Slovenian

Malagasy

2 Kings

3

1Joram pa, sin Ahabov je zakraljeval nad Izraelom v Samariji v osemnajstem letu Josafata, kralja na Judovem, in je vladal dvanajst let.
1[Ny nikambanan'i Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, hiady tamin'ny Moabita] Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
2In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, pa ne kakor oče njegov in mati njegova; kajti odpravil je Baalov steber, ki ga je bil naredil oče njegov.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;
3Vendar pa se je oklepal grehov Jeroboama, sinu Nebafovega, s katerimi je ta zapeljeval v greh Izraela, ni jih opustil.
3nefa izy nikikitra tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin'izany.
4Mesa pa, kralj Moabcev, je redil veliko ovac in je dajal kralju Izraelovemu volne od stotisoč jagnjet in od stotisoč ovnov.
4Ary Mesa, mpanjakan'i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia zanak'ondry iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy.[Na: ny volon-janak'ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy]
5Ko pa je Ahab umrl, se je izneveril moabski kralj kralju Izraelovemu.
5Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.
6V tem času je šel kralj Joram iz Samarije in preštel vsega Izraela.
6Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin'izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
7In pošlje k Josafatu, kralju Judovemu, in mu sporoči: Kralj Moabcev se mi je izneveril; pojdeš li z menoj bojevat se zoper Moabce? On reče: Pojdem; bodem naj kakor ti, ljudstvo moje naj bo kakor ljudstvo tvoje, konji moji kakor konji tvoji.
7Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8In vpraša: Po katerem potu pojdemo gori? Odgovori: Po poti Edomske puščave.
8Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i Edoma.
9Gredo torej kralj Izraelov, kralj Judov in kralj edomski. In ko so hodili sedem dni okrog, ni bilo vode za vojsko in živino, ki je šla za njimi.
9Dia nandeha ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
10In kralj Izraelov reče: Gorje! GOSPOD je sklical te tri kralje, da jih izda Moabcem v pest!
10Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
11Josafat pa reče: Ni li tu proroka GOSPODOVEGA, da vprašamo po njem GOSPODA? In odgovori eden iz hlapcev kralja Izraelovega in reče: Elizej, sin Safatov, je tu, ki je vlival vodo Eliju na roke.
11Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
12Josafat pa reče: Pri njem je beseda GOSPODOVA. Gredo torej doli k njemu kralj Izraelov in Josafat in kralj edomski.
12Ary hoy Josafata: Ao amin'izy io tokoa ny tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
13A Elizej veli kralju Izraelovemu: Kaj imam s teboj? Pojdi k prorokom očeta svojega in k prorokom matere svoje! Kralj Izraelov mu reče: Nikar! Ni li GOSPOD poklical teh treh kraljev, da jih izda Moabcem v pest?
13Ary hoy Elisa tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
14Elizej reče: Kakor res živi GOSPOD, ki stojim pred njega obličjem, ako bi se ne oziral na Josafata, kralja Judovega, na tebe bi se ne ozrl, ne te pogledal!
14Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
15Zdaj pa mi pripeljite igralca na strune! In ko je igralec udarjal na strune, je prišla nad njega roka GOSPODOVA.
15Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah.
16In veli: Tako pravi GOSPOD: Naredite v tej dolini struge tu in tam!
16Ary hoy Elisa: Izao no lazain'i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17Kajti tako pravi GOSPOD: Ne boste videli ne vetra, ne dežja, in vendar se ta dolina napolni z vodo, da boste pili vi in vaša drobnica in goved.
17Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
18To pa je še malo v očeh GOSPODOVIH; on izda tudi Moabce vam v roko,
18Ary ho zavatra kely ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19da udarite vsako utrjeno mesto in vsako izbrano mesto in posekate vsako dobro drevo in zamašite vse studence in pokvarite vsako dobro njivo s kamenjem.
19Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20In zgodilo se je zjutraj, ob času jedilne daritve, glej, voda se privali po edomski poti in se razlije po tistem kraju.
20Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21Ko pa slišijo vsi Moabci, da se gredo kralji bojevat zoper nje, skličejo vse, ki so mogli nositi orožje, in še druge, ter stopijo na mejo.
21Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.[Heb. nahasikina]
22In ko zgodaj zjutraj vstanejo in solnce zasije nad vodo, se zdi Moabcem, da je voda njim nasproti rdeča kakor kri;
22Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23in reko: To je kri! Kralji so se pač bojevali med seboj in ubili drug drugega. Sedaj pa, Moab, precej na plen!
23Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!
24Ko pa pridejo k taboru Izraelovemu, se vzdignejo Izraelci in pobijajo Moabce, da zbeže pred njimi; in oni pridero v Moabsko deželo ter jih pobijajo.
24Kanjo nony efa tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
25In razvalijo mesta in na vsako dobro njivo mečejo vsi kamenje, da so ga bile polne, in zamaše vse studence in posekajo vsa dobra drevesa – da so ostali samo v Kir-haresetu še kameni; toda pračarji so ga obdali in streljali nanj.
25Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26In ko je videl moabski kralj, da je bitka prehuda zanj, vzame s seboj sedemsto mož, oboroženih z mečem, da se pririje do kralja edomskega; a niso mogli.Tedaj vzame sina svojega prvenca, ki je imel kraljevati na mestu njegovem, in ga daruje v žgalno žrtev vrh zidu. In pride velika jeza zoper Izraela; in odrinejo od njega in se povrnejo v deželo svojo.
26Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.
27Tedaj vzame sina svojega prvenca, ki je imel kraljevati na mestu njegovem, in ga daruje v žgalno žrtev vrh zidu. In pride velika jeza zoper Izraela; in odrinejo od njega in se povrnejo v deželo svojo.
27Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.