Slovenian

Malagasy

2 Kings

1

1In po smrti Ahabovi so se izneverili Moabci Izraelu.
1[Ny nahararian'i Ahazia, sy ny nilazan'i Elia fa ho faty izy] Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
2In Ahazija je padel skozi omrežje v svoji zgornji sobi v Samariji in je zbolel. In pošlje sle ter jim veli: Pojdite, vprašajte Baalzebuba, boga v Ekronu, ali ozdravim od te bolezni svoje.
2Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
3Angel GOSPODOV pa reče Eliju Tisbljanu: Vstani, pojdi naproti slom kralja samarijskega in jim reci: Ni li Boga v Izraelu, da greste vpraševat Baalzebuba, boga v Ekronu?
3Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
4Zatorej pravi tako GOSPOD: Ne vstaneš iz postelje, v katero si legel, temuč gotovo umrješ! In Elija je šel.
4Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
5In ko se sli vrnejo h kralju, jih vpraša: Kaj da ste se vrnili?
5Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
6Oni mu reko: Neki mož nam je prišel naproti in nam je dejal: Pojdite, vrnite se h kralju, ki vas je poslal, in mu recite: Tako pravi GOSPOD: Ni li Boga v Izraelu, da pošiljaš vpraševat Baalzebuba, boga v Ekronu? Zato ne vstaneš iz postelje, v katero si legel, temuč gotovo umrješ!
6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
7In jih vpraša: Kakšne podobe in obleke je bil mož, ki vam je prišel naproti in vam to govoril?
7Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8In mu odgovore: Lasat mož je bil in opasan z usnjenim pasom okoli ledij. In reče: Elija Tisbljan je.
8Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
9Tedaj pošlje kralj petdesetnika in njegovih petdeset mož. Ta gre gori k njemu, in glej, on sedi na vrhu gore. In mu reče: Mož Božji, kralj je ukazal: Pojdi doli!
9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka.
10In Elija odgovori in reče petdesetniku: Ako sem mož Božji, naj švigne ogenj doli z neba in požre tebe in tvoje petdesetere. In švigne ogenj z neba in požre njega in petdesetere njegove.
10Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
11In zopet pošlje k njemu drugega petdesetnika ž njegovo petdeseterico. In izpregovori in mu reče: Mož Božji, tako je ukazal kralj: Hitro pojdi doli!
11Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.
12In Elija odgovori in mu veli: Ako sem mož Božji, naj švigne ogenj doli z neba in požre tebe in tvoje petdesetere. In ogenj švigne z neba in požre njega in petdesetere njegove.
12Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
13In zopet pošlje tretjega petdesetnika ž njegovo petdeseterico. In ko pride gori tretji petdesetnik, pade na kolena pred Elijem in ga prosi in mu reče: Mož Božji, prosim, bodi pred teboj drago življenje moje in teh petdesetih hlapcev tvojih življenje!
13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
14Glej, ogenj je prišel z neba in požrl prva dva petdesetnika in petdesetere, ki so bili ž njima; sedaj pa bodi drago življenje moje pred teboj!
14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
15In angel GOSPODOV govori Eliju: Pojdi doli ž njim in ne boj se ga! Vstane torej in gre ž njim doli h kralju
15Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.
16in mu reče: Tako pravi GOSPOD: Ker si poslal sle vprašat Baalzebuba, boga v Ekronu, kakor da ni nobenega Boga v Izraelu, za čigar besedo bi se vprašalo, zato ne vstaneš iz postelje, v katero si legel, temuč gotovo umrješ.
16Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17Tako je umrl po besedi GOSPODOVI, ki jo je bil govoril Elija. In Joram je zakraljeval na mestu njegovem v drugem letu Jorama, sina Josafata, kralja na Judovem; kajti ni imel sina.Druge zgodbe Ahazijeve pa, kaj je storil, ni li pisano v knjigi letopisov kraljev Izraelovih?
17Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
18Druge zgodbe Ahazijeve pa, kaj je storil, ni li pisano v knjigi letopisov kraljev Izraelovih?
18Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?