1In to so sinovi Izraelovi po njih številu, poglavarji očetovin in poveljniki čez tisoč in čez sto in njih oblastniki, ki so služili kralju po redu oddelkov, kakor so prihajali in odhajali mesec za mesecem, vse mesece v letu; vsak oddelek je štel štiriindvajset tisoč.
1[Ny nandaminana ny miaramila] Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.
2Nad prvim oddelkom v prvem mesecu je bil Jasobeam, sin Zabdielov, in v njegovem oddelku jih je bilo štiriindvajset tisoč.
2Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
3On je bil iz sinov Perezovih prvak vseh poveljnikov vojske za prvi mesec.
3isan'ny taranak'i Fareza izy sady lohan'ny mpifehy rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana voalohany.
4In nad oddelkom drugega meseca je bil Dodaj Ahohovec in v oddelku njegovem je bil knez Miklot, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
4Ary ny nifehy ny antokony ho amin'ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny antokony; ary ny antokon'ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
5Tretji poveljnik vojske v tretjem mesecu je bil Benaja, sin Jojada duhovnika, glavar, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
5Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
6To je tisti Benaja, ki je bil eden izmed tridesetih junakov in nad tridesetimi; in nad oddelkom njegovim je bil Amizabad, sin njegov.
6Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony.
7Četrti poveljnik v četrtem mesecu je bil Asahel, brat Joabov, in za njim Zebadija, sin njegov, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriiindvajset tisoč.
7Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
8Peti poveljnik v petem mesecu je bil Samhut Izrahovec, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
8Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
9Šesti v šestem mesecu je bil Ira, sin Ikeša Tekojčana, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
9Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
10Sedmi v sedmem mesecu je bil Helez Pelonjan iz sinov Efraimovih, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
10Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
11Osmi v osmem mesecu je bil Sibekaj Husajec iz Zerahovcev, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
11Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12Deveti v devetem mesecu je bil Abiezer Anatotčan iz Benjamincev, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
12Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13Deseti v desetem mesecu je bil Maharaj Netofatčan iz Zerahovcev, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
13Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14Enajsti v enajstem mesecu je bil Benaja Piratončan iz sinov Efraimovih, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
14Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15Dvanajsti v dvanajstem mesecu je bil Heldaj Netofatčan, od Otniela, in v oddelku njegovem jih je bilo štiriindvajset tisoč.
15Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
16Dalje nad rodovi Izraelovimi: Rubenovcem je bil vojvoda Eliezer, sin Zihrijev; Simeoncem Sefatija, sin Maake;
16[Ny lohan'ny firenena roa ambin'ny folo] Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;
17Levitskim Hasabija, sin Kemuelov, Aronovim pa Zadok;
17tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;
18Judovcem Elihu, eden iz bratov Davidovih; Isaharjevcem Omri, sin Mihaelov;
18tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela;
19Zebulonovcem Ismaja, sin Obadija; Neftalijevim Jeremot, sin Azrielov;
19tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela;
20sinom Efraimovim Hosea, sin Azazijev; polovici rodu Manasejevega Joel, sin Pedajev;
20tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;
21polovici rodu Manasejevega v Gileadu Ido, sin Zeharijev; Benjamincem Jaasiel, sin Abnerjev;
21tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera;
22Danovim Azarel, sin Jerohamov. Ti so bili poveljniki rodovom Izraelovim.
22tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.
23David pa ni poizvedoval števila tistih, ki jim je bilo manj nego dvajset let, zakaj GOSPOD je bil rekel, da razmnoži Izraela enako zvezdam nebeškim.
23Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy.
24Joab, sin Zervijin, je začel šteti, a dokončal ni; in prišla je jeza Božja zaradi tega nad Izraela. Zato ni bilo to število vpisano v letopise kralja Davida.
24Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.
25In nad kraljevimi zakladi je bil Azmavet, sin Adielov; in nad zakladi po deželi, v mestih in po vaseh in gradovih je bil Jonatan, sin Uzijev.
25[Ny mpitandrina ny fananan'i Davida, sy ny mpanolo-tsaina azy] Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia;
26In nad delavci na polju, ki so obdelovali zemljo, je bil Ezri, sin Helubov.
26ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;
27In nad vinogradi je bil Simej Ramatejec; nad pridelki vinogradov, nad zalogami v vinskih hramih je pa bil Zabdi Sifmijan.
27ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
28Nad oljkovim in smokovim drevjem, ki je bilo v nižini, je bil Baalhanan Gederski; in nad shrambami olja Joas.
28ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;[Heb. Sefela]
29In nad govedi, ki so se pasla v Saronu, je bil Sitraj Saronski, nad govedi v dolinah pa Safat, sin Adlajev.
29ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;
30In nad velblodi Obil Izmaelec, nad oslicami pa Jehdeja Meronotičan,
30ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
31nad drobnico pa Jaziz Hagarenec. Vsi ti so bili oskrbniki imetja kralja Davida.
31ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.
32A Jonatan, stric Davidov, je bil svetovalec, razumen mož in pismouk. In Jehiel, sin Hakmonijev, je bil pri kraljevih sinovih.
32Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka;ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.
33Ahitofel pa je bil kraljev svetovalec, a Husaj Arkičan kraljev prijatelj.Za Ahitofelom je bil Jojada, sin Benaja, in Abiatar. In poveljnik kraljevi vojski je bil Joab.
33ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.
34Za Ahitofelom je bil Jojada, sin Benaja, in Abiatar. In poveljnik kraljevi vojski je bil Joab.