Slovenian

Malagasy

2 Kings

4

1Neka žena pa izmed žen proroških sinov kliče k Elizeju in reče: Hlapec tvoj, moj mož, je umrl, ti pa veš, da se je bal hlapec tvoj GOSPODA. Pa je prišel upnik in hoče vzeti oba otroka moja sebi za hlapca!
1[Ny nampitomboan'i Elisa ny diloilon'ilay vehivavy maty vady] Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2Elizej ji reče: Kaj naj ti storim? Povej mi, kaj imaš v hiši? Odgovori: Dekla tvoja nima ničesar v hiši kakor le vrček olja.
2Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3Tedaj veli: Pojdi, naprosi si zunaj posod od vseh svojih sosed, praznih posod in nikar le malo.
3Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
4In stopi noter in zakleni duri za seboj in za sinoma svojima in potem nalij vse te posode; in katera bo polna, jo postavi vstran.
4Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5In odide od njega ter zaklene duri za sabo in za sinoma svojima; ta ji prinašata posode in ona naliva.
5Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6In ko so bile posode polne, veli sinu svojemu: Še mi podaj posodo! A on ji reče: Ni več posode tu! In olje se ustavi.
6Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7Nato gre in naznani možu Božjemu. On reče: Pojdi, prodaj olje in poplačaj dolg; in kar ostane, ob tem se živi s svojima sinoma!
7Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8In nekega dne gre Elizej skozi Sunam, in ondi je bila bogata žena; ta ga pridrži, da bi pri njej jedel. In kadarkoli je poslej šel mimo, je stopil k njej in zaužil kruha.
8[Ny amin'ilay vehivavy Sonemita sy ny zanany] Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9In ona reče možu svojemu: Glej, spoznavam, da je to svet mož Božji, ki vedno hodi mimo nas.
9Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10Narediva mu, prosim, zidano zgornjo izbico in vanjo mu postavimo posteljo, mizo, stol in svečnik; in kadar pride k nam, naj vstopi.
10Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11In ko je neki dan dospel k njima, stopi v zgornjo izbico in tam počiva.
11Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12Potem veli hlapcu svojemu Gehaziju: Pokliči to Sunamljanko! In ko jo pokliče, stopi ona predenj.
12Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13In on mu veli: Reci ji, prosim: Glej, trudila si se za naju z vso to postrežbo; morem li kaj zate storiti? Ali naj govorim zate s kraljem ali s poveljnikom vojske? Ona odgovori: Prebivam sredi svojega ljudstva.
13Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
14In on vpraša: Kaj torej naj se stori zanjo? Gehazi odgovori: Pač nekaj! Sina nima, in njen mož je star!
14Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15In veli: Pokliči jo! In ko jo pokliče, stopi ona med duri.
15Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16In ji reče: Ko se ponovi ta čas, čez leto, boš pestovala sina! Ona reče: Nikar, gospod moj, mož Božji, ne laži dekli svoji!
16Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
17A žena spočne in rodi sina ob tem času, ko se je ponovilo leto, kakor ji je bil rekel Elizej.
17Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
18In ko je deček odrastel, se prigodi nekega dne, da gre ven k očetu svojemu, k ženjcem.
18Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,
19Tu reče očetu svojemu: O glava moja, glava moja! On pa veli hlapcu: Nesi ga k materi njegovi!
19Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20Ta ga vzdigne in odnese materi njegovi. Ona ga posadi na kolena svoja do opoldne, in nato je umrl.
20Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
21In ona stopi gori in ga položi na posteljo moža Božjega, zaklene in odide ven.
21Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22In kliče možu svojemu in reče: Pošlji mi, prosim, enega izmed hlapcev in oslico, da pohitim do moža Božjega in se zopet vrnem.
22Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23On vpraša: Čemu hočeš k njemu danes? Saj ni mlaj, ne sobota. Ona reče: Dobro bode!
23Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24In osedla oslico in veli hlapcu svojemu: ženi hitro naprej in ne zadržuj me v ježi, razen če ti povem!
24Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25Odpravi se torej in pride k možu Božjemu na goro Karmel. Ko jo zagleda mož Božji oddaleč, reče Gehaziju, hlapcu svojemu: Glej, tam je Sunamljanka!
25Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26Sedaj pa ji teci, prosim, naproti in jo vprašaj: Se ti li godi dobro? Dobro li možu tvojemu? Dobro li je dečku? Ona odgovori: Dobro.
26masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
27Ko pa pride do moža Božjega na goro, se oklene nog njegovih. In Gehazi pristopi, da bi jo odrinil. Ali mož Božji veli: Pusti jo! kajti njena duša je v bridkosti, in GOSPOD mi je prikril in mi ni naznanil.
27Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28Tedaj reče ona: Sem li mar gospoda svojega prosila sina? Nisem li rekla, da me ne varaj?
28Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
29Nato veli on Gehaziju: opaši si ledja in vzemi palico mojo v roko in pojdi tja! Ako te kdo sreča, ga ne pozdravi, in če te kdo pozdravi, ga ne zahvali, in položi mojo palico dečku na obraz!
29Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
30A mati dečkova reče: Kakor res živi GOSPOD in kakor živi duša tvoja, tebe jaz te ne pustim! Vstane torej in gre zanjo.
30Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
31Gehazi pa ju je bil prešel in položil palico dečku na obraz, a ni bilo glasu, ne čuta. Zatorej se vrne in mu pride naproti in mu pove, rekoč: Deček se ni prebudil!
31Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
32In ko pride Elizej v hišo, glej, deček leži mrtev na postelji njegovi.
32Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33In on stopi noter in zaklene duri pred njima obema in moli h GOSPODU.
33Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
34In stopi gori in leže na dečka in položi usta svoja na njegova usta in oči svoje na njegove oči in roke svoje na njegove roke, in se razprostre nad njim, da se je ogrelo dečkovo meso.
34Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
35Potem se vzdigne in hodi po hiši sem in tja, in zopet stopi gori in se razprostre nad njim. In deček kihne sedemkrat, potem odpre oči.
35Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36On pa pokliče Gehazija in veli: Pokliči to Sunamljanko! Pokliče jo torej, in ko pride noter k njemu, reče: Vzemi sina svojega!
36Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37Tedaj pristopi ona in mu pade pred noge in se prikloni do tal, nato vzame sina in odide.
37Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38Elizej pa pride zopet v Gilgal. In bila je lakota v deželi, in proroški sinovi so sedeli pred njim; in veli svojemu hlapcu: Pristavi velik lonec in skuhaj jed iz zelenjadi proroškim sinovom.
38[Ny nanatsaran'i Elisa ilay hanina saiky nahafaty, sy ny nampitomboany ny mofo roa-polo hahavoky ny olona zato lahy] Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
39In eden gre na polje nabirat zelišč in najde nekaj kakor trto in nabere ž nje divjih buček polno oblačilo svoje; in ko se vrne, jih zreže v lonec za jed; niso namreč tega poznali.
39Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
40In nalijejo možem, da bi jedli. In ko so jedli od te jedi, zavpijejo in reko: O mož Božji, smrt je v loncu! In niso mogli jesti.
40Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.[Heb. fahafatesana]
41On pa veli: Prinesite sem moke! In vrže moke v lonec in reče: Izlij ljudstvu, da bi jedli! In ni bilo nič hudega v loncu.
41Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
42In pride mož iz Baal-salisa in prinese možu Božjemu od prvin svojih: dvajset ječmenovih kruhov in svežega klasja v vreči svoji. On pa veli: Daj ljudstvu, da bi jedli!
42Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43Njegov strežnik pa reče: Kaj? ali naj to dam sto možem? Pa on veli: Daj ljudstvu, da bi jedli! zakaj tako pravi GOSPOD: jedli bodo, in še preostane.Postavi torej prednje, in jedli so in je še ostalo po besedi GOSPODOVI.
43Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
44Postavi torej prednje, in jedli so in je še ostalo po besedi GOSPODOVI.
44Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.