1In kralj David reče vsemu zboru: Salomon, sin moj, ki je njega samega izvolil Bog, je še mlad in šibek, in delo je veliko, kajti tista palača ni za človeka, ampak za GOSPODA Boga.
1[Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
2Jaz pa sem z vsemi močmi svojimi pripravil za hišo Boga svojega zlata za zlate, srebra za srebrne, brona za bronaste, železa za železne, lesa za lesene stvari; kamenov oniksovih in vdelanih, kamenov za olepšavo in raznobarvnih in vsakovrstnih dragih kamenov in belega marmornjaka v obilici.
2Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.[Na: beryla mbamin'ny tranontranony][Na: tenona samy hafa soratra][marmora fotsy]
3Razen tega, ker me veseli hiša mojega Boga, sem dal iz lastnega zaklada zlata in srebra za hišo Boga svojega poleg vsega, kar sem oskrbel za sveto hišo:
3Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
4tri tisoč talentov zlata, zlata iz Ofirja, in sedem tisoč talentov prečiščenega srebra, da se ž njim prevlečejo hišne stene,
4dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,
5zlata pa za zlate in srebra za srebrne stvari in za vsakovrstne naprave po rokah umetnikov. In kdo je radovoljen, danes napolniti roko svojo za GOSPODA?
5ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
6Tedaj so se izkazali radovoljne poglavarji očetovin in knezi rodov Izraelovih in poveljniki čez tisoč in čez sto in oskrbniki kraljevih opravil,
6Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka
7in so darovali za službo hiše Božje pet tisoč talentov zlata in deset tisoč dárikov [Dárik je perzijski zlatnik], srebra pa deset tisoč talentov in brona osemnajst tisoč talentov in železa sto tisoč talentov.
7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny farantsakely volamena, ary tokony ho ariary dimy sy loso no heviny]
8In tisti, pri katerih so se našli dragi kameni, so jih dali v zaklad hiše GOSPODOVE, pod roko Jehiela Gersonovca.
8Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.
9Tedaj se je ljudstvo veselilo, da so radovoljno darovali, ker z nerazdeljenim srcem so to poklonili GOSPODU prostovoljno, tudi kralj David se je radoval z velikim veseljem.
9Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
10In David je hvalil GOSPODA vpričo vsega zbora in je dejal: Hvaljen bodi, o GOSPOD, Bog Izraela, očeta našega, od vekov na veke!
10[Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
11Tvoja, o GOSPOD, je velikost in moč in slava in dika in veličastvo; zakaj vse, kar je v nebesih in na zemlji, je tvoje. Tvoje je kraljestvo, o GOSPOD, in ti si povišan kot glava nad vsem!
11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
12Bogastvo in čast prihaja od tebe, in ti si vladar vsemu, in v roki tvoji je moč in oblast, in v tvoji roki je poveličati in ojačiti vse.
12Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
13Sedaj torej, Bog naš, te zahvaljujemo in hvalimo ime slave tvoje.
13Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14Saj kdo sem jaz in kdo ljudstvo moje, da bi imeli moč, toliko radovoljno darovati tebi? Kajti od tebe je vse, in iz roke tvoje smo prejeli in dali tebi.
14Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15Zakaj mi smo tujci pred teboj in priseljenci, kakor so bili vsi očetje naši; dnevi naši na zemlji so kakor senca in ni upanja, da tu ostanemo.
15Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
16O GOSPOD, Bog naš, vsa ta obilna množina, ki smo jo pripravili v zgradbo hiše tvoje, svetemu imenu tvojemu, je iz roke tvoje in vse to je tvoje.
16Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17Vem tudi, moj Bog, da preiskuješ srce in prijetna ti je preprostost. Jaz torej sem iz preprostosti srca svojega vse to radovoljno daroval, in sedaj sem z veseljem videl ljudstvo tvoje, ki je tu pričujoče, da je radovoljno darovalo tebi.
17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
18O GOSPOD, Bog Abrahama, Izaka in Izraela, očetov naših, ohrani vekomaj tako misel in namero v srcu tvojega ljudstva in obračaj njih srca k sebi!
18Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
19In daj Salomonu, sinu mojemu, nerazdeljeno srce, da izpolnjuje zapovedi tvoje, pričevanja tvoja in postave tvoje in da stori vse in zgradi palačo, ki sem oskrbel zanjo priprave!
19ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
20In David je rekel vsemu zboru: Hvalite sedaj GOSPODA, Boga svojega! In ves zbor je hvalil GOSPODA, očetov svojih Boga, in pripognili so se in storili poklon GOSPODU in kralju.
20Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
21In darovali so žrtve GOSPODU, in drugo jutro potem so darovali GOSPODU žgalne daritve: tisoč juncev, tisoč ovnov, tisoč jagnjet ž njih pitnimi daritvami vred, in obilo klalnih daritev za vsega Izraela,
21Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
22in so jedli in pili pred GOSPODOM tisti dan z veliko radostjo. In so postavili Salomona, sina Davidovega, v drugič za kralja in ga pomazilili GOSPODU za vojvodo in Zadoka za duhovnika.
22Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
23In Salomon je zasedel prestol GOSPODOV kot kralj namesto Davida, očeta svojega, in uspevalo mu je, in ves Izrael ga je poslušal.
23Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
24In vsi poglavarji in junaki, tudi vsi sinovi kralja Davida so se podvrgli kralju Salomonu.
24Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
25In GOSPOD je jako poveličal Salomona pred očmi vsega Izraela in mu je dodelil tako veličastno kraljevanje, kakršnega ni imel pred njim noben kralj v Izraelu.
25Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
26Tako je bil David, sin Jesejev, kralj vsemu Izraelu.
26Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.
27Časa pa, kar je kraljeval Izraelu, je bilo štirideset let: sedem let je vladal v Hebronu in triintrideset v Jeruzalemu.
27Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
28In umrl je v lepi starosti, sit svojih dni, bogastva in časti. In Salomon, sin njegov, je kraljeval na mestu njegovem.
28Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra]
29Dejanja Davidova pa, prva in poslednja, glej, zapisana so v zgodbah Samuela vidca in v zgodbah Natana proroka in v zgodbah Gada vidcaz vsem njegovim kraljevanjem in z močjo njegovo in s časi, ki so prešli pod njim čez Izraela in čez vsa kraljestva dežel.
29Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]
30z vsem njegovim kraljevanjem in z močjo njegovo in s časi, ki so prešli pod njim čez Izraela in čez vsa kraljestva dežel.
30mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]