1A kralj Salomon je ljubil mnogo inostranskih žen poleg hčere Faraonove: Moabke, Amonke, Edomke, Sidonke in Hetejke;
1[Ny nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny nanompoany sampy, ary ny namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2iz narodov, o katerih je GOSPOD rekel sinovom Izraelovim: Ne hodite mednje, tudi oni naj ne hodijo med vas, kajti gotovo vam naklonijo srce, da pojdete za njih bogovi. Na te se je navezal Salomon v ljubezni.
2dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
3In imel je sedemsto žen kneginj in tristo priležnic; in žene so odvrnile srce njegovo.
3Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
4In ko je bil Salomon star, so mu njegove žene naklonile srce, da je šel za drugimi bogovi; in ni bilo srce njegovo popolnoma vdano GOSPODU, Bogu njegovemu, kakor je bilo srce njegovega očeta Davida.
4Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
5In Salomon je hodil za Astoreto, boginjo Sidoncev, in za Milkomom, gnusobo Amoncev.
5Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita.
6In Salomon je počenjal, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, ter ni hodil popolnoma za GOSPODOM kakor njegov oče David.
6Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy.
7Takrat je sezidal Salomon višavo Kamosu, gnusobi Moabcev, na gori, ki je pred Jeruzalemom, in Molohu, gnusobi sinov Amonovih.
7Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
8In tako je storil za vse svoje žene tujke, ki so žgale kadilo in darovale svojim bogovom.
8Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.
9In GOSPOD se je razsrdil nad Salomonom, ker je odvrnil srce svoje od GOSPODA, Boga Izraelovega, ki se mu je bil prikazal dvakrat
9Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
10in mu je prav o tem zapovedal, naj ne hodi za drugimi bogovi; a on ni izpolnil, kar mu je bil GOSPOD zapovedal.
10sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy.
11Zato je dejal GOSPOD Salomonu: Ker je bilo to pri tebi ter nisi ohranil zaveze moje in postav mojih, ki sem ti jih zapovedal, gotovo ti odtrgam kraljestvo in ga dam hlapcu tvojemu.
11Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
12Ali v tvojih dneh ne storim tega zaradi Davida, očeta tvojega; sinu tvojemu ga odtrgam iz roke.
12Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.
13Vendar pa nočem vsega kraljestva odtrgati, ali en rod dam tvojemu sinu, zaradi Davida, služabnika svojega, in zaradi Jeruzalema, ki sem ga izvolil.
13Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14Obudil pa je GOSPOD nasprotnika Salomonu, Hadada Edomca; on je bil iz kraljevega rodu v Edomu:
14Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.
15Takrat namreč, ko je bil David v Edomu in je Joab, poveljnik vojske, šel gori pokopat pobite, in ko je bil pomoril vse moštvo v Edomu
15Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
16(kajti Joab in ves Izrael je ostal šest mesecev ondi, dokler ni pokončal vsakega moškega v Edomu),
16(fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17je zbežal Hadad, on in nekateri Edomci iz hlapcev očeta njegovega ž njim, da pojdejo v Egipt. Hadad pa je bil še majhen deček.
17dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
18In vstali so iz Madianske in prišli v Paran, in vzeli so s seboj može iz Parana in so prišli v Egipt k Faraonu, kralju egiptovskemu. Ta je dal Hadadu hišo in mu določil živež ter mu odkazal zemljo.
18Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
19In Hadad je našel veliko milost v očeh Faraonovih, tako da mu je dal za ženo sestro žene svoje, kraljice Tahpenese sestro.
19Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
20In sestra Tahpenesina mu je rodila sina Genubata, in Tahpenes ga je vzgajala v hiši Faraonovi; Genubat je torej bil v Faraonovi hiši med sinovi Faraonovimi.
20Ary ny rahavavin'i Tapanesa niteraka zazalahy tamin'i Hadada, dia Genobata, izay notazan'i Tapanesa tao an-tranon'i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin'ny zanakalahin'i Farao tao an-dapa.
21In ko je slišal Hadad v Egiptu, da je David zaspal z očeti svojimi ter da je Joab, poveljnik vojske, mrtev, reče Faraonu: Odpusti me, da grem v svojo deželo.
21Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.
22Tedaj ga vpraša Faraon: Česa ti manjka pri meni, da hočeš iti v deželo svojo? Odgovori: Ničesar, pa me vsekakor pusti!
22Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
23In Bog mu je obudil drugega nasprotnika, Rezona, sina Eljadovega, ki je bil pobegnil gospodarju svojemu Hadadezerju, kralju v Zobi.
23Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24In zbral je k sebi mož in je postal načelnik trume, ko je David udaril Zobljane; in šli so v Damask in v njem prebivali in je zakraljeval v Damasku.
24Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25In bil je nasprotnik Izraelu vse dni Salomonove; in to je bilo nad zlo, ki mu ga je napravljal Hadad; in gnusilo se mu je do Izraela, in zakraljeval je v Siriji.
25Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26Tudi Jeroboam, sin Nebatov, Efraimec iz Zerede, hlapec Salomonov, (čigar mati se je imenovala Zerua, in bila je vdova), je vzdignil roko zoper kralja.
26Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
27In to je vzrok, zakaj je vzdignil roko zoper kralja: Salomon je zidal Milo in je zadelal razpoklino mesta Davida, očeta svojega.
27Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy; [Heb. fiarovana]
28Tisti mož pa, Jeroboam, je bil vrl junak, in ko je Salomon videl mladeniča, da je marljiv, ga je postavil nad vso tlako Jožefove hiše.
28ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.
29Zgodi se pa v tistem času, ko je Jeroboam šel iz Jeruzalema, da ga zaloti na potu prorok Ahija Silonski; ogrnil se je pa bil z novim oblačilom, in bila sta sama na polju.
29Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30In prime Ahija novo oblačilo, ki ga je imel na sebi, ter ga raztrga na dvanajst kosov
30Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo.
31in veli Jeroboamu: Vzemi si deset kosov! kajti tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Glej, hočem odtrgati kraljestvo iz roke Salomonove in tebi dati deset rodov:
31Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
32(en rod pa naj mu ostane zaradi hlapca mojega Davida in zaradi Jeruzalema, mesta, ki sem ga izvolil izmed vseh rodov Izraelovih)
32(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),
33zato, ker so me zapustili ter se priklanjali Astoreti, boginji Sidoncev, Kamosu, bogu Moabcev, in Milkomu, bogu sinov Amonovih, in niso hodili po mojih potih, da se ravnajo po tem, kar je prav v mojih očeh, in po mojih postavah in sodbah kakor David, oče njegov.
33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
34Nočem mu pa vzeti vsega kraljestva iz roke, ampak postavim ga za kneza vse dni življenja njegovega zaradi Davida, hlapca svojega, ki sem ga izvolil, ki se je ravnal po zapovedih in postavah mojih.
34Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
35Vzamem pa kraljestvo iz roke sinu njegovega ter ga dam tebi, namreč desetero rodov.
35fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
36A sinu njegovemu dam en rod, da bo imel David, hlapec moj, svetilo vselej pred obličjem mojim v Jeruzalemu, v mestu, ki sem si ga izvolil, da ondi postavim ime svoje.
36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
37Tebe torej vzamem, in gospodoval boš vsemu, kakor želi duša tvoja, in bodeš kralj nad Izraelom.
37Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.
38In ako boš poslušal vse, kar ti zapovedujem, in hodil po mojih potih in delal, kar je prav v mojih očeh, izpolnjujoč moje postave in zapovedi, kakor je delal hlapec moj David: hočem biti s teboj in ti postaviti hišo stanovitno, kakor sem jo postavil Davidu, in ti dati Izraela.
38Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao]
39In zaradi tega bom poniževal seme Davidovo, a ne vse dni.
39Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
40Salomon pa je gledal, kako bi usmrtil Jeroboama, ali Jeroboam vstane in zbeži v Egipt k Sisaku, kralju egiptovskemu, in bil je v Egiptu do smrti Salomonove.
40Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.
41O drugih pa rečeh Salomonovih in o vsem, kar je storil, in o modrosti njegovi, ni li zapisano v knjigi dejanj Salomonovih?
41Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany?
42Časa pa, ki je v njem Salomon kraljeval v Jeruzalemu vsemu Izraelu, je bilo štirideset let.In legel je Salomon k očetom svojim in bil je pokopan v mestu Davida, očeta svojega; in Roboam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
42Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
43In legel je Salomon k očetom svojim in bil je pokopan v mestu Davida, očeta svojega; in Roboam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
43Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.