1In zgodi se, ko je David prebival v hiši svoji, da reče Natanu proroku: Glej, jaz stanujem v cedrovi hiši, a skrinja zaveze GOSPODOVE prebiva pod preprogami.
1[Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
2In Natan reče Davidu: Stori vse, kar ti je v srcu, kajti Bog je s teboj!
2Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3Še to noč pa pride beseda GOSPODOVA k Natanu, govoreč:
3Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
4Pojdi in reci hlapcu mojemu Davidu: Tako pravi GOSPOD: Ne boš mi ti gradil hiše, da prebivam v njej.
4Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
5Saj nisem prebival v hiši od dne, ko sem pripeljal Izraela semkaj, do današnjega dne, ampak hodil sem iz šatora v šator, iz enega bivališča v drugo.
5fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]
6Kamorkoli sem šel z vsem Izraelom, sem li besedo govoril s katerim sodnikov Izraelovih, ki sem jim zapovedal pasti ljudstvo moje, rekoč: Zakaj mi niste zgradili cedrove hiše?
6Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
7Tako torej véli hlapcu mojemu Davidu: Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Jaz sem te vzel s pašnikov, ko si hodil za ovcami, da bodeš vojvoda ljudstvu mojemu Izraelu;
7Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
8in sem bil s teboj, kamorkoli si šel, in sem zatrl vse sovražnike tvoje pred teboj in ti storil ime kakor ime velikašev, ki so na zemlji.
8Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
9In hočem pripraviti kraj ljudstvu svojemu Izraelu in jih zasaditi, da bodo prebivali na svojem in se več ne premikali; tudi jih ne bodo več gonobili sinovi krivice kakor poprej
9Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
10in odkar sem zapovedal sodnikom, da bodo nad ljudstvom mojim Izraelom; in ponižam vse sovražnike tvoje. Vrhutega ti pravim, da GOSPOD zgradi hišo tebi.
10sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.[Heb. hanao trano ho anao]
11Ko se ti dopolnijo dnevi, da pojdeš k očetom svojim, hočem postaviti seme tvoje za teboj, ki bode izmed sinov tvojih, in hočem utrditi kraljestvo njegovo.
11Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12On mi bo zgradil hišo, in jaz utrdim prestol njegov na veke.
12dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13Jaz mu bodem za očeta, in on mi bode za sina; in mu ne odtegnem milosti svoje, kakor sem jo odtegnil njemu, ki je bil pred teboj,
13Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
14temuč ustanovitim ga v hiši svoji in v kraljestvu svojem za vekomaj, in prestol njegov bo utrjen vekomaj.
14fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15Po vseh teh besedah in po vsej tej prikazni je točno govoril Natan Davidu.
15Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
16Tedaj stopi David noter in sede pred GOSPODA in reče: Kdo sem jaz, o GOSPOD Bog, in kaj je hiša moja, da si me privedel tako daleč?
16Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17In to se je še premalo videlo tvojim očem, o Bog, in govoril si o hlapca svojega hiši za daljno prihodnost, in pogledal si me po načinu vzvišenega človeka, GOSPOD Bog.
17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
18Kaj more David še govoriti tebi zastran časti, izkazane hlapcu tvojemu? Saj ti poznaš hlapca svojega.
18Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
19O GOSPOD, zaradi hlapca svojega in po srcu svojem si storil vso to velikost, da oznaniš vse te velike reči.
19Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20O GOSPOD, ni ga tebi enakega, tudi ni Boga razen tebe, po vsem, kar smo slišali na ušesa svoja.
20Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
21In kje je edino ljudstvo na zemlji kakor ljudstvo tvoje Izrael, ki ga je šel Bog odkupit sebi za ljudstvo, da si napraviš ime z velikimi in strahovitimi rečmi, ko si pregnal narode izpred ljudstva svojega, ki si ga odkupil iz Egipta?
21Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
22Kajti storil si ljudstvo svoje, Izraela, sebi za ljudstvo na vekomaj, in ti si, GOSPOD, postal njih Bog.
22Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
23In sedaj, o GOSPOD: beseda, ki si jo govoril o hlapcu svojem in o hiši njegovi, ostani veljavna na vekomaj, in stóri, kakor si govoril.
23Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
24Da, veljavna ostani in ime tvoje bodi poveličevano vekomaj, ko bodo govorili: GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov, je Bog za Izraela! In hiša tvojega hlapca Davida bodi utrjena pred teboj!
24Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
25Zakaj ti, moj Bog, si razodel hlapcu svojemu, da mu zgradiš hišo; zato se je osrčil hlapec tvoj moliti pred teboj.
25Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao]
26In sedaj, o GOSPOD, ti si Bog, in ti si govoril hlapcu svojemu to predobro obljubo!In sedaj rači blagosloviti hlapca svojega hišo, da ostane pred teboj vekomaj; ker ti si jo, o GOSPOD, blagoslovil, zato bo blagoslovljena vekomaj.
26Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
27In sedaj rači blagosloviti hlapca svojega hišo, da ostane pred teboj vekomaj; ker ti si jo, o GOSPOD, blagoslovil, zato bo blagoslovljena vekomaj.
27dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.