1Ti pa so oddelki sinov Aronovih: Sinovi Aronovi so bili: Nadab in Abihu, Eleazar in Itamar.
1[Ny nizarana ny mpisorona ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
2Nadab in Abihu pa sta umrla pred obličjem očeta svojega in nista imela otrok; zato sta bila Eleazar in Itamar duhovnika.
2fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
3In razdelili so jih David in Zadok, iz sinov Eleazarjevih, in Ahimeleh, iz sinov Itamarjevih, po vrstah njih službe.
3Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4In med sinovi Eleazarjevimi se je našlo več moških glav nego med sinovi Itamarjevimi; in so jih takole razdelili: od sinov Eleazarjevih jih je bilo šestnajst poglavarjev očetovskih hiš in od sinov Itamarjevih osem poglavarjev očetovskih hiš.
4Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.
5Tako so bili razdeljeni po žrebu, ti kakor oni, kajti bili so knezi svetišča in knezi Božji od sinov Eleazarjevih in od sinov Itamarjevih.
5Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.
6In pisar Semaja, sin Netanelov, izmed levitov, jih je zapisal vpričo kralja in knezov in Zadoka duhovnika in Ahimeleha, sinu Abiatarjevega, in poglavarjev duhovniških in levitskih hiš: po eno očetovsko hišo se je jemalo za Eleazarja in po eno za Itamarja.
6Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
7Prvi žreb pa je zadel Jehojariba, drugi Jedaja,
7Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
8tretji Harima, četrti Seorima,
8ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
9peti Malkija, šesti Mijamina,
9ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
10sedmi Hakoza, osmi Abija,
10ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
11deveti Jesua, deseti Sekanija,
11ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
12enajsti Eliasiba, dvanajsti Jakima,
12ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
13trinajsti Hupa, štirinajsti Jesebeaba,
13ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
14petnajsti Bilga, šestnajsti Imerja,
14ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
15sedemnajsti Hezirja, osemnajsti Hapizeza,
15ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
16devetnajsti Petahija, dvajseti Jehezkela,
16ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
17enaindvajseti Jakina, dvaindvajseti Gamula,
17ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
18triindvajseti Delaja, štiriindvajseti Maazija.
18ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
19To so bile njih vrste za službo, v katerih jim je bilo hoditi v hišo GOSPODOVO po naredbi njih očeta Arona, kakor mu je bil zapovedal GOSPOD, Bog Izraelov.
19Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]
20Od drugih sinov Levijevih pa: od sinov Amramovih: Subael; od sinov Subaelovih: Jehdeja.
20Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
21Od Rehabija, iz sinov Rehabijevih: Išija, poglavar.
21Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
22Od Izharjevcev: Selomot, iz sinov Selomotovih: Jahat.
22Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.
23In sinovi Hebronovi: Jerija, prvak, Amarija, drugi, Jahaziel tretji, Jekameam četrti.
23Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
24Sinovi Uzielovi: Miha, iz sinov Mihovih: Samir.
24Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;
25Brat Mihov: Išija, iz sinov Išijevih: Zeharija.
25ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.
26Sinovi Merarijevi: Mahli in Musi; sinovi Jaazija, sinu njegovega.
26Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.
27Sinovi Merarijevi od Jaazija, sinu njegovega: Soham, Zakur in Ibri.
27Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
28Od Mahlija: Eleazar, ki ni imel sinov.
28Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
29Od Kisa, sinovi Kisovi: Jerahmeel.
29Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
30In sinovi Musijevi: Mahli, Eder in Jerimot. Ti so bili sinovi levitov po svojih očetovskih hišah.Tudi ti so žrebali kakor njih bratje, sinovi Aronovi, vpričo Davida kralja in Zadoka in Ahimeleka in poglavarjev duhovniških in levitskih hiš, in sicer enako glava očetovske hiše kakor njega najmanjši brat.
30Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
31Tudi ti so žrebali kakor njih bratje, sinovi Aronovi, vpričo Davida kralja in Zadoka in Ahimeleka in poglavarjev duhovniških in levitskih hiš, in sicer enako glava očetovske hiše kakor njega najmanjši brat.
31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.