1Ko pa je slišala kraljica v Sabi Salomonov sloves zaradi imena GOSPODOVEGA, ga je prišla izkušat z ugankami.
1[My namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
2Pride torej v Jeruzalem z jako velikim spremstvom, z velblodi, ki so nesli dišave in zlata jako mnogo in drage kamene. In ko je dospela k Salomonu, je govorila ž njim o vsem, kar ji je bilo na srcu.
2ka tonga tany Jerosalema izy mbamin'ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
3In Salomon ji je razložil vse, kar ga je vprašala; ni bilo besede, ki bi bila skrita kralju, da bi ji ne bil povedal.
3Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
4Ko pa je čula kraljica iz Sabe vso modrost Salomonovo in videla hišo, ki jo je zgradil,
4Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
5in jed na mizi njegovi in prebivališča hlapcev njegovih in strežbo služabnikov njegovih ter njih obleko in njegove točaje in njegove stopnice, po katerih je hodil gori v hišo GOSPODOVO, ji je od strmenja sapa zastala;
5sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny tao]
6in reče kralju: Resnična je bila beseda, ki sem jo slišala v deželi svoji o tvojih stvareh in o tvoji modrosti!
6Ka hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
7Toda nisem hotela verjeti, dokler nisem prišla in sem s svojimi očmi videla vse. In glej, še polovice mi niso povedali: več imaš modrosti in dobrot, nego je bila govorica, ki sem jo slišala.
7kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
8Blagor tvojim ljudem in blagor tem tvojim hlapcem, ki vedno stoje pred teboj, ki poslušajo modrost tvojo!
8Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
9Hvaljen bodi GOSPOD, Bog tvoj, ki ti je bil blagovoljen, da te je posadil na prestol Izraelov! Ker GOSPOD ljubi Izraela vekomaj, zato te je postavil za kralja, da izvršuješ sodbo in pravičnost.
9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
10In dala je kralju stoindvajset talentov zlata in silno veliko dišav in dragih kamenov; nikdar več ni prišla tolika množina dišav kakor ta, ki jo je dala kraljica iz Sabe Salomonu.
10Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba ho an'i Solomona mpanjaka.
11Vrhutega so pripeljale Hiramove ladje, ki so nosile zlato iz Ofirja, silno veliko sandalovine in dragih kamenov iz Ofirja.
11Ary ny sambon'i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
12In kralj je dal napraviti iz sandalovine opirala za hišo GOSPODOVO in za kraljevo hišo, tudi harfe in citre pevcem. Take sandalovine ni prišlo več, tudi je ni bilo videti do današnjega dne.
12Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
13In kralj Salomon je dal kraljici iz Sabe vse, kar je želela in kar je prosila, razen tega, kar ji je poklonil po kraljevi darežljivosti. In vrne se ter odide v deželo svojo, ona in njeni hlapci.
13Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
14Teža zlata pa, ki se je prinašalo Salomonu na leto, je bila šeststo šestdeset in šest talentov,
14[Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
15razen tega, kar ga je prišlo s popotniki in s trgovci in od vseh kraljev arabskih in od namestnikov po deželi.
15afa-tsy izay azony tamin'ny mpandranto.sy ny tamin'ny varotry ny mpivarotra ary tamin'ny mpanjakan'ny firenena samy hafa rehetra sy tamin'ny mpanapaka ny tany.
16In kralj Salomon je dal napraviti dvesto ščitov iz tolkljanega zlata: šeststo seklov zlata je porabil za en ščit;
16Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
17in tristo malih ščitov iz tolkljanega zlata, po tri mine zlata je šlo na en ščit. In kralj jih je zložil v hiši libanonskega gozda.
17Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
18Dalje je na pravil kralj velik prestol iz slonovih kosti in ga je prevlekel z najboljšim zlatom.
18Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
19Šestero stopnic je držalo do prestola, in vrh prestolov je bil okrogel odzadaj, in na obeh straneh pri sedežu sta bili naslonili, in dva leva sta stala ob naslonilih.
19Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.
20In dvanajst levov je stalo na tej in na oni strani ob šesterih stopnicah; kaj takega ni bilo videti v nobenem kraljestvu.
20Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
21Pa tudi vse posode, iz katerih je pil kralj Salomon, so bile zlate, in vsa oprava v hiši libanonskega gozda je bila iz čistega zlata, nič ni bilo srebrno, kajti srebra niso sploh cenili v Salomonovih dnevih.
21Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
22Kralj je imel tarsko brodovje na morju z brodovjem Hiramovim; po enkrat na tri leta so dospevale ladje tarske, noseč zlata in srebra, slonovih kosti, opic in pavov.
22Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.[pavo]
23In kralj Salomon je nadkriljeval vse kralje zemlje v bogastvu in v modrosti.
23Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
24In vsa zemlja je hrepenela po obličju Salomonovem, da bi slišali modrost njegovo, ki mu jo je dal Bog v srce.
24Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
25In prinašali so vsakdo svoje darilo: posode srebrne in posode zlate, oblačila in orožje in dišave, konje in mezge, vsako leto, kar je bilo pristojno.
25Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
26In Salomon je nabral voz in konjikov in je imel tisoč in štiristo voz in dvanajst tisoč konjikov, ki jih je razstavil po voznih mestih in pri kralju v Jeruzalemu.
26Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
27In kralj je storil, da je bilo v Jeruzalemu toliko srebra kakor kamenov, in ceder je napravil toliko kakor smokovega drevja, ki raste v ravnini.
27Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]
28In konje je Salomon dobival iz Egipta; družba kraljevih kupcev jih je privajala trume za kupno ceno.Voz pa je prišel gori, odpeljan iz Egipta, po šeststo seklov srebra, in konj po sto in petdeset. Tako so jih dobivali tudi vsi kralji Hetejcev in sirski kralji po njih roki.
28Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
29Voz pa je prišel gori, odpeljan iz Egipta, po šeststo seklov srebra, in konj po sto in petdeset. Tako so jih dobivali tudi vsi kralji Hetejcev in sirski kralji po njih roki.
29Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.