1Zgodi se pa, ko je hotel GOSPOD vzeti Elija v viharju gori v nebesa, da je šel Elija z Elizejem iz Gilgala.
1[Ny nampakarana an'i Elia ho any an-danitra, sy ny fahagagana voalohany nataon'i Elisa] Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2In Elija veli Elizeju: Ostani tukaj, prosim; zakaj GOSPOD me je poslal tja do Betela. A Elizej reče: Kakor res živi GOSPOD in kakor živi tvoja duša, jaz te ne zapustim. Gresta torej doli v Betel.
2Ary hoy Elia tamin'i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3In proroški sinovi, ki so bili v Betelu, pridejo ven k Elizeju in mu reko: Veš li pa, da vzame danes GOSPOD tvojega učenika od tebe? On reče: Saj jaz vem, le molčite!
3Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
4In Elija mu veli: Elizej, prosim, ostani tukaj; zakaj GOSPOD me je poslal v Jeriho. On reče: Kakor res živi GOSPOD in kakor živi duša tvoja, jaz te ne zapustim. In prideta v Jeriho.
4Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5In proroški sinovi, ki so bili v Jerihu, pristopijo k Elizeju in mu reko: Veš li pa, da vzame danes GOSPOD tvojega učenika od tebe? In odgovori: Saj jaz vem, le molčite!
5Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
6In Elija mu veli: Ostani, prosim, tukaj; zakaj GOSPOD me je poslal k Jordanu. On reče: Kakor res živi GOSPOD in kakor živi duša tvoja, jaz te ne zapustim. In gresta obadva naprej.
6Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
7A petdeset mož izmed proroških sinov je šlo, in postavijo se v nekoliki daljavi nasproti njima; onadva pa sta stala pri Jordanu.
7Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.
8Tedaj vzame Elija svoj plašč ter ga zvije skup in udari ž njim ob vodo, in se razdeli na obe strani, in onadva preideta po suhem.
8Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.
9In ko sta šla na drugo stran, reče Elija Elizeju: Prosi, kaj naj ti storim, preden bodem vzet od tebe! In Elizej reče: Prosim, da dobim dvojen delež od tvojega duha!
9Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.
10Odgovori: Težke reči si prosil; če me boš videl, kadar bom vzet od tebe, se ti zgodi; ako pa ne, ne bode tega.
10Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11In ko gresta še skupaj in se pogovarjata, glej, ognjen voz in ognjeni konji, ki ju ločijo narazen. In Elija je šel v viharju gori v nebesa.
11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
12In Elizej je videl to in je klical: Oče moj, oče moj! Vozovi Izraelovi in jezdeci njegovi! In ni ga videl več. Tedaj prime oblačila svoja ter jih raztrga na dva kosa.
12Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
13In vzdigne plašč Elijev, ki mu je spadel, in se vrne ter stopi na breg Jordana.
13Ary nalainy ny kapôtin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.
14In vzame plašč Elijev, ki mu je spadel, in udari vodo in reče: Kje je Jehova, Bog Elijev? In ko je tudi udaril vodo, se razdeli na obe strani, in Elizej preide.
14Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
15In ko ga vidijo proroški sinovi, ki so stali pri Jerihu njemu nasproti, reko: Duh Elijev počiva nad Elizejem. In pridejo mu naproti in se mu poklonijo do tal.
15[Ny niverenan'i Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
16In mu reko: Glej, med nami, hlapci tvojimi, je petdeset močnih mož; naj gredo, prosimo, in iščejo učenika tvojega! Morda ga je duh GOSPODOV vzel in vrgel kje na goro ali v dolino. On pa veli: Nikar ne pošiljajte!
16Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
17Ali oni so silili vanj, da ga je bilo sram. In reče: Naj gredo! Pošljejo torej petdeset mož; ti ga iščejo tri dni, a ga ne najdejo.
17Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
18In ko se vrnejo k njemu (stanoval je pa v Jerihu), jim reče: Nisem vam li rekel, da ne hodite?
18Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19In možje iz mesta reko Elizeju: Glej, prosimo, v tem mestu je dobro prebivati, kakor vidi gospod moj, ali voda je nezdrava in zemlja nerodovitna.
19Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.[Na: tsy mahavanom-boly]
20On veli: Prinesite mi novo čašo in denite soli vanjo! In mu prineso.
20Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21On pa gre ven k studencu in vrže vanj soli in reče: Tako pravi GOSPOD: Ozdravil sem to vodo, odslej ne bo iz nje več smrti ali nerodovitnosti.
21Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
22In voda je bila zdrava do tega dne po besedi Elizeja, ki jo je bil govoril.
22Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]
23In šel je odondod gori v Betel. Ko pa gre gori po poti, pridejo mali dečki iz mesta in ga zasmehujejo in mu govore: Plešivec, pridi gori! Plešivec, pridi gori!
23Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24In se ozre, in ko jih vidi, jih prekolne v imenu GOSPODOVEM. In prideta dve medvedki iz gozda in raztrgata izmed njih dvainštirideset otrok.In šel je odtod na goro Karmel in odondod se je vrnil v Samarijo.
24Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
25In šel je odtod na goro Karmel in odondod se je vrnil v Samarijo.
25Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.