Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

4

1Sinovi Judovi: Perez, Hezron, Karmi, Hur in Šobal.
1[Ny amin'ny taranak'i Joda sisa] Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
2Reaja, sin Šobalov, pa je rodil Jahata, in Jahat je rodil Ahumaja in Lahada. To so rodovine Zoratovcev.
2Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.
3In ti so bili sinovi očeta Etama: Jezreel, Išma in Idbaš, in njih sestri je bilo ime Hazelelpona;
3Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,
4in Penuel, oče Gedorjev, in Ezer, oče Husajev. Ti so sinovi Hura, prvenca Efrate, očeta Betlehema.
4ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.
5Ashur pa, oče Tekoa, je imel dve ženi, Helo in Naaro.
5Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
6In Naara mu je rodila Ahuzama, Heferja, Temenija, Ahastarija; ti so bili sinovi Naare.
6Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.
7Sinovi Hele pa so bili Zeret, Izhar in Etnan.
7Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
8In Koz je rodil Anuba, Zobeba in rodovine Aharhela, sinú Harumovega.
8Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.
9In Jabez je bil imenitnejši mimo svojih bratov; in mati njegova mu je dala ime Jabez, rekoč: Ker sem ga rodila z bolečino.
9Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10In Jabez je klical Boga Izraelovega, govoreč: O da bi me obilo blagoslovil in razširil mejo mojo ter da bi bila roka tvoja z menoj in bi me branil zlega, da me ne zadene bolečina! In Bog je dal, da je prišlo, česar je prosil.
10Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.
11In Kelub, brat Suhajev, je rodil Mehirja, ki je bil oče Estona.
11Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;
12In Eston je rodil Betrafa, Paseaha in Tehina, očeta mesta Nahasa. To so možje iz Reke.
12ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
13In sinova Kenazova: Otniel in Seraja; in sin Otnielov: Hatat.
13Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.
14In Meonotaj je rodil Ofra; in Seraja je rodil Joaba, očeta doline umetnikov; bili so namreč umetniki.
14Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
15In sinovi Kaleba, sina Jefunovega: Iru, Ela in Naam; in sinovi Elovi in Kenaz.
15Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.
16In sinovi Jehalelelovi: Zif in Zifa,Tirja in Asarel.
16Ary ny zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
17In sinovi Ezrovi: Jeter, Mered, Efer in Jalon. In ona je rodila Mirjama, Šamaja in Isbaha, očeta Estemoa.
17Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.
18In žena njegova, Judinja, je rodila Jereda, očeta Gedorjevega, in Heberja, očeta Sokovega, in Jekutiela, očeta Zanoahovega. In ti so sinovi Bitije, hčere Faraonove, ki si jo je vzel Mered.
18Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.
19In sinova žene Hodijeve, sestre Nahamove: oče Keile, Garmejec, in Estemoa, Maakatovec.
19Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
20Simonovi sinovi pa: Amnon, Rina, Benhanan in Tilon. In sinova Išejeva: Zohet in Benzohet.
20Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
21Sinovi Šela, sinu Judovega: Ger, oče Lekov, in Laeda, oče Maresov, in rodovine hiše tistih, ki so tkali tenčico, iz hiše Asbea;
21Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;
22in Jokim in možje iz Kozebe, in Joas in Saraf, ki sta gospodovala Moabu in bivala v Lehemu. Ti zaznamki pa so stari.
22ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
23Ti so bili lončarji in so stanovali po sadiščih in ograjah; prebivali so ondi pri kralju, da so delali zanj.
23Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.
24Sinovi Simeonovi: Nemuel in Jamin, Jarib, Zerah, Savel;
24[Ny taranak'i Simeona sy ny fonenany] Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
25tega sin Salum, tega sin Mibsam, tega sin Misma.
25dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.
26In sinovi Mismovi: Hamuel, sin njegov, tega sin Zakur, tega sin Simej.
26Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.
27Simej pa je imel šestnajst sinov in šest hčer, ali bratje njegovi niso imeli veliko sinov, in vse njih rodovine se niso množile toliko, kolikor sinovi Judovi.
27Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.
28In prebivali so v Bersebi, Moladi, Hazar-suvalu,
28Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
29v Bilhi, Ezemu, Toladu,
29sy Bila sy Ezema sy Tolada
30v Betuelu, Hormi, Ziklagu,
30sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31Bet-markabotu, Hazar-susimu in v Bet-bireju in v Saaraimu. Ta so bila njih mesta do kraljevanja Davidovega.
31sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.
32In njih vasi: Etam in Ajin, Rimon in Tohen in Asan, pet mest
32Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33in vse njih vasi, ki so bile okoli teh mest tja do Baala. To so bila njih prebivališča in so imeli svoj rodopis.
33ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
34In Mesobab, Jamleh in Josa, sin Amazijev,
34Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,
35in Joel in Jehu, sin Josibijev, sinu Seraja, sinu Asiela,
35ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,
36in Eljoenaj, Jaakoba, Jesohaja, Asaja, Adiel, Jesimiel, Benaja
36ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
37in Ziza, sin Sifijev, sinu Alona, sinu Jedaja, sinu Simrija, sinu Semaja:
37sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;
38ti po imenih omenjeni so bili knezi v svojih rodovinah; in njih očetovske hiše so se množile silno.
38ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
39In šli so k vhodu v Gedor, proti vzhodu doline, da poiščejo pašnikov svoji drobnici.
39Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.
40In našli so obilnih in dobrih pašnikov, in kraj je bil prostran in miren in tih; kajti tisti, ki so ondi nekdaj prebivali, so bili Hamovega rodu.
40Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak'i Hama no nonina tany taloha.
41In ti, zapisani po imenih, so prišli v dnevih Ezekija, kralja Judovega, in so razdejali njih šatore in Meunime, ki so bili ondi, in so jih s prokletjem zatrli, do tega dne, in se nastanili na njih mestu; kajti ondi je bila paša za njih drobnico.
41Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.[Na: sy ny Meonita][Heb. nanao azy ho herema]
42In nekateri iz njih, iz sinov Simeonovih, petsto mož, so šli na Seirsko gorovje, in Pelatija in Nearija in Refaja in Uziel, sinovi Išijevi, so jim bili na čelu.In pobili so ostanek Amalekovcev, ki so bili tja ušli, in nastanili so se ondi do tega dne.
42Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
43In pobili so ostanek Amalekovcev, ki so bili tja ušli, in nastanili so se ondi do tega dne.
43Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.