Slovenian

Malagasy

1 Kings

19

1In Ahab je povedal Jezabeli vse, kar je storil Elija, tudi, kako je umoril vse proroke z mečem.
1[Ny nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
2In pošlje Jezabela sla k Eliju, da sporoči: Bogovi naj mi store to in to naj še pridenejo, ako ne storim jutri ob tem času z življenjem tvojim, kakor si storil z življenjem onih.
2Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
3In ko je zvedel to, vstane in odide zaradi življenja svojega in pride v Bersebo na Judovem in pusti ondi hlapca svojega.
3Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
4Sam pa gre dalje v puščavo, en dan hoda, in pride in sede pod brinov grm in prosi zase, da bi umrl, govoreč: Zadosti mi je! sedaj, o GOSPOD, vzemi dušo mojo; kajti nisem boljši nego očetje moji!
4Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
5In leže in zaspi pod brinovim grmom. A glej, angel se ga dotakne in mu veli: Vstani in jej!
5Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
6In se ozre, in glej, pri glavi njegovi je bil kruh, pečen na gorkih kamenih, pa vrč vode. In ko zaužije in se napije, leže zopet.
6Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
7In angel GOSPODOV pride zopet, v drugič, se ga dotakne in veli: Vstani in jej! kajti predolga je pot zate.
7Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
8In vstane in je in pije in potuje v moči tiste jedi štirideset dni in štirideset noči, dokler ne pride do gore Božje, Horeba.
8Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
9In ondi pride v votlino in tu prenoči. In glej, beseda GOSPODOVA pride k njemu in mu reče: Kaj tu delaš, Elija?
9Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
10Odgovori: Silno sem gorel za GOSPODA, Boga nad vojskami; zakaj sinovi Izraelovi so zapustili zavezo tvojo, oltarje tvoje so razdrli in proroke tvoje pomorili z mečem, in ostal sem jaz sam, pa še meni strežejo po življenju!
10Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
11In veli mu: Pojdi ven in stopi na goro pred GOSPODA! In glej, GOSPOD je šel mimo, in veter, velik in močan, je podiral gore in razbijal skale pred GOSPODOM; a GOSPODA ni bilo v vetru. Za vetrom pa pride potres, a GOSPODA ni v potresu.
11Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
12In za potresom ogenj, a GOSPODA ni v ognju. In za ognjem tih in mil glas.
12ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
13Ko pa to sliši Elija, si zagrne s plaščem obraz ter gre ven in se ustopi ob vhodu v votlino. In glej, glas mu izpregovori: Kaj delaš tu, Elija?
13Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?
14On reče: Silno sem gorel za GOSPODA, Boga nad vojskami; zakaj sinovi Izraelovi so zapustili zavezo tvojo, oltarje tvoje so razdrli in proroke tvoje pomorili z mečem, in ostal sem jaz sam, pa še meni strežejo po življenju.
14Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
15In GOSPOD mu veli: Pojdi, vrni se svojim potom po puščavi, v Damask; in ko prideš tja, pomazili Hazaela za kralja Siriji.
15Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
16Jehuja pa, sina Nimsijevega, pomazili za kralja nad Izraelom, in Elizeja, sina Safatovega, iz Abel-mehole, pomazili za proroka namesto sebe.
16Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
17In zgodi se, da kdor ubeži meču Hazaelovemu, ga umori Jehu, in kdor ubeži meču Jehujevemu, ga umori Elizej.
17Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
18Storil sem pa, da mi jih ostane sedem tisoč v Izraelu, vsa kolena, ki se niso pripogibala gred Baalom, in vsaka usta, ki ga niso poljubljala.
18Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
19In odide odondod ter zaloti Elizeja, sina Safatovega, da orje z dvanajstimi jarmi volov pred seboj, sam pa je bil pri dvanajstem. In Elija stopi k njemu in vrže svoj plašč na njega.
19Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
20In on popusti voli in teče za Elijem in reče: Dovoli mi, prosim, da poljubim očeta svojega in mater svojo, in potem pojdem za teboj! Ta mu veli: Idi, vrni se! Kajti kaj sem ti storil?In se obrne in odide od njega in vzame jarem volov ter ju zakolje; in skuha meso pri opravi, ki je bila na volih, in da ljudstvu, in so jedli. Potem vstane in hodi za Elijem in mu streže.
20Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]
21In se obrne in odide od njega in vzame jarem volov ter ju zakolje; in skuha meso pri opravi, ki je bila na volih, in da ljudstvu, in so jedli. Potem vstane in hodi za Elijem in mu streže.
21Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]