1In ti so, ki so prišli k Davidu v Ziklag, ko se je še skrival pred Savlom, sinom Kisovim; in bili so tudi med junaki, ki so mu pomagali v boju,
1[Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo
2oboroženi z loki, in so z desno in levo roko s prač metali kamenje in pšice streljali z loka; bili so pa od bratov Savlovih, iz Benjamina.
2sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.
3Načelnik jim je bil Ahiezer, potem Joas, sinova Semaa Gibeatčana; Jeziel in Pelet, sinova Azmavetova; Beraka in Jehu Anatotčan,
3Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
4Ismaja Gibeončan, korenjak med tridesetimi in njih poveljnik; Jeremija, Jahaziel, Johanan, Jozabad Gederčan;
4ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5Eluzaj, Jerimot, Bealija, Semarija, Sefatija Harufjan;
5sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6Elkana, Išija, Azarel, Joezer in Jasobeam, Korahovci;
6sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
7in Joela in Zebadija, sinova Jerohama iz Gedorja.
7ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
8Tudi izmed Gadovcev so se ločili nekateri, da bi bili z Davidom na trdnjavi v puščavi, hrabri junaki, izurjeni za vojsko, ki so bili spretni s ščitom in sulico, katerih obličja so bila kakor levja in ki so bili hitri kakor srne v gorah:
8Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]
9Ezer, prvi, Obadija, drugi, Eliab, tretji,
9Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
10Mismana, četrti, Jeremija, peti,
10Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
11Ataj, šesti, Eliel, sedmi,
11Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
12Johanan, osmi, Elzabad, deveti,
12Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
13Jeremija, deseti, Makbanaj, enajsti.
13Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
14Ti, izmed sinov Gadovih, so bili poveljniki vojski; najmanjšega je bilo šteti za sto, največjega pa za tisoč.
14Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
15Ti so, ki so šli čez Jordan v prvem mesecu, kadar navadno stopa čez vse svoje bregove, in zapodili so v beg vse prebivalce po dolinah, proti jutru in proti zahodu.
15Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
16In prišli so nekateri iz sinov Benjaminovih in Judovih v trdnjavo k Davidu.
16Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.
17In David jim gre ven naproti in izpregovori ter jim reče: Ako ste prišli v miru k meni, da mi pomagate, se sklene srce moje z vami; ako ste pa prišli izdajat me mojim nasprotnikom, ko vendar ni krivice v rokah mojih, poglej to očetov naših Bog in kaznuj!
17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
18Tedaj pride duh nad Amasaja, ki je bil poglavar med trideseterimi, in reče: Tvoji smo, David, in na tvoji strani, sin Jesejev! Mir, mir bodi tebi in mir tvojim pomočnikom, kajti Bog tvoj ti pomaga! Nato jih David sprejme in jih postavi za poglavarje trumi.
18Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]
19Od Manaseja so tudi nekateri uskočili k Davidu, ko je prišel s Filistejci bojevat se zoper Savla, a ni jim smel pomagati, zakaj knezi Filistejcev so ga odslovili, ko so se bili posvetovali, rekoč: Za glavo bi nam šlo, ko bi uskočil h gospodu svojemu Savlu!
19Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.
20Ko je nato šel v Ziklag, so uskočili k njemu od Manaseja: Adnah, Jozabad, Jediael, Mihael, Jozabad, Elihu in Ziletaj, poveljniki tisočim Manasejevim.
20Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
21In pomagali so Davidu zoper roparske čete, zakaj vsi so bili hrabri junaki; in postali so vojni poveljniki.
21Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.
22Dan za dnevom so namreč prihajali nekateri k Davidu mu pomagat, da je bila velika vojska, kakor vojska Božja.
22Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.
23In to so števila glav tistih, ki so bili oboroženi za vojsko in so prišli k Davidu v Hebron, da mu naklonijo kraljestvo Savlovo po povelju GOSPODOVEM.
23[Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:
24Sinov Judovih, ki so nosili ščit in sulico, jo bilo šest tisoč osemsto, oboroženih za vojsko.
24Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
25Od sinov Simeonovih: vrlih junakov za vojsko sedem tisoč in sto.
25Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.
26Od sinov Levijevih: štiri tisoč in šeststo.
26Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
27In Jojada je bil vojvoda med Aronovimi in ž njim jih je bilo tri tisoč in sedemsto;
27Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
28in Zadok mladenič, hrabri junak, in iz družine očeta njegovega dvajsetindva poveljnika.
28ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
29In od sinov Benjaminovih, bratov Savlovih: tri tisoč; kajti do takrat se je večina zvesto držala hiše Savlove.
29Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.
30In od sinov Efraimovih: dvajset tisoč in osemsto hrabrih junakov in slovečih mož v hišah očetov svojih.
30Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.
31In od polovice rodu Manasejevega: osemnajst tisoč, ki so bili določeni po imenih, naj gredo in postavijo Davida za kralja.
31Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.
32In od sinov Isaharjevih: možje, ki so imeli razsodnost glede časov, da bi vedeli, kaj ima Izrael storiti, njih poglavarjev je bilo dvesto, in vsi njih bratje so bili pod njih poveljem.
32Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
33Od Zebulona tistih, ki so hodili na vojsko in se postavljali v bojne vrste z raznovrstnim vojnim orožjem, je bilo petdeset tisoč, pripravljenih, uvrstiti se v boj z nerazdeljenim srcem.
33Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.
34In od Neftalija tisoč poveljnikov, in ž njimi nosečih ščit in sulico sedemintrideset tisoč.
34Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.
35In od Danovcev, zmožnih, postaviti se v bojne vrste: osemindvajset tisoč in šeststo.
35Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
36In od Aserja štirideset tisoč, zmožnih iti na vojsko, da se postavijo v bojne vrste.
36Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
37In z druge strani Jordana, od Rubenovcev in Gadovcev in od polovice rodu Manasejevega, z raznovrstnim bojnim orožjem: stoindvajset tisoč.
37Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
38Vsi ti vojščaki, zmožni, postaviti se v bojne vrste, so prišli z nerazdeljenim srcem v Hebron, da postavijo Davida za kralja vsemu Izraelu. Pa tudi vsi drugi v Izraelu so bili enega srca, da postavijo Davida za kralja.
38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.
39In bili so tam pri Davidu tri dni, in jedli so in pili, kajti njih bratje so jim bili pripravili.Tudi so prinesli tisti, ki so bivali bliže, celó od Isaharja, Zebulona in Neftalija, na oslih in na velblodih in na mezgih in na volih kruha in močnatih jedi, gruče smokev, suhega grozdja, vina in olja, govedi in drobnice obilo; kajti radost je bila v Izraelu.
39Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
40Tudi so prinesli tisti, ki so bivali bliže, celó od Isaharja, Zebulona in Neftalija, na oslih in na velblodih in na mezgih in na volih kruha in močnatih jedi, gruče smokev, suhega grozdja, vina in olja, govedi in drobnice obilo; kajti radost je bila v Izraelu.
40Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.