci so bili trdo za petami Savlu in sinom njegovim, in Filistejci so pobili Jonatana, Abinadaba in Malhisua, sinove Savlove.
2Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.
3In bitka je hudo pritiskala na Savla, in lokostrelci so ga dohiteli, in trepetal je pred strelci.
3Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4Tedaj veli Savel svojemu oprodi: Izderi meč svoj in me ž njim prebodi, da ne pridejo ti neobrezanci ter si smeh napravijo z menoj. Ali njegov oproda ni hotel, ker se je silno bal. Zato vzame Savel meč svoj in se nasadi nanj.
4Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5Ko pa vidi njegov oproda, da je Savel mrtev, se nasadi tudi on na svoj meč in umre.
5Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.
6Tako je umrl Savel in trije sinovi njegovi; in vsa družina njegova je umrla skupaj.
6Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7Ko so pa videli možje Izraelovi, ki so bili v dolini, da bežé ter da so Savel in sinovi njegovi mrtvi, zapuste svoja mesta in zbeže. In Filistejci so prišli in se nastanili v njih.
7Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8Zgodi se pa drugi dan, ko pridejo Filistejci slačit pobite, da najdejo Savla in sinove njegove na gorovju Gilboi.
8Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9In ga slečejo ter vzemo glavo njegovo in orožje njegovo in pošljejo po deželi Filistejcev kroginkrog, da se ta vesela vest oznani njih malikom in ljudstvu.
9Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.
10In orožje njegovo razpoložé v hiši bogov svojih, njegovo lobanjo pa pribijejo v hiši Dagonovi.
10Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.
11Ko so pa slišali vsi v Gileadskem Jabesu vse, kar so bili storili Filistejci Savlu,
11Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
12se vzdignejo vsi vojščaki in vzamejo truplo Savlovo in trupla sinov njegovih in jih prineso v Jabes. In pokopali so njih kosti pod hrastom v Jabesu in se postili sedem dni.
12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
13In tako je umrl Savel v nezvestobi svoji, ki se je ž njo izneveril GOSPODU, zoper besedo GOSPODOVO, ki je ni izpolnil, pa tudi zato, ker je poiskal rotilko mrtvih, da jo je vprašal,GOSPODA pa ni vprašal. Zato ga je usmrtil in naklonil je kraljestvo Davidu, sinu Jesejevemu.
13Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatraary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.
14GOSPODA pa ni vprašal. Zato ga je usmrtil in naklonil je kraljestvo Davidu, sinu Jesejevemu.
14ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.