Slovenian

Malagasy

1 Kings

18

1In po mnogih dneh pride beseda GOSPODOVA k Eliju, v tretjem letu, in veli: Pojdi, pokaži se Ahabu, da dam dežja na zemljo.
1[Ny nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
2Šel je torej Elija, da se pokaže Ahabu. Bila je pa velika lakota v Samariji.
2Dia niainga Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
3In Ahab pokliče Obadija, ki je bil oskrbnik dvorca (Obadija se je pa silno bal GOSPODA;
3Ary Ahaba niantso an'i Obadia, izay lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i Jehovah tokoa,
4in zgodilo se je, ko je Jezabela morila proroke GOSPODOVE, da je Obadija vzel sto prorokov in jih je skril v jami, tu petdeset in tam petdeset, ter jih je oskrboval s kruhom in z vodo).
4ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5In Ahab veli Obadiju: Pojdi po deželi do vseh studencev in do vseh potokov, če morda kje najdemo trave in ohranimo konje in mezge, da ne izgubimo vse živine.
5Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy hatrany amin'ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
6Razdelita si torej deželo, da jo prehodita; Ahab gre po eni poti sam in po drugem potu Obadija sam.
6Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin'ny lalana iray.
7In ko je Obadija na poti, glej, pride mu Elija naproti; in ga spozna ter pade na obraz in reče: Si li ti, gospod moj Elija?
7Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
8On odgovori: Jaz sem. Pojdi, povej svojemu gospodu: Glej, Elija je tu.
8Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
9On pa reče: Kaj sem pregrešil, da hočeš dati mene, hlapca svojega, Ahabu v roko, da me umori?
9Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan'i Ahaba hamonoany ahy?
10Kakor resnično živi GOSPOD, Bog tvoj, ni ga naroda ali kraljestva, kamor ni poslal moj GOSPOD te iskat; in ko so rekli: Ni ga tukaj, je zahteval prisego od tistega kraljestva in naroda, da te niso našli.
10Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
11In sedaj mi veliš: Pojdi, povej gospodu svojemu: Glej, Elija je tu!
11Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12Lahko se zgodi, ko odidem od tebe, da te duh GOSPODOV odnese ne vem kam; in ko pridem in povem Ahabu zate, on pa te ne najde, tedaj me umori. In hlapec tvoj se boji GOSPODA od mladosti svoje.
12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13Niso li tebi, gospodu mojemu, povedali, kaj sem storil, ko je Jezabela morila proroke GOSPODOVE? Da sem jih skril sto izmed prorokov GOSPODOVIH v jami, tu petdeset, tam petdeset, in sem jih oskrboval s kruhom in z vodo?
13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14In sedaj mi veliš: Pojdi, povej gospodu svojemu: Glej, Elija je tu! In me umori.
14Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
15In Elija reče: Kakor res živi GOSPOD nad vojskami, ki stojim pred njega obličjem, gotovo se mu pokažem danes!
15Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
16Tedaj gre Obadija naproti Ahabu in mu to naznani. Ahab pa krene Eliju naproti.
16Dia lasa Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i Elia.
17In ko Ahab ugleda Elija, mu reče: Si li tu ti, ki spravljaš v nesrečo Izraela?
17Ary nony hitan'i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin'ny Isiraely!
18On odgovori: Nisem jaz spravil v nesrečo Izraela, temuč ti in tvojega očeta hiša s tem, da ste zapustili zapovedi GOSPODOVE in si ti hodil za Baali.
18Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin'ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin'ny rainao ihany tamin'ny nandavanareo ny didin'i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
19Sedaj torej pošlji in zberi k meni vsega Izraela pri gori Karmelu in prorokov Baalovih štiristo in petdeset, tudi štiristo prorokov Ašerinih, ki jedo z mize Jezabeline.
19Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.
20Ahab torej pošlje do vseh sinov Izraelovih in zbere proroke pri gori Karmelu.
20Dia naniraka tany amin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21In Elija stopi pred vse ljudstvo in reče: Kako dolgo omahujete na dve strani? Je li GOSPOD Bog, hodite za njim, če pa je Baal, hodite za njim! In ljudstvo mu ne odgovori besede.
21Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
22Tedaj reče Elija ljudstvu: Jaz, jaz sam sem ostal prorok GOSPODOV, a prorokov Baalovih je štiristo in petdeset mož.
22Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.
23Dajte nam torej dva junca, in oni naj si izbero junca zase in ga razsekajo in polože na drva, ognja pa naj ne zanetijo; in jaz pripravim drugega junca ter ga položim na drva, ognja pa ne zanetim.
23Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
24In kličite ime svojega boga, jaz pa bom klical ime GOSPODOVO: in Bog, ki odgovori z ognjem, ta bodi Bog. In vse ljudstvo odgovori in reče: Prav si govoril.
24Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
25Nato reče Elija prorokom Baalovim: Izberite si enega junca in ga pripravite najprej, zakaj vas je veliko; in kličite ime svojega boga, ognja pa ne zanetite!
25Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
26In vzamejo junca, ki jim je bil dan, in ga pripravijo, pa kličejo ime Baalovo od jutra do poldne, govoreč: O Baal, usliši nas! A ni bilo glasu, ne odgovora. In skačejo okoli oltarja, ki so ga naredili.
26Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.
27In ko je bilo že poldne, jih zasmehuje Elija in veli: Vpijte prav glasno, saj je vendar bog! nemara da je zatopljen v misli, ali je šel na stran, ali je na potovanju; morda spi in se prebudi!
27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
28In vpijejo glasno in se po svoji šegi bodejo z nožmi in sulicami, da je kri po njih tekla.
28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin'ny tenany.
29In ko je minil poldan, še prorokujejo, dokler ne pride čas, da se prinese večerna daritev, a ni bilo glasu, ne odgovora, ne nikogar, ki bi poslušal.
29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
30Tedaj veli Elija vsemu ljudstvu: Pristopite k meni! In ko pristopi ljudstvo k njemu, popravi oltar GOSPODOV, ki je bil razdrt.
30Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava
31In Elija vzame dvanajst kamenov, po številu rodov sinov Jakoba, ki se mu je zgodila beseda GOSPODOVA, rekoč: Izrael bodi ime tvoje.
31ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
32In iz teh kamenov zgradi oltar v imenu GOSPODOVEM; in okoli oltarja naredi jarek, širok in globok za dvojno žitno merico.
32ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan'ny famarana. [Na: mahalany][Heb. sea]
33In pripravi drva ter razseka junca in ga položi na drva. Pa veli: Napolnite štiri vrče z vodo in jo izlijte na žgalno žrtev in na drva.
33Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo,
34In veli: Še v drugič storite to! In ko storé v drugič, veli: Storite še v tretjič! In store v tretje.
34dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
35In voda je tekla okoli oltarja; pa tudi jarek je napolnil z vodo.
35Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
36In ko pride čas, da se daruje večerna daritev, pristopi prorok Elija in reče: GOSPOD, Bog Abrahamov, Izakov in Izraelov, daj danes spoznati, da si ti Bog v Izraelu in da sem jaz hlapec tvoj in da sem storil vse to po besedi tvoji!
36Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
37Odgovóri mi, o GOSPOD, odgovori mi! da spozna to ljudstvo, da si ti, o GOSPOD, Bog in si ti sam preobrnil njih srce.
37Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
38Tedaj švigne doli ogenj GOSPODOV in požre žgalno daritev in drva in kamene in prst in poliže vodo, ki je bila v jarku.
38Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely.
39In ko vse ljudstvo vidi to, popadajo na obraze in govore: GOSPOD je Bog! GOSPOD je Bog!
39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
40Elija pa jim veli: Primite proroke Baalove, da njih nobeden ne ubeži! In so jih prijeli. In Elija jih popelje doli k potoku Kisonu in jih ondi pomori.
40Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
41In Elija veli Ahabu: Pojdi gori, jej in pij, kajti šumi, kakor da se bliža silen dež.
41Ary hoy Elia tamin'i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
42Ahab torej gre gori jest in pit. A Elija stopi na vrh Karmela in, pripognjen proti zemlji, skloni obraz svoj med kolena svoja.
42Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny
43In reče hlapcu svojemu: Pojdi gori in poglej proti morju! In gre gori in pogleda, pa reče: Ničesar ni. In mu veli: Pojdi spet tja, sedemkrat!
43Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
44In ob sedmem potu reče: Glej, oblaček vstaja iz morja, majhen kakor moška roka. Pa veli: Pojdi in reci Ahabu: Zaprezi in pelji se doli, da te dež ne zadrži!
44Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.
45In medtem malo po malo zatemni nebo z oblaki in vetrom, in nastane velik dež. In Ahab sede na voz in se pelje v Jezreel.Roka GOSPODOVA pa je bila nad Elijem, in opasal si je ledje in tekel pred Ahabom do vhoda v Jezreel.
45Ary vetivety dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin'ny kalesy ka nankany Jezirela.Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
46Roka GOSPODOVA pa je bila nad Elijem, in opasal si je ledje in tekel pred Ahabom do vhoda v Jezreel.
46Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.