1In David zbere v Jeruzalem vse poglavarje Izraelove, vojvode rodov in poveljnike trum, ki so stregli kralju zaporedoma, in poveljnike čez tisoč in čez sto in oskrbnike imetja in posestev kraljevih in sinov njegovih, z dvorniki in junaki in z vsemi hrabrimi možmi vred.
1[Ny hafatra nataon'i Davida ny amin'ny hanaovana ny tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.[Heb. ionoka]
2Tedaj se postavi kralj David na noge in govori: Poslušajte me, bratje moji in ljudstvo moje! Jaz sem se namenil v srcu svojem, da zgradim hišo počivanja skrinji zaveze GOSPODOVE in podnožju nog Boga našega, in sem se pripravljal za zidanje.
2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
3Ali Bog mi je rekel: Ti ne boš gradil hiše mojemu imenu, ker si mož vojščak in si kri prelival.
3nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
4Toda mene je GOSPOD, Bog Izraelov, izvolil iz vse hiše očeta mojega, da bodem kralj Izraelu vekomaj; zakaj Judo si je izbral, da bodi vojvoda, in v družini Judovi hišo očeta mojega, in med sinovi očeta mojega si je blagovoljno izbral mene, da me postavi za kralja vsemu Izraelu;
4Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
5a med vsemi sinovi mojimi – kajti mnogo sinov mi je dal GOSPOD – si je izvolil Salomona, sina mojega, da bo sedel na prestolu kraljestva GOSPODOVEGA nad Izraelom.
5Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.
6In mi je dejal: Salomon, sin tvoj, bo zgradil hišo mojo in veže moje, zakaj izvolil sem ga, da mi bodi sin in jaz mu bodem oče.
6Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7In utrdim kraljestvo njegovo na vekomaj, ako bode stanovitno izpolnjeval zapovedi in sodbe moje, kakor se danes godi.
7Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.
8Sedaj torej, vpričo vsega Izraela, zbora GOSPODOVEGA, in vpričo Boga našega velim: Izpolnjujte in v čislih imejte vse zapovedi GOSPODA, Boga svojega, da bi dedno vladali to dobro deželo in jo v dedno last zapustili otrokom svojim za seboj na vekomaj.
8Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
9Ti pa Salomon, sin moj, spoznaj Boga, ki je Bog očeta tvojega, in mu služi z nerazdeljenim srcem in z radovoljnim duhom! Kajti GOSPOD preiskuje vsa srca in razume vse naklepe misli. Ga li boš iskal, ga najdeš; ako ga pa zapustiš, te zavrže vekomaj!
9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10Sedaj torej pazi, kajti GOSPOD te je izvolil, da zgradiš hišo za svetišče; močan bodi in delaj!
10Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
11Nato je dal David Salomonu, sinu svojemu, načrt veže pri templju in njegovih hiš in zakladnic in zgornjih sob in notranjih hramov in prostora za spravni pokrov,
11Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
12in načrt vsega, kar mu je bilo v duhu: o dvorih hiše GOSPODOVE in o vseh hramih naokoli, o zakladnicah hiše Božje in zakladnicah posvečenih reči;
12ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
13tudi o oddelkih duhovnikov in levitov in o vsem delu službe v hiši GOSPODOVI in o vseh pripravah za službo v hiši GOSPODOVI;
13sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,
14o zlatu po teži za vsakovrstne zlate posode v službo, o teži srebra za vse srebrne posode, za vsakovrstno posodje v službo,
14ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
15in je določil težo zlata za zlate svečnike in njih svetilnice po teži za vsak svečnik in njegove svetilnice, in za svečnike srebrne po teži, kolikor treba za vsak svečnik in njegove svetilnice;
15ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
16tudi težo zlata za mize z razvrščenimi kruhi, za vsako mizo, in srebra za srebrne mize;
16ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy,
17tudi čistega zlata za vilice in čaše in konvice, in za zlate kupe, za vsako kupo po njeni teži, in za srebrne kupe, za vsako po njeni teži,
17ary ny amin'ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
18in za kadilni oltar prečiščenega zlata po teži, in za podobo voza kerubov, ki razprostirata peruti in pokrivata skrinjo zaveze GOSPODOVE.
18ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
19O vsem tem, je rekel David, o vseh posameznostih načrta me je poučil GOSPOD v pismu, ko je bila roka njegova nad menoj.
19Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.
20In David je dejal Salomonu, sinu svojemu: Bodi močan in srčen, in delaj! ne boj se in ne plaši se, zakaj GOSPOD Bog, moj Bog, je s teboj, ne odtegne se ti in te ne zapusti, dokler ne dokončaš vsega dela za službo hiše GOSPODOVE.In glej, so tu oddelki duhovnikov in levitov za vso službo hiše Božje, in bodo pri tebi prostovoljniki za vsako delo, izurjeni v vsakovrstnem delu, tudi poveljniki in vse ljudstvo ti. bo povsem na razpolago.
20Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
21In glej, so tu oddelki duhovnikov in levitov za vso službo hiše Božje, in bodo pri tebi prostovoljniki za vsako delo, izurjeni v vsakovrstnem delu, tudi poveljniki in vse ljudstvo ti. bo povsem na razpolago.
21Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.