1In tri leta so bivali v miru, da ni bilo vojske med Sirijo in Izraelom.
1[Ny nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2In zgodi se v tretjem letu, da pride Josafat, kralj Judov, doli h kralju Izraelovemu.
2Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
3In reče kralj Izraelov služabnikom svojim: Ne veste li, da je Ramot v Gileadu naš? In mi mirujemo in ga ne vzamemo iz roke sirskega kralja?
3Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
4In reče Josafatu: Pojdeš li z menoj v boj proti Ramotu v Gileadu? Josafat odgovori kralju Izraelovemu: Bodem naj kakor ti, ljudstvo moje kakor ljudstvo tvoje, konji moji kakor konji tvoji!
4Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5Še reče Josafat kralju Izraelovemu: Vprašaj, prosim, danes besedo GOSPODOVO!
5Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
6Tedaj skliče kralj Izraelov proroke, okoli štiristo mož, pa jih vpraša: Naj li grem v boj proti Ramotu v Gileadu ali naj to opustim? Odgovore: Pojdi gori, in Gospod ga da v roko kraljevo!
6Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
7Josafat pa reče: Ni li sicer nobenega GOSPODOVEGA proroka tu, da bi ga povprašali?
7Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8In kralj Izraelov reče Josafatu: Še en mož je, po katerem moremo vprašati GOSPODA, Mihaj, sin Imlov; ali jaz ga sovražim, zakaj ne prorokuje mi dobrega, nego zgolj hudo. Josafat reče: Ne govóri tako, kralj!
8Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
9Tedaj pokliče kralj Izraelov enega dvornika in veli: Hitro pripelji sem Mihaja, sina Imlovega!
9Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
10Kralj Izraelov in Josafat, kralj Judov, pa sta sedela vsak na svojem prestolu, po kraljevsko oblečena, na trgu pri vhodu v vrata Samarije, in vsi proroki so prorokovali pred njima.
10Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
11In Zedekija, sin Kenaanov, si je naredil železne rogove in govoril: Tako pravi GOSPOD: S temi boš bodel Sirce, dokler jih celo ne zatareš!
11Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
12Tudi vsi proroki so prorokovali tako in govorili: Pojdi proti Ramotu v Gileadu in srečno hodi, in GOSPOD ga da kralju v roko!
12Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
13Sel pa, ki je šel poklicat Mihaja, mu govori in reče: Glej vendar: besede prorokov oznanjajo soglasno kralju dobro; bodi torej beseda tvoja kakor beseda enega izmed njih, in govóri dobro!
13Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
14In Mihaj reče: Kakor res živi GOSPOD, kar mi poreče GOSPOD, bom govoril.
14Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako.
15In ko pride h kralju, mu reče kralj: Mihaj, ali naj gremo v boj proti Ramotu v Gileadu ali naj opustimo? Odgovori: Pojdi in srečno hodi! GOSPOD ga da kralju v roko.
15Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
16Kralj mu pa veli: Kolikokrat mi te je rotiti, da mi ne govoriš ničesar nego resnico v imenu GOSPODOVEM?
16Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
17In reče: Videl sem vse Izraelce razkropljene po gorah kakor ovce, ki nimajo pastirja; in GOSPOD je dejal: Ti nimajo gospodarja! Vsak naj se vrne domov v miru!
17Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
18Nato reče kralj Izraelov Josafatu: Nisem ti li rekel, da mi ne prorokuje nič dobrega, nego zgolj hudo?
18Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19On reče: Zatorej čuj besedo GOSPODOVO! Videl sem GOSPODA, da sedi na prestolu svojem, in vso vojsko nebeško, da mu stoji ob desnici in ob levici.
19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
20In GOSPOD je vprašal: Kdo premoti Ahaba, da bi šel gori in padel pri Ramotu v Gileadu? In ta je rekel to in drugi je rekel ono.
20Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21Tedaj pride duh in se postavi pred GOSPODA in reče: Jaz ga premotim!
21Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
22In GOSPOD ga vpraša: S čim? Odgovori: Pojdem tja in bodem lažniv duh v ustih vseh prorokov njegovih. In veli: Ti ga premotiš in se ti posreči. Pojdi tja in stóri tako!
22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
23Sedaj torej glej, GOSPOD je dal lažnivega duha v usta vseh teh prorokov tvojih, a GOSPOD je govoril hudo zoper tebe!
23Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
24Tedaj pristopi Zedekija, sin Kenaanov, in udari Mihaja v lice in reče: Kod je šel duh GOSPODOV od mene, da s tabo govori?
24Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
25Mihaj odvrne: Glej, videl boš tisti dan, ko boš hodil iz hrama v hram, da se skriješ!
25Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.[Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]
26Kralj Izraelov pa veli: Vzemi Mihaja in ga pelji nazaj k Amonu, mestnemu poglavarju, in k Joasu, sinu kraljevemu,
26Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27pa reci: Tako pravi kralj: Denita tega moža v ječo in živita ga s kruhom bridkosti in z vodo stiske, dokler se ne vrnem v miru!
27ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
28A Mihaj reče: Ako se vrneš v miru, ni govoril po meni GOSPOD! Še reče: Čujte, vsi ljudje!
28Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
29Nato sta šla kralj Izraelov in Josafat, kralj Judov, gori proti Ramotu v Gileadu.
29Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
30In kralj Izraelov reče Josafatu: Jaz pojdem preoblečen v boj, ti pa obleci svoja oblačila! Preobleče se torej kralj Izraelov in gre v boj.
30Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
31Kralj sirski pa je zapovedal dvaintridesetim poveljnikom svojih voz, rekoč: Ne bojujte se zoper male, ne zoper velike, ampak zgolj zoper kralja Izraelovega!
31Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
32Ko torej vidijo poveljniki vozov Josafata, reko: Gotovo je on kralj Izraelov! In zaženo se bojevat zoper njega; in zavpije Josafat.
32Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
33Ko pa vidijo poveljniki voz, da ni kralj Izraelov, se obrnejo od njega.
33Ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
34Neki mož pa slučajno napne lok in ustreli kralja Izraelovega med stike v oklepu. Tedaj veli svojemu vozniku: Obrni voz in pelji me z bojišča, kajti hudo sem ranjen.
34Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.
35A bitka se je razvnela tisti dan, in kralj je moral stati na vozu Sircem nasproti, in zvečer je umrl; in kri je tekla iz rane na dno voza.
35Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
36In ko je solnce zahajalo, je šel klic po taborišču: Vsak pojdi v mesto svoje in v kraj svoj,
36Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!
37ker kralj je mrtev! In pripeljali so ga v Samarijo in pokopali v Samariji.
37Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
38In ko so omivali voz pri samarijskem ribniku, so lizali psi kri njegovo in nečistnice so se omivale ž njo po besedi GOSPODOVI, ki jo je bil govoril.
38Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
39In druge zgodbe Ahabove in vse, kar je storil, in slonokoščena hiša, ki jo je postavil, in vsa mesta, ki jih je sezidal, ni li zapisano v knjigi letopisov kraljev Izraelovih?
39Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
40Tako je legel Ahab k očetom svojim, in Ahazija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
40Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
41In Josafat, sin Asov, je zakraljeval nad Judom v četrtem letu Ahaba, kralja Izraelovega.
41[Ny nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
42Josafat pa je bil petintrideset let star, ko je zakraljeval, in vladal je petindvajset let v Jeruzalemu. In materi njegovi je bilo ime Azuba, hči Silhijeva.
42Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
43In hodil je po vsej poti Asa, očeta svojega; ni se ganil od nje in je delal, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH. [22:44] Toda višave niso bile odpravljene, ljudstvo je še darovalo in žgalo kadilo na višavah.
43Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
44[22:45] In Josafat je imel mir s kraljem Izraelovim.
44kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
45[22:46] Druge pa zgodbe Josafatove in hrabrost njegova, ki jo je dokazal, in kako se je bojeval, ni li pisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?
45Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
46[22:47] On je tudi spravil iz dežele ostanke nečistoti posvečenih moških, ki so preostali v dneh Asa, očeta njegovega.
46Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
47[22:48] V Edomu pa ni bilo kralja, namestnik je vladal.
47Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
48[22:49] In Josafat je napravil tarske ladje, ki naj bi šle v Ofir po zlato; a niso šle, ker so se razbile v Ezion-geberju.
48Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
49[22:50] Tedaj je rekel Ahazija, sin Ahabov, Josafatu: Peljejo naj se hlapci moji na ladjah s hlapci tvojimi! A Josafat ni hotel.
49Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
50[22:51] In Josafat je legel k očetom svojim, in pokopali so ga pri očetih njegovih v mestu Davida, očeta njegovega. In Joram, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
50Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
51[22:52] Ahazija, sin Ahabov, je zakraljeval nad Izraelom v Samariji v sedemnajstem letu Josafata, kralja Judovega, in je vladal Izraelu dve leti
51Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
52[22:53] in delal, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, hodeč po poti očeta svojega in po poti matere svoje in po poti Jeroboama, sinu Nebatovega, ki je zapeljeval Izraela v greh.[22:54] In služil je Baalu in se mu poklanjal in dražil v jezo GOSPODA, Boga Izraelovega, po vsem, kakor je bil delal oče njegov.
52Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
53[22:54] In služil je Baalu in se mu poklanjal in dražil v jezo GOSPODA, Boga Izraelovega, po vsem, kakor je bil delal oče njegov.
53Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.
54ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.