1In zgodi se po teh rečeh, da je imel Nabot Jezreelčan vinograd, ki je bil v Jezreelu poleg palače Ahaba, kralja v Samariji.
1[Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
2In Ahab ogovori Nabota in reče: Daj mi svoj vinograd, da si napravim iz njega zelnik, ker je blizu, tik hiše moje, in dam ti zanj boljši vinograd, ali, če ti je prav, dam ti srebra zanj, kolikor je vreden.
2Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
3Nabot pa reče Ahabu: GOSPOD mi ne daj, da bi dal očetov svojih dediščino tebi!
3Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
4In Ahab pride domov hude volje in srdit zaradi besede, ki mu jo je govoril Nabot Jezreelčan; kajti dejal mu je: Nikar ti ne dam očetov svojih dediščine! In leže na posteljo, obrne obraz in noče užiti kruha.
4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
5Tedaj pride noter k njemu Jezabela, žena njegova, in ga ogovori: Zakaj je duh tvoj tako užaljen, da še kruha ne ješ?
5Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
6In ji reče: Ker sem govoril z Nabotom Jezreelčanom in mu rekel: Daj mi vinograd svoj za denar, ali pa ti dam, če ti je pogodu, drug vinograd zanj; on pa mi je odgovoril: Ne dam ti vinograda svojega!
6Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
7In Jezabela, žena njegova, mu reče: Ne vladaš li ti sedaj kraljestva Izraelovega? Vstani in jej kruh in bodi dobre volje! Jaz ti hočem dati vinograd Nabota Jezreelčana.
7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin'ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita.
8Nato napiše liste v imenu Ahabovem in jih zapečati ž njegovim pečatom, in pošlje liste starejšinam in plemenitnikom, ki so prebivali z Nabotom v mestu njegovem.
8Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahaba, ka notombohiny tamin'ny fanombohan-kasen'andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin'ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin'i Nabota.
9In pisala je v listih takole: Razglasite post in posadite Nabota med prvake ljudstva;
9Ary izao no nosoratany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan'ny olona Nabota.
10in postavite dva moža, otroka Belijalova, proti njemu, da pričujeta zoper njega: Proklel si Boga in kralja. Nato ga peljite ven in ga lučajte s kamenjem, da umrje.
10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
11In njegovi someščani, starejšine in plemenitniki, ki so prebivali v mestu njegovem, store, kakor jim je Jezabela ukazala, prav kakor je bilo ukazano v listih, ki jih jim je poslala.
11Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan'i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin'ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
12Razglasijo post in posade Nabota med prvake ljudstva.
12Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an'i Nabota teo anatrehan'ny olona.
13In prideta tista dva moža, otroka Belijalova, in stopita predenj, in tista moža Belijalova izpričata zoper Nabota vpričo ljudstva, govoreč: Nabot je proklel Boga in kralja. Tedaj ga odvedejo iz mesta in ga lučajo s kamenjem, da je umrl.
13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin'ny olona nivoaka teny ivelan'ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
14Nato pošljejo k Jezabeli in sporoče: Nabot je s kamenjem posut in mrtev.
14Dia naniraka tany amin'i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
15In kakor hitro zasliši Jezabela, da je Nabot s kamenjem posut in mrtev, veli Jezabela Ahabu: Vstani, posedi vinograd Nabota Jezreelčana, ki ti ga ni hotel dati za denar, kajti Nabot ne živi več, mrtev je.
15Ary rehefa ren'i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
16In ko Ahab sliši, da je Nabot mrtev, vstane precej, da bi šel doli v vinograd Nabota Jezreelčana in ga vzel v posest.
16Ary rehefa ren'i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
17A beseda GOSPODOVA pride Eliju Tisbljanu, veleč:
17Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:
18Vstani, pojdi doli naproti Ahabu, kralju Izraelovemu, ki prebiva v Samariji; glej, on je v vinogradu Nabotovem, kamor je šel, da ga vzame v posest.
18Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
19In govóri mu, rekoč: Tako pravi GOSPOD: Nisi li ubil in po sili vzel? In govóri ž njim in reci: Tako pravi GOSPOD: Na mestu, kjer so psi lizali Nabotovo kri, bodo lizali tudi tvojo, prav tvojo.
19Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
20In Ahab reče Eliju: Si me li našel, sovražnik moj? On odgovori: Našel sem te, zato ker si se prodal, da delaš, kar je hudo v očeh GOSPODOVIH.
20Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.
21Glej, jaz pripravim nesrečo nadte in dočista te izmetem, in iztrebim od Ahabovih vsakega moškega, sužnja in prostega v Izraelu,
21Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.
22in storim s hišo tvojo kakor s hišo Jeroboama, sina Nebatovega, in kakor s hišo Baasa, sina Ahijevega, zaradi draženja, s katerim si me dražil, in da si Izraela zapeljeval v greh.
22Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
23Tudi o Jezabeli je govoril GOSPOD in rekel: Psi bodo žrli Jezabelo ob obzidju jezreelskem.
23Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.
24Kdor umre od Ahabovih v mestu, ga bodo žrli psi, in njega, ki umre na polju, bodo žrle ptice nebeške.
24Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.
25(Saj ni bilo nikogar mimo Ahaba, ki se je prodal, da bi delal, kar je zlo v očeh GOSPODOVIH, ker ga je izpodbadala Jezabela, žena njegova.
25Fa tsy nisy tahaka an'i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy.
26In velike gnusobe je počenjal s tem, da je hodil za grdimi maliki, prav po vsem, kar so delali Amorejci, ki jih je GOSPOD zapodil pred sinovi Izraelovimi.)
26Ary izy nanao vetaveta loatra tamin'ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon'ny Amorita. izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
27In ko je Ahab slišal te besede, si raztrga oblačila in dene raševnik na telo in se posti in spi v raševniku ter hodi pohlevno.
27Ary rehefa ren'i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
28Tedaj pride beseda GOSPODOVA Eliju Tisbljanu in reče:Vidiš li, kako se je Ahab ponižal pred menoj? Ker se ponižuje pred menoj, ne pripravim nesreče v dneh njegovih; v dneh sinu njegovega pošljem nesrečo nad hišo njegovo.
28Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe:Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.
29Vidiš li, kako se je Ahab ponižal pred menoj? Ker se ponižuje pred menoj, ne pripravim nesreče v dneh njegovih; v dneh sinu njegovega pošljem nesrečo nad hišo njegovo.
29Hitanao va ny nanetren'i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin'ny androny; fa any amin'ny andron'ny zanany vao hahatonga loza amin'ny taranany Aho.