Slovenian

Malagasy

1 Kings

14

1V tem času je zbolel Abija, sin Jeroboamov.
1[Ny nanjakan'i Jeroboama tamin'ny Isiraely] Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.
2In Jeroboam reče ženi svoji: Vstani, prosim, in preobleci se, da te ne spoznajo, da si žena Jeroboamova, ter pojdi v Silo; glej, tam je Ahija prorok, ki je govoril o meni, da bodem kralj temu ljudstvu.
2Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
3In vzemi s seboj deset kruhov in kolačev in posodo medu ter pojdi k njemu; on ti naznani, kaj se zgodi z dečkom.
3Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
4In žena Jeroboamova stori tako, in vstane ter odide v Silo in pride v hišo Ahijevo. Ahija pa ni mogel videti, kajti oči so mu bile premrle od starosti.
4Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
5A GOSPOD je rekel Ahiju: Glej, žena Jeroboamova prihaja, vprašat te besedo zastran sina svojega; bolan je namreč. Zato ji govóri tako in tako! Kajti ko pride noter, se bo delala za tujo.
5Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
6Ko torej zasliši Ahija šum njenih nog, brž ko je stopila med duri, ji veli: Pridi le, žena Jeroboamova! Čemu se delaš za tujko? kajti jaz ti sem poslan s trdim poročilom.
6Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
7Pojdi, povej Jeroboamu: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Ker sem te povišal izmed ljudstva in te postavil za vojvodo ljudstvu svojemu Izraelu
7Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
8in sem odtrgal kraljestvo od hiše Davidove ter ga dal tebi, ti pa nisi bil kakor hlapec moj David, ki je izpolnjeval zapovedi moje in hodil za menoj z vsem srcem svojim, da bi delal samo to, kar je prav v mojih očeh,
8ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
9temuč si delal hudo bolj nego vsi, ki so bili pred teboj; odšel si in si naredil drugih bogov in ulitih podob, da bi me dražil v jezo, mene pa si vrgel za hrbet svoj:
9fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
10zato, glej, pripravim nesrečo nad Jeroboamovo hišo in iztrebim od Jeroboamovih vsakega moškega, i sužnjega i prostega v Izraelu, in dočista izmetem hišo Jeroboamovo, kakor se blato izmete, da ga ni več.
10koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
11Njega, ki od Jeroboamovih umre v mestu, bodo žrli psi, kdor pa umre na polju, njega bodo žrle ptice nebeške, kajti GOSPOD je govoril to.
11Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
12Vstani torej in pojdi domov, in kadar stopi noga tvoja v mesto, umrje deček.
12Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
13In ves Izrael bo žaloval po njem, in ga pokopljejo, zakaj on edini od Jeroboamovih pride v grob, ker se je na njem našlo nekaj dobrega proti GOSPODU, Bogu Izraelovemu, v hiši Jeroboamovi.
13Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
14GOSPOD pa si obudi kralja nad Izraelom, ki zatre hišo Jeroboamovo tisti dan. In kako je že danes!
14Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
15In GOSPOD udari Izraela, da se bo majal kakor trst v vodi, in izdere Izraela iz te dobre dežele, ki jo je dal njih očetom, ter jih razkropi onostran velereke, zato ker so si napravili svoje Ašere, da bi dražili GOSPODA v jezo.
15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah. [Eofrata]
16In izda Izraela sovražniku zaradi grehov Jeroboamovih, s katerimi je grešil in v greh zapeljeval Izraela.
16Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
17Vstane torej žena Jeroboamova in odide in dospe v Tirzo, in ko stopi na prag hiše, umrje deček.
17Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
18In so ga pokopali, in ves Izrael je žaloval za njim, kakor je bil govoril GOSPOD po hlapcu svojem, Ahiju proroku.
18dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.
19Druge zgodbe Jeroboamove pa, kako se je bojeval in kako je kraljeval, glej, pisano je v knjigi letopisov kraljev Izraelovih.
19Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
20Dni pa, v katerih je kraljeval Jeroboam, je bilo dvaindvajset let. In legel je k očetom svojim, in Nadab, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
20Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
21Roboam pa, sin Salomonov, je kraljeval na Judovem. Roboam je bil enoinštirideset let star, ko je zakraljeval, in sedemnajst let je vladal v Jeruzalemu, v mestu, ki si ga je izvolil GOSPOD iz vseh rodov Izraelovih, da ondi postavi ime svoje. In matere njegove ime je bilo Naama Amonka.
21[Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
22In Juda je delal, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, in dražili so ga h gorečnosti z grehi svojimi, ki so jih počenjali mimo vsega, kar so storili njih očetje.
22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany.
23Kajti napravljali so si tudi višave in stebre s podobami in Ašere na vsakem visokem hribu in pod vsakim zelenim drevesom.
23Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
24Pa tudi nečistosti posvečeni moški so bili v deželi, ti so počenjali vse gnusobe poganskih narodov, ki jih je bil GOSPOD pregnal pred sinovi Izraelovimi.
24Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
25In zgodi se v petem letu kralja Roboama, da pride gori Sisak, kralj egiptovski, proti Jeruzalemu.
25Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema;
26Ta je pobral zaklade hiše GOSPODOVE in zaklade hiše kraljeve in vse, kar se je dalo vzeti, tudi vse ščite zlate je pobral, ki jih je bil napravil Salomon.
26dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona
27Namesto njih je naredil kralj Roboam ščite iz brona ter jih je izročil poveljnikom straže, ki so čuvali vrata hiše kraljeve.
27Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka
28In kadarkoli je kralj šel v hišo GOSPODOVO, so jih nosili stražarji, in potem so jih zopet prinesli v stražarnico.
28Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
29Druge zgodbe Roboamove pa in vse, kar je storil, ni li pisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?
29Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
30Boj pa je bil med Roboamom in Jeroboamom vse njiju žive dni.In Roboam je legel k očetom svojim, in pokopali so ga z očeti njegovimi v mestu Davidovem; ime matere njegove pa je bilo Naama Amonka. In Abijam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
30Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
31In Roboam je legel k očetom svojim, in pokopali so ga z očeti njegovimi v mestu Davidovem; ime matere njegove pa je bilo Naama Amonka. In Abijam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
31Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.