1A glej, mož Božji pride z Judovega po besedi GOSPODOVI v Betel, in Jeroboam stoji pri oltarju, da zažge kadilo.
1[Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
2In zakliče zoper oltar po besedi GOSPODOVI in reče: Oltar, oltar, tako pravi GOSPOD: Glej, sin se bo rodil hiši Davidovi, po imenu Josija, in na tebi bo daroval duhovnike višav, ki žgo kadilo na tebi, in človeške kosti bodo palili na tebi.
2Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
3In dal je tisti dan znamenje, rekoč: To je znamenje, da je govoril GOSPOD: Glej, oltar se razpoči in pepel, ki je na njem, se razsuje.
3Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
4In ko zasliši kralj besedo moža Božjega, ki jo je vzkliknil zoper oltar v Betelu, iztegne Jeroboam roko svojo od oltarja pa veli: Primite ga! A roka njegova, ki jo je iztegnil zoper njega, je usehnila, da je ni mogel zopet potegniti k sebi.
4Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]
5Oltar se je tudi razpočil in pepel se je razsul z oltarja natančno po znamenju, ki ga je bil dal mož Božji po besedi GOSPODOVI.
5Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
6In kralj izpregovori ter reče možu Božjemu: Poprosi, prosim, blagovoljnosti GOSPODA, Boga svojega, in moli zame, da se mi zopet povrne roka moja. Nato zaprosi mož Božji blagovoljnosti GOSPODOVE, in kralju se je roka povrnila in bila je zdrava kakor prej.
6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
7Tedaj ogovori kralj moža Božjega: Pojdi z mano domov in se pokrepčaj, in dam ti darilo.
7Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
8A mož Božji reče kralju: Ko bi mi dal polovico hiše svoje, ne pojdem s teboj, ker nočem jesti kruha, ne piti vode na tem mestu.
8Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
9Zakaj tako mi je zapovedano po besedi GOSPODOVI, ki mi je velela: Ne jej ondi kruha in ne pij vode, tudi se ne vračaj po potu, po katerem si šel.
9fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.
10In odšel je po drugem potu, da se ne vrne po tistem potu, po katerem je prišel v Betel.
10Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.
11Neki star prorok pa je prebival v Betelu; k temu pridejo sinovi njegovi ter mu pripovedujejo vse, kar je storil mož Božji tisti dan v Betelu; tudi besede, ki jih je govoril kralju, povedo očetu svojemu.
11Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.
12In vpraša jih njih oče: Po katerem potu je odšel? In pokažejo mu sinovi njegovi pot, po katerem je odšel mož Božji, ki je bil prišel z Judovega.
12Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13Nato veli sinovom svojim: Osedlajte mi osla! In ko so mu osedlali osla, je jezdeč na njem
13Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
14šel za možem Božjim ter ga je zalotil sedečega pod hrastom in mu reče: Si li ti mož Božji, ki je prišel z Judovega? Odgovori: Sem.
14Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
15Tedaj mu reče: Pojdi z mano domov in zaužij kruha!
15Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
16On pa reče: Ne smem se vrniti in s teboj iti, tudi nočem s teboj jesti kruha, ne piti vode na tem mestu;
16Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
17zakaj bilo mi je rečeno po besedi GOSPODOVI: Ne jej ondi kruha in ne pij vode! po poti, po kateri si prišel, se zopet ne vračaj!
17satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18Ta mu pa reče: Tudi jaz sem prorok kakor ti in angel mi je govoril po besedi GOSPODOVI, veleč: Pelji ga nazaj s seboj v hišo svojo, da užije kruha in pije vode. To pa se mu je zlagal.
18Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
19Vrne se torej ž njim, da zaužije kruha in se napije vode v hiši njegovi.
19Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20Ko sta pa sedela pri mizi, pride beseda GOSPODOVA proroku, ki ga je nazaj pripeljal,
20Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;
21in zavpije proti možu Božjemu, ki je prišel z Judovega, rekoč: Tako pravi GOSPOD: Ker si bil nepokoren ustom GOSPODOVIM in nisi izpolnil zapovedi, ki ti jo je zapovedal GOSPOD, Bog tvoj,
21ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
22temuč si se vrnil in jedel kruh in pil vodo na tem mestu, o katerem ti je velel: Ne jej ondi kruha in ne pij vode: zato ne pride truplo tvoje v očetov tvojih grob!
22fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
23In potem, ko je zaužil kruha in se napil, mu je osedlal osla, proroku, katerega je bil vrnil.
23Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny.
24In ko je šel, naleti nanj lev na poti ter ga usmrti; in truplo njegovo je ležalo na poti in osel je stal pri njem, lev pa je tudi stal poleg trupla.
24Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.
25In glej, ljudje so šli mimo in videli truplo na tleh na poti in leva stoječega pri truplu, in pridejo ter oznanijo v mestu, kjer je prebival stari prorok.
25Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra.
26In ko to začuje prorok, ki ga je nazaj pripeljal s pota, reče: Mož Božji je, ki je bil nepokoren ustom GOSPODOVIM; zato ga je GOSPOD izročil levu, ki ga je raztrgal in usmrtil po besedi GOSPODOVI, ki mu jo je bil govoril.
26Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
27In govori s sinovi svojimi in veli: Osedlajte mi osla! In osedlajo.
27Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
28In odide in najde truplo njegovo na poti ter osla in leva, stoječa pri truplu. Ni jedel lev trupla in ni strl osla.
28Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
29Tedaj vzdigne prorok truplo moža Božjega ter ga dene na osla in prinese nazaj, in pridejo v mesto starega proroka, da žalujejo in ga pokopljejo.
29Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
30In on položi truplo njegovo v svoj grob, in žalujejo nad njim, govoreč: Gorje, moj brat!
30Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31In ko ga je pokopal, govori sinovom svojim in reče: Kadar umrjem, pokopljite me v grobu, v katerem je pokopan mož Božji; poleg njegovih kosti položite kosti moje.
31Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako;
32Zakaj gotovo se izpolni napoved, katero je po besedi GOSPODOVI klical zoper oltar v Betelu in zoper vse hiše višav, ki so po mestih Samarije.
32fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
33Ali po tej zgodbi se Jeroboam ni odvrnil s hudobne poti svoje, ampak je postavil še več duhovnikov višavam izmed vsake vrste ljudi: kdorkoli mu je ugajal, njega je posvetil, da bodi duhovnik višavam.In ta reč je postala v greh hiši Jeroboamovi, da je morala izginiti in biti potrebljena s površja zemlje.
33Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.
34In ta reč je postala v greh hiši Jeroboamovi, da je morala izginiti in biti potrebljena s površja zemlje.
34Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.