Slovenian

Malagasy

1 Kings

12

1In Roboam je šel v Sihem, kajti ves Izrael je prišel v Sihem, da ga postavijo za kralja.
1[Ny niodinan'ny firenena folo, sy ny niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
2In slišal je o tem Jeroboam, sin Nebatov (bil pa je še v Egiptu, kamor je bil zbežal izpred kralja Salomona; prebival je torej Jeroboam v Egiptu,
2Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;
3in poslali so ter ga poklicali). In pride Jeroboam in ves zbor Izraelov in govoré k Roboamu, rekoč:
3ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
4Oče tvoj nam je preobtežal jarem; sedaj torej nam polajšaj pretrdo službo očeta svojega in težki jarem, ki nam ga je naložil, in bomo ti služili.
4Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
5In on jim reče: Odidite še do tretjega dne, potem se vrnite k meni. In ljudstvo odide.
5Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
6In kralj Roboam se je posvetoval s starci, ki so stali v službi pri njegovem očetu Salomonu, ko je še živel, rekoč: Kako mi svetujete, da naj odgovorim temu ljudstvu?
6Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
7In ga ogovore in reko: Ako se danes postrežljivega izkažeš temu ljudstvu in mu storiš po volji in če jih uslišiš in jim govoriš prijazne besede, ti bodo hlapci vse dni.
7Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
8Ali on je zavrgel svet starcev, ki so mu ga dali, in se je posvetoval z mladeniči, ki so vzrasli ž njim in so stali v službi pred njim.
8Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy
9In jih vpraša: Kaj svetujete, da naj odgovorimo temu ljudstvu, ki so govorili k meni, rekoč: Polajšaj jarem, ki nam ga je naložil oče tvoj!
9ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
10Tedaj mu reko mladiči, ki so ž njim vzrasli: Ljudstvu, ki ti je dejalo: Oče tvoj nam je preobtežal jarem, ti pa nam ga polajšaj! takole odgovóri: Moj mali prst je večji nego mojega očeta ledje.
10Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
11Sedaj torej: oče moj vas je obremenil s težkim jarmom, a jaz še pridenem jarmu vašemu; oče moj vas je tepel z biči, jaz pa vas bom s trnovkami.
11koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
12Tedaj pride Jeroboam in vse ljudstvo k Roboamu tretji dan, kakor je kralj velel, rekoč: Pridite k meni zopet tretji dan.
12Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.
13In kralj je odgovoril ljudstvu trdo in zapustil svet starcev, ki so mu ga bili dali,
13Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy
14ter jim je govoril po svetu mladičev takole: Oče moj vam je naložil težek jarem, jaz pa še pridenem jarmu vašemu; oče moj vas je tepel z biči, jaz pa vas bom s trnovkami.
14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
15Kralj torej ni ugodil ljudstvu, kajti GOSPOD je tako ravnal, da potrdi besedo svojo, ki jo je govoril GOSPOD po Ahiju Silonskem Jeroboamu, sinu Nebatovemu.
15Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
16In ko je videl ves Izrael, da jim kralj ni ugodil, odgovori ljudstvo kralju in reče: Kakšen delež nam je v Davidu? in dediščine nimamo v sinu Jesejevem. K svojim šatorom, o Izrael! Sedaj glej hišo svojo, David! In Izrael se je razšel v šatore svoje.
16Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
17Samo sinovom Izraelovim, ki so prebivali v Judovih mestih, je kraljeval Roboam.
17Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .
18Nato pošlje kralj Roboam Adorama, ki je bil nad roboto, a ves Izrael ga je lučal s kamenjem, da je umrl. In pohiti kralj Roboam in stopi na svoj voz, da pobegne v Jeruzalem.
18Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
19Tako je odstopil Izrael od hiše Davidove do tega dne.
19Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
20In ko zasliši ves Izrael, da se je vrnil Jeroboam iz Egipta, pošljejo ga poklicat v ljudski zbor, ter ga postavijo za kralja nad vsem Izraelom. Nihče ni šel za hišo Davidovo nego Judov rod edini.
20Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
21Ko pa dospe Roboam v Jeruzalem, zbere vso hišo Judovo in rod Benjaminov, sto in osemdeset tisoč izbranih vojščakov, da se bojujejo s hišo Izraelovo in zopet pridobe kraljestvo Roboamu, sinu Salomonovemu.
21Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
22Pa pride beseda Božja Semaju, možu Božjemu, govoreč:
22Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
23Govóri Roboamu, sinu Salomonovemu, Judovemu kralju, in vsej hiši Judovi in Benjaminovi in drugemu ljudstvu, in véli:
23Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:
24Tako pravi GOSPOD: Ne hodite gori in ne bojujte se s svojimi brati, sinovi Izraelovimi; vrnite se vsak v hišo svojo, zakaj od mene je prišla ta reč. In slušali so besedo GOSPODOVO in se vrnili domov, kakor je velel GOSPOD.
24Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
25Tedaj je Jeroboam sezidal Sihem na Efraimskem gorovju in prebival v njem; in odtod je šel dalje in sezidal Penuel.
25[Ny nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy kely volamena tao Betela sy Dana] Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.
26Dejal je pa Jeroboam v srcu svojem: Kraljestvo bi se sedaj lahko povrnilo hiši Davidovi.
26Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;
27Ako hodi to ljudstvo gori darovat žrtve v hiši GOSPODOVI v Jeruzalemu, se obrne srce tega ljudstva h gospodarju svojemu, k Roboamu, kralju Judovemu, in me bodo umorili ter se povrnili k Roboamu, kralju Judovemu.
27fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
28Zato se je kralj posvetoval, ter naredi dve zlati teleti in jim veli: Preveč je za vas hoditi gori v Jeruzalem! Glej, to so bogovi tvoji, Izrael, ki so te pripeljali gori iz dežele Egiptovske!
28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
29In postavi eno v Betel, eno pa v Dan.
29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
30In ta reč je postala v greh, zakaj ljudstvo je hodilo molit pred tisto eno tele tja do Dana.
30Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.
31In napravil je hiše višav in postavil za duhovnike vsake vrste ljudi, ki niso bili izmed sinov Levijevih.
31Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.
32In določil je praznik v osmem mesecu, petnajsti dan meseca, po podobi praznika, ki je bil na Judovem, in je daroval na oltarju. Tako je storil v Betelu ter je daroval teletoma, ki ju je bil naredil; in namestil je v Betelu duhovnike višav, ki jih je napravil.In stopil je gori k oltarju, ki ga je zgradil v Betelu, petnajsti dan osmega meseca, tistega meseca, ki si ga je izmislil v srcu svojem; in je napravil praznik sinovom Izraelovim ter je pristopil k oltarju zažigat kadilo.
32Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
33In stopil je gori k oltarju, ki ga je zgradil v Betelu, petnajsti dan osmega meseca, tistega meseca, ki si ga je izmislil v srcu svojem; in je napravil praznik sinovom Izraelovim ter je pristopil k oltarju zažigat kadilo.
33Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.