Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

23

1David je torej, ko je bil star in dni svojih sit, postavil Salomona, sina svojega, za kralja nad Izraelom.
1[Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]
2In zbral je vse kneze Izraelove in duhovnike in levite.
2Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.
3Leviti pa so bili prešteti, od tridesetletnih in više, in njih število, od glave do glave, je bilo osemintrideset tisoč mož.
3Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.
4Iz teh je bilo štiriindvajset tisoč, ki naj bi nadzorovali delo pri hiši GOSPODOVI, in šest tisoč je bilo oblastnikov in sodnikov,
4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5in štiri tisoč vratarjev in štiri tisoč, ki naj hvalijo GOSPODA z godali, ki sem jih napravil, je rekel David, da se ž njimi poje hvala.
5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.
6In David jih je razdelil v oddelke po sinovih Levijevih, po Gersonu, Kahatu in Merariju.
6Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
7Gersonovci: Ladan in Simej.
7Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
8Sinovi Ladanovi: Jehiel poglavar, Zetam in Joel, trije.
8Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
9Sinovi Simejevi: Selomit, Haziel in Haran, trije. Ti so bili glave očetovinam Ladanovim.
9Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.
10Sinovi Simejevi pa: Jahat, Ziza, Jeuš in Berija. Ti štirje so bili sinovi Simejevi.
10Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.
11In Jahat je bil prvak in Ziza je bil drugi; a Jeuš in Berija nista imela mnogo sinov, zato so jih šteli za eno očetovsko hišo. –
11Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12Sinovi Kahatovi: Amram, Izhar, Hebron in Uziel, štirje.
12Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13Sinova Amramova: Aron in Mojzes. Aron pa je bil izločen, da bodi posvečen za najsvetejše, on in sinovi njegovi vekomaj, da naj palijo kadilo pred GOSPODOM, mu služijo in blagoslavljajo v njegovem imenu na vekomaj.
13Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
14Kar se tiče Mojzesa, moža Božjega – sinovi njegovi so bili imenovani med rodom Levijevim.
14Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
15Sinova Mojzesova: Gersom in Eliezer.
15Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16Sin Gersomov: Sebuel, poglavar.
16Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17In sin Eliezerjev: Rehabija, poglavar. In Eliezer ni imel več sinov, ali sinov Rehabijevih je bilo mnogo.
17Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
18Sin Izharjev: Selomit, poglavar.
18Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19Sinovi Hebronovi: Jerija poglavar, Amarija, drugi, Jahaziel, tretji, in Jekameam, četrti.
19Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20Sinova Uzielova: Miha, poglavar, in Išija, drugi.
20Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
21Sinova Merarijeva: Mahli in Musi. Sinova Mahlijeva: Eleazar in Kis.
21Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22In Eleazar je umrl, imel ni sinov, samo hčere; in njih bratranci, sinovi Kisovi, so jih vzeli za žene.
22Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.
23Sinovi Musijevi: Mahli, Eder in Jeremot, trije.
23Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
24Ti so bili sinovi Levijevi po svojih očetovskih hišah, glave očetovinam, kakor so bili sešteti po imenih, od glave do glave, od dvajsetega leta in više, ki so opravljali delo službe pri hiši GOSPODOVI.
24Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
25Kajti David je rekel: GOSPOD, Bog Izraelov, je pripravil pokoj ljudstvu svojemu, in on prebiva v Jeruzalemu na vekomaj;
25Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26zato tudi ni treba levitom nositi več šatora in vseh njegovih priprav za službo v njem.
26Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27Kajti po zadnjih besedah Davidovih so bili sinovi Levijevi prešteti od dvajsetletnih in više.
27Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
28Zakaj njih stojišče je bilo ob strani sinovom Aronovim pri službi doma GOSPODOVEGA, da nadzirajo dvorišča in hrame in očiščevanje vseh svetih reči in opravljajo službo hiše Božje,
28Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,
29in naj skrbe za razporedbo kruhov in za belo moko k jedilni daritvi, bodisi od nekvašenih mlincev ali pa kar se peče v ponvi ali kar se praži, in za vsakršno težo in mero,
29ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30ter naj stojé vsako jutro, da hvalijo in slave GOSPODA, takisto zvečer,
30ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,
31in darujejo vse žgalne daritve GOSPODU ob sobotah, ob mlajih in ob določenih praznikih po predpisanem številu neprenehoma pred GOSPODOM,in naj strežejo v straži pri shodnem šatoru in v straži svetišča in v straži pri sinovih Aronovih, bratih svojih, v službi hiše GOSPODOVE.
31ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
32in naj strežejo v straži pri shodnem šatoru in v straži svetišča in v straži pri sinovih Aronovih, bratih svojih, v službi hiše GOSPODOVE.
32Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.