Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

11

1Tedaj se zbere ves Izrael pri Davidu v Hebronu in reko: Glej, kost smo tvoja in meso tvoje.
1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka handimby an'i Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
2In v prejšnjih časih, ko je kraljeval Savel, si vodil ti ven in noter Izraela; in GOSPOD, Bog tvoj, je rekel tebi: Ti boš pasel ljudstvo moje Izraela in ti bodeš vojvoda ljudstvu mojemu Izraelu.
2Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3Tako so prišli vsi starejšine Izraelovi h kralju v Hebron, in David je sklenil zavezo ž njimi v Hebronu pred GOSPODOM. In pomazilili so Davida za kralja Izraelu, soglasno z besedo GOSPODOVO po Samuelu.
3Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.
4In David in ves Izrael so šli v Jeruzalem (to je Jebus); ondi so bili Jebusejci, prebivalci dežele.
4Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5In prebivalci v Jebusu so rekli Davidu: Ne prideš sem noter. Vendar pa je David zavzel grad Sion, to je mesto Davidovo.
5Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
6In David je rekel: Kdorkoli udari Jebusejce prvi, bode poglavar in poveljnik. In Joab, sin Zervijin, je zlezel gori prvi, in postal je poglavar.
6Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7In David se je nastanil v gradu, zato so ga imenovali mesto Davidovo.
7Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
8In obzidal je mesto, od Mila in krog, do koder je segalo. Joab pa je popravil drugo po mestu.
8Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.[Heb. fiarovana]
9In David je bolj in bolj napredoval, zakaj GOSPOD nad vojskami je bil ž njim.
9Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
10Ti pa so prvi izmed junakov, ki jih je imel David in ki so mu bili vrli pomočniki v kraljestvu njegovem z vsem Izraelom vred, da ga postavijo za kralja po besedi GOSPODOVI o Izraelu.
10[Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
11In to je število junakov, ki jih je imel David: Jasobeam, sin Hakmonija, prvi iz tridesetih; on je vzdignil sulico svojo zoper tristo in jih je pobil naenkrat.
11Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
12In za njim je bil Eleazar, sin Dodov, Ahohovec, eden izmed treh junakov.
12Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
13On je bil z Davidom v Pasdamimu, in ondi so bili Filistejci zbrani na boj; bil pa je tam kos njive, poln ječmena, in ljudstvo je bežalo izpred Filjstejcev.
13Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14In postavita se sredi zemljišča in ga obranita ter pobijeta Filistejce; in GOSPOD jih je rešil z zmago veliko.
14Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15In trije izmed tridesetih načelnikov so šli doli v skalo k Davidu, v Adulamsko votlino; in vojska Filistejcev je bila utaborjena v dolini Rafaimov.
15Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
16In David je bil takrat v trdnjavi, in straža Filistejcev je takrat bila v Betlehemu.
16Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17In Davida je obšla želja in je rekel: O da bi mi kdo dal piti vode iz studenca v Betlehemu, ki je pri vratih!
17Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.
18In ti trije so predrli skozi tabor Filistejcev in zajeli vode iz studenca v Betlehemu, ki je bil pri vratih, in so jo vzeli in prinesli Davidu. A David je ni hotel piti, temuč jo je izlil kot daritev GOSPODU
18Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
19in je rekel: Bog mi ne daj, da bi to storil! Naj li pijem kri teh mož, ki so vnemar pustili življenje svoje? kajti z nevarnostjo svojega življenja so jo prinesli sem! Zato je ni hotel piti. To so storili ti trije junaki.
19Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
20In Abisaj, brat Joabov, je bil glava drugim trem; zakaj mahnil je s sulico svojo po treh sto in jih je pobil; in imel je sloveče ime med temi tremi.
20Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
21Izmed teh treh druge vrste je bil najbolj slaven in jim je postal poveljnik; toda prvih treh ni dosegel.
21Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
22Benaja, sin Jojadov, sin hrabrega; moža iz Kabzeela, ki je bil storil velika dela, ta je ubil dva sina Ariela iz Moaba; ta je stopil tudi doli v jamo in ubil leva v njej, ko je bil sneg.
22Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]
23In ubil je Egipčana, moža visoke postave, pet komolcev dolgega, in Egipčan je imel v roki sulico kakor tkalčje vratilo, a on je šel doli k njemu s palico in iztrgal sulico Egipčanu iz roke ter ga prebodel z lastno sulico njegovo.
23Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24To je storil Benaja, sin Jojadov, in je imel sloveče ime med temi tremi junaki.
24Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25Glej, on je bil slavnejši nego tistih trideset, ali prvih treh ni dosegel; in David ga je postavil med svoje svetovalce.
25Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
26In junaki v vojskah so bili: Asahel, brat Joabov, Elhanan, sin Dodov iz Betlehema,
26Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
27Samot Harorčan, Helez Pelonjan,
27sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28Ira, sin Ikešev, Tekojčan, Abiezer Anatotčan,
28sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita
29Sibekaj Husajec, Ilaj Ahohovec,
29sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30Maharaj Netofatčan, Heled Netofatčan, sin Baanov,
30sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,
31Itaj, sin Ribajev iz Gibee sinov Benjaminovih, Benaja Piratončan,
31sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32Huraj od potokov v Gaasu, Abiel Arbatski,
32sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita
33Azmavet Baharumčan, Eljahba Salbončan,
33sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34sinovi Hasema Gizonca, Jonatan, sin Sageja Hararovca,
34sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,
35Ahiam, sin Sakarja Hararovca, Elifal, sin Urov,
35sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,
36Hefer Mekerajec, Ahija Pelonjan,
36sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37Hezro Karmelčan, Naaraj, sin Ezbajev,
37sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,
38Joel, brat Natanov, Mibhar, sin Hagrijev,
38sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.
39Zelek Amonec, Naharaj Berotčan, oproda Joaba, sinu Zervijinega,
39sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
40Ira Jitričan, Gareb Jitričan,
40sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
41Urija Hetejec, Zabad, sin Ahlajev,
41sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,
42Adina, sin Sizov, Rubenovec, načelnik Rubenovcev in tridesetih ž njim,
42sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
43Hanan, sin Maake, Josafat Mitnejec,
43sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita
44Uzija Astarotčan, Sama in Jegiel, sinova Hotama Aroerskega,
44sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,
45Jediael, sin Simrijev, in brat njegov Joha Tizijčan,
45sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46Eliel Mahavim, Jeribaj in Josavija, sinova Elnaama, in Itma Moabec,Eliel in Obed in Jaasiel Mezobajan.
46sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabitasy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.
47Eliel in Obed in Jaasiel Mezobajan.
47sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.