1Oddelki vratarjev pa so bili: iz Korahovcev: Meselemija, sin Korejev, iz sinov Asafovih.
1[Ny amin'ny mpiandry varavarana] Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.
2In Meselemija je imel sinove: Zeharija, prvenec, Jediael, drugi, Zebadija, tretji, Jatniel, četrti,
2Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
3Elam, peti, Johanan, šesti, Eljehoenaj, sedmi.
3sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
4In Obededom je imel sinove: Semaja, prvenec, Jozabad, drugi, Joah, tretji, Sakar, četrti, Netanel, peti,
4Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
5Amiel, šesti, Isahar, sedmi, Peuletaj, osmi; kajti Bog ga je blagoslovil.
5sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
6Tudi Semaju, sinu njegovemu, se je rodilo sinov, ki so vladali hiši očeta svojega; kajti bili so vrli junaki.
6Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
7Sinovi Semajevi: Otni, Refael, Obed, Elzabad, čigar bratje so bili vrli možje, Elihu in Semahija.
7Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
8Vsi ti od sinov Obededomovih, so bili s svojimi brati in sinovi vred vrli možje, sposobni za službo, dvainšestdeset od Obededomovih.
8Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.
9In Meselemija je imel sinove in brate, vrle može, osemnajst.
9Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
10Tudi Hosa, iz sinov Merarijevih, je imel sinove: Simri, prvak (kajti dasi ni bil prvenec, ga je oče njegov postavil za prvaka),
10Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
11Hilkija, drugi, Tebalija, tretji, Zeharija, četrti; vseh sinov in bratov Hosovih je bilo trinajst.
11sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.
12Ti oddelki vratarjev, poglavarski možje, so imeli straže enako kakor njih bratje, da služijo v hiši GOSPODOVI.
12Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.
13In žrebali so, enako mali kakor veliki, po očetovskih svojih hišah, za vsaka vrata.
13Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.
14In žreb za vrata proti vzhodu je bil Selemiju. Potem so vrgli kocko za Zeharija, sina njegovega, razumnega svetovalca, in njega je zadel žreb za vrata proti severu.
14Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.
15Obededomu vrata proti jugu, sinom njegovim pa skladišče.
15An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.
16A Supimu in Hosu proti zahodu ob vratih Saleheta, na cesti, ki se vije kvišku, straža proti straži.
16An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
17Proti vzhodu je bilo šest levitov; proti polnoči na dan štiri, proti poldnevu na dan štiri in pri skladišču po dva in dva.
17Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
18Pri Parbarju pa, proti zahodu, štirje na cesti in dva ob Parbarju.
18Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.[Izahao 2 Mpan. xxiii. 11]
19To so bili oddelki vratarjev, iz sinov Korahovcev in iz sinov Merarijevih.
19Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
20Iz levitov pa je bil Ahija nad zakladi hiše Božje in nad zakladi posvečenih reči.
20[Ny amin'ny raharaha sasany koa nataon'ny Levita] Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.[Na: (ary ny Levita rahalahiny)]
21Sinovi Ladanovi, sinovi Gersonovcev od Ladana, poglavarji očetovskih hiš od Ladana Gersonovca, so bili Jehielci.
21Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
22Sinova Jehielova, Zetam in Joel, brat njegov, sta bila nad zakladi hiše GOSPODOVE.
22Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
23Iz Amramovcev, iz Izharjevcev, iz Hebroncev, iz Uzielcev...
23Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
24in Sebuel, sin Gersoma, sinu Mojzesovega, je bil poglavar nad zakladi.
24dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.
25In bratje njegovi, od Eliezerja: tega sin Rehabija, tega sin Jesaija, tega sin Joram, tega sin Zihri, tega sin Selomot.
25Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
26Ta Selomot in bratje njegovi so bili nad zakladi posvečenih reči, ki so jih bili posvetili David kralj in poglavarji očetovin, poveljniki čez tisoč in čez sto in poveljniki vojske.
26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.
27Od plena, ki so ga pridobili v vojni, so posvetili v podporo hiši GOSPODOVI.
27Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
28In vse, kar je posvetil Samuel videc in Savel, sin Kisov, in Abner, sin Nerov, in Joab, sin Zervijin, kdorkoli je kaj posvetil, je bilo pod roko Selomota in bratov njegovih.
28Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
29Iz Izharjevcev, Kenanija in sinovi njegovi so bili za zunanja opravila nad Izraelom, za oblastnike in sodnike.
29Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
30Iz Hebroncev, Hasabija in bratje njegovi, sedemnajststo vrlih mož, so nadzorovali Izraela tostran Jordana, proti zahodu, za vsakršna opravila GOSPODOVA in za službo kraljevo.
30Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
31Iz Hebroncev je bil Jerija, poglavar Hebroncem po njih rodovih, po njih očetovinah. V štiridesetem letu vladanja Davidovega so jih iskali, in našli so med njimi vrle junake v Jazerju v Gileadu.In bratov njegovih, vrlih mož, je bilo dva tisoč sedemsto, poglavarjev očetovin, ki jih je David postavil v nadzorstvo Rubenovcev, Gadovcev in polovice Manasejevega rodu, za vse Božje reči in za zadeve kraljeve.
31Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
32In bratov njegovih, vrlih mož, je bilo dva tisoč sedemsto, poglavarjev očetovin, ki jih je David postavil v nadzorstvo Rubenovcev, Gadovcev in polovice Manasejevega rodu, za vse Božje reči in za zadeve kraljeve.
32sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.