1Ben-hadad pa, kralj sirski, je zbral vso vojsko svojo, in bilo je pri njem dvaintrideset kraljev pa konj in vozov; in pride in oblega Samarijo in se bojuje zoper njo.
1[Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.
2In pošlje sporočnikov v mesto k Ahabu, kralju Izraelovemu, da mu reko: Tako pravi Ben-hadad:
2Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy
3Tvoje srebro in zlato je moje, in najboljše žene tvoje in otroci tvoji so tudi moji.
3hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4Kralj Izraelov pa odgovori in reče: Po besedi tvoji, gospod moj, kralj: tvoj sem in vse, kar imam.
4Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
5A sporočniki pridejo zopet in reko: Tako govori Ben-hadad: Ker sem poslal k tebi, rekoč: Meni daš srebro in zlato svoje in žene in otroke svoje,
5Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
6zato pošljem jutri ob tem času hlapce svoje k tebi, in preiščejo hišo tvojo in služabnikov tvojih hiše, in karkoli z veseljem gledaš, vzamejo v roke in odneso.
6koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7Tedaj skliče kralj Izraelov vse starejšine dežele in reče: Premislite, prosim, in glejte, da ima ta mož le hudo v mislih! Zakaj poslal je k meni po žene in otroke moje in po srebro in zlato moje, in mu nisem odklonil.
7Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
8In vsi starejšine in vse ljudstvo mu reče: Ne poslušaj ga in ne vdaj se mu!
8Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
9Zatorej veli sporočnikom Ben-hadadovim: Povejte gospodu mojemu, kralju: Vse, kar si sporočil hlapcu svojemu najprej, sem hotel storiti, a tega ne morem. In sporočniki odidejo in mu prineso ta odgovor.
9Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray;
10Tedaj pošlje Ben-hadad in mu sporoči: To naj mi bogovi store in to še pridenejo, ako bode dosti prahu v Samariji, da ga vzame vsak iz ljudstva mojega, ki ga vodim, le peščico!
10ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.
11Kralj Izraelov odgovori in reče: Povejte mu: Kdor se opasuje z mečem, naj se še ne hvali kakor oni, ki ga deva od sebe.
11Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
12In zgodi se, ko Ben-hadad sliši to sporočilo, ko je ravno pil s kralji v šatorih, da veli hlapcem svojim: Postavite se! In postavijo se v boj proti mestu.
12Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
13In glej, prorok pristopi k Ahabu, kralju Izraelovemu, in reče: Tako pravi GOSPOD: Si videl vso to preveliko množico? Glej, jaz ti jo danes dam v roke, da spoznaš, da sem jaz GOSPOD.
13Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
14In Ahab vpraša: Po kom? On odgovori: Tako pravi GOSPOD: Po mladeničih pokrajinskih poglavarjev. Nato vpraša: Kdo naj začne boj? Odgovori: Ti.
14Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.
15Tedaj prešteje mladeniče pokrajinskih poglavarjev, in bilo jih je dvesto in dvaintrideset; in za njimi prešteje vse ljudstvo, vse sinove Izraelove, sedem tisoč.
15Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
16In gredo ven opoldne. Ben-hadad pa je pil in se opijanil v šatorih z dvaintridesetimi kralji, ki so mu bili prišli v pomoč.
16Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
17A mladeniči pokrajinskih poglavarjev so šli ven prvi. In Ben-hadad pošlje pogledat, in oznanijo mu, rekoč: Možje gredo sem iz Samarije!
17Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
18On veli: Bodisi, da prihajajo po mir, ali da se gredo vojskovat, primite jih žive!
18Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
19Oni torej gredo iz mesta, mladeniči pokrajinskih poglavarjev, druga vojska pa za njimi,
19Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
20in vsak udari moža sebi nasproti; in Sirci zbeže, in Izrael dere za njimi. Ben-hadad pa, kralj sirski, je zbežal na konju z jezdeci.
20Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21In kralj Izraelov pride iz mesta in potolče konje in vozove in porazi Sirce z velikim pobojem.
21Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
22Potem pristopi prorok h kralju Izraelovemu in mu reče: Pojdi, ojači se in premisli in glej, kaj delaš; zakaj kralj Sirije pride gori zoper tebe, ko mine leto.
22Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.
23In služabniki sirskega kralja mu reko: Njih bogovi so bogovi gorá, zato so nas premagali. Da bi se mogli ž njimi bojevati na ravnem, gotovo jih zmagamo!
23Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
24Zatorej stóri to: Odstrani kralje, vsakega z njegovega mesta, in postavi namestnike na njih mesta!
24Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
25In oskrbi si vojsko, kakor je bila vojska, ki si jo izgubil, tudi konje in vozove, enake prejšnjim; in bojevali se bomo zoper nje na ravnem, in gotovo jih premagamo! In slušal je njih glas in je storil tako.
25ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.
26In ko je minilo leto, prešteje Ben-hadad Sirce in gre gori proti Afeku, da se bojuje zoper Izraela.
26Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.
27In sinovi Izraelovi se tudi preštejejo in oskrbe z živežem ter gredo proti njim; in sinovi Izraelovi se utabore nasproti njim kakor dve majhni čredi koz. Sircev pa je bilo polno v deželi.
27Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
28In mož Božji pristopi in reče kralju Izraelovemu: Tako pravi GOSPOD: Ker so dejali Sirci: GOSPOD je Bog gorá, a ni Bog dolin, zato dam vso to veliko množico v tvojo roko, in spoznate, da sem jaz GOSPOD.
28Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
29In taborili so eni nasproti drugim sedem dni. Sedmi dan pa se vname bitka, in sinovi Izraelovi pobijejo izmed Sircev stotisoč pešcev v enem dnevi.
29Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.
30Preostali pa so bežali v Afek, v mesto, in zidovje je padlo na preostalih sedemindvajset tisoč mož. Ben-hadad je tudi zbežal in pritekel v mesto, iz hrama v hram bežeč.
30Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny. [Na: nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]
31In hlapci njegovi mu reko: Poglej, slišali smo, da so kralji Izraelove hiše milostivi kralji; dovoli, prosimo, da si denemo raševnike okoli ledij in vrvi ob tilnike, pa pojdemo ven h kralju Izraelovemu; lahko da te ohrani v življenju.
31Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay]
32Opašejo si torej raševnike in denejo vrvi ob tilnike in pridejo h kralju Izraelovemu, pa reko: Hlapec tvoj Ben-hadad pravi: Prosim te, daj mi živeti! On pa reče: Živi li še? Brat je moj!
32Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay]
33To pa so smatrali možje za dobro znamenje in so hitro povzeli to besedo od njega in dejali: Brat tvoj je Ben-hadad. Nato on veli: Pojdite, pripeljite ga! Tedaj pride Ben-hadad ven k njemu, in on mu veli stopiti na svoj voz.
33Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy]
34In Ben-hadad reče: Mesta, ki jih je vzel moj oče tvojemu očetu, ti povrnem, in napravi si ulice v Damasku, kakor je oče moj napravil v Samariji. Jaz pa, reče Ahab, te izpustim s to zavezo. Storil je torej ž njim zavezo in ga je odpustil.
34Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
35In neki mož izmed proroških sinov reče tovarišu svojemu po besedi GOSPODOVI: Udari me, prosim! A mož ga ni hotel udariti.
35Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
36Tedaj mu reče: Ker nisi slušal glasu GOSPODOVEGA, glej, umori te lev, brž ko pojdeš od mene. In komaj je šel od njega, naleti nanj lev in ga umori.
36Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.
37Nato se nameri na drugega moža ter mu reče: Udari me, prosim! In mož ga krepko udari in rani.
37Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
38Prorok pa odide in se postavi kralju na poti in se pretvori z oglavno povezo nad očmi.
38Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy.
39In ko gre kralj mimo, kliče kralju in reče: Hlapec tvoj je šel med boj, in glej, nekdo stopi vstran in mi pripelje moža in veli: Varuj tega moža! Ako ga bodo pogrešili, bode življenje tvoje namesto življenja njegovega, ali pa boš moral plačati talent srebra.
39Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
40Ko pa je hlapec tvoj imel tu in tam opravilo, je mož izginil. In kralj Izraelov mu reče: Taka je sodba tvoja; sam si jo izrekel.
40Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
41Tedaj sname hitro povezo z oči; in kralj Izraelov ga spozna, da je izmed prorokov.
41Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny mpaminany izy.
42On pa mu reče: Tako pravi GOSPOD: Ker si pustil iz roke svoje moža, ki sem ga jaz izročil pogubi, zato bo življenje tvoje za njega življenje in ljudstvo tvoje za njegovo ljudstvo!In kralj Izraelov je šel hude volje in srdit v hišo svojo in je dospel v Samarijo.
42Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema]Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
43In kralj Izraelov je šel hude volje in srdit v hišo svojo in je dospel v Samarijo.
43Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.