Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

16

1In prinesli so skrinjo Božjo noter ter jo postavili sredi šatora, ki ga je bil David razpel zanjo; in darovali so žgalne in mirovne daritve pred Bogom.
1Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
2In ko je David končal darovanje žgalščin in mirovnih žrtev, je blagoslovil ljudstvo v imenu GOSPODOVEM;
2Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
3in je razdelil za vsakega izmed Izraela, moža in ženo, da je vsakdo dobil hleb kruha in kos mesa in suhega grozdja.
3Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.[Na: divay eran'ny kapoaka]
4In postavil je nekatere iz levitov za strežnike pred skrinjo GOSPODOVO, da naj s hvalo spominjajo in zahvaljujejo in slavijo GOSPODA, Boga Izraelovega:
4[Ny nandaminan'i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5Asafa, načelnika, in Zeharija, drugega po njem, Jegiela, Semiramota, Jehiela, Matitija, Eliaba, Benaja, Obededoma in Jegiela, s psalmovimi citrami in s harfami, in Asafa s cimbali, da glasno gode,
5Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
6in Benaja in Jahaziela, duhovnika, s trobentami, da stojita vedno pred skrinjo zaveze GOSPODOVE.
6Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
7Tedaj je, tisti dan, David v prvič ukazal Asafu in bratom njegovim, naj hvalijo GOSPODA:
7Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
8Hvalite GOSPODA, kličite ime njegovo, oznanjujte med ljudstvi dejanja njegova!
8Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
9Pojte mu, psalme mu prepevajte, govorite o vseh čudovitih delih njegovih!
9Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
10Hvalite se v svetem imenu njegovem; veseli se naj srce njih, ki iščejo GOSPODA!
10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
11Iščite GOSPODA in moči njegove, iščite vedno obličje njegovo!
11Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
12Spominjajte se čudes njegovih, ki jih je storil, čudovitih znamenj in razsodkov ust njegovih;
12Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
13o seme Izraela, njegovega hlapca, otroci Jakobovi, izvoljenci njegovi!
13Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
14On, GOSPOD, je Bog naš, po vsej zemlji se vrše sodbe njegove.
14Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
15Spominjajte se vekomaj zaveze njegove, besede, katero je zapovedal tisoč rodovom,
15Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
16zaveze, ki jo je sklenil z Abrahamom, in njegove prisege Izaku,
16Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
17ki jo je potrdil Jakobu za postavo, Izraelu za večno zavezo,
17Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
18gororeč: Tebi hočem dati deželo Kanaansko kot vam odmerjeno dedno posest!
18Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
19ko vas je bilo po številu še malo, prav malo, in ste kot tujci bivali v njej;
19Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20in so hodili od naroda do naroda in iz enega kraljestva k drugemu ljudstvu.
20Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
21Ni jih dovolil zatirati nikomur, še kralje je strahoval zaradi njih:
21Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
22„Ne doteknite se maziljencev mojih in ne storite žalega prorokom mojim!“
22Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
23Pojte GOSPODU, vsa zemlja, veselo oznanjajte od dne do dne zveličanje njegovo!
23Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
24Pripovedujte med poganskimi narodi veličastvo njegovo, med vsemi ljudstvi čudovita dela njegova!
24Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25Kajti velik je GOSPOD in velike hvale vreden, strašen je on nad vse bogove.
25Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
26Zakaj vsi bogovi ljudstev so ničevi maliki, GOSPOD pa je naredil nebesa.
26Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27Slava in lepota sta pred njim, moč in radost v mestu njegovem.
27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
28Dajajte GOSPODU, ljudstev rodovine, dajajte GOSPODU čast in moč!
28Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
29Dajajte GOSPODU slavo imena njegovega, prinesite dar in pridite pred obličje njegovo; klanjajte se GOSPODU v diki svetosti.
29Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
30Trepetajte pred njim, vsa zemlja! Zemlje obod je tudi utrjen, da ne omahne.
30Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
31Veselé se naj nebesa in raduj se zemlja, in govore naj med narodi: GOSPOD kraljuje!
31Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
32Grmi naj morje in kar je v njem, raduj se polje in vse, kar je na njem!
32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
33Tedaj bo veselo pevalo vse drevje v gozdu pred obličjem GOSPODOVIM, kajti prihaja sodit zemljo!
33Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34Hvalite GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova!
34Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
35In recite: Reši nas, o Bog zveličanja našega, in zberi nas in otmi poganov, da hvalimo sveto ime tvoje in se veličamo v hvali tvoji.
35Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
36Slava GOSPODU, Bogu Izraelovemu, od vekomaj do vekomaj! In vse ljudstvo je dejalo: Amen! in je hvalilo GOSPODA.
36Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
37Postavil je torej tam pred skrinjo zaveze GOSPODOVE Asafa in brate njegove, da strežejo vedno pred skrinjo, kolikor je bilo treba vsak dan;
37Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
38in Obededoma ž njegovimi brati, oseminšestdeset, tudi Obededoma, sina Jedutunovega, in Hosa, da sta vratarja;
38ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
39Zadoka pa, duhovnika, in brate njegove, duhovnike, pred prebivališčem GOSPODOVIM na višavi, ki je bila v Gibeonu,
39Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,
40da darujejo žgalne žrtve GOSPODU na žgalnem oltarju vsekdar zjutraj in zvečer, po vsem, kar je pisano v zakonu GOSPODOVEM, ki ga je zapovedal Izraelu;
40hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41in ž njimi Hemana in Jedutuna in druge, kar jih je bilo izbranih, ki so bili zaznamenovani po imenih, da bi hvalili GOSPODA, ker vekomaj traja milost njegova;
41ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
42in ž njimi Hemana in Jedutuna s trompetami in cimbali za tiste, ki jim je bilo glasno igrati, in z glasbenim orodjem v hvalo Božjo; in sinom Jedutunovim je bilo stati pri vratih.In vse ljudstvo se je razšlo, vsak v hišo svojo; in David se je vrnil, da blagoslovi hišo svojo.
42Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
43In vse ljudstvo se je razšlo, vsak v hišo svojo; in David se je vrnil, da blagoslovi hišo svojo.
43Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.