1Naaman, poveljnik vojske sirskega kralja, je bil velik mož pri svojem gospodu in spoštovan, zakaj po njem je GOSPOD dal zmago Sircem; bil je tudi hraber vojščak, toda gobav.
1[Ny nanasitranana an'i Namàna, sy ny nampijaliana an'i Gehazy noho ny ratsy nataony] Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2Sirci pa so bili v plenilnih četah vdrli v Izraelovo deželo in ujeto s seboj pripeljali majhno deklico; in ta je stregla ženi Naamanovi.
2Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3In reče gospodinji svoji: Ah, da bi bil gospod moj pri proroku, ki je v Samariji! Potem bi ga ozdravil njegovih gob!
3Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.
4In Naaman gre noter h gospodu svojemu in mu pove, rekoč: Tako in tako je govorila deklica iz Izraelove dežele.
4Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
5Nato veli sirski kralj: Odpravi se tja, jaz pošljem list kralju Izraelovemu. In odide, vzemši s seboj deset talentov srebra in šest tisoč zlatnikov in desetero prazničnih oblek.
5Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
6In prinese list kralju Izraelovemu s tem besedilom: In sedaj, ko pride ta list do tebe, glej, poslal sem Naamana, služabnika svojega, k tebi, da ga ozdraviš njegovih gob.
6Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.
7Ko pa prebere kralj Izraelov ta list, si raztrga oblačila in reče: Ali sem Bog, da morem usmrtiti in oživiti, da ta pošilja k meni moža, naj ga ozdravim gob? Pa premislite, prosim, in glejte, da išče razloga za boj z menoj!
7Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
8Ali ko Elizej, mož Božji, zasliši, da je kralj Izraelov raztrgal oblačila svoja, pošlje h kralju in sporoči: Zakaj si raztrgal oblačila svoja? Naj le pride k meni, in spozna, da je prorok v Izraelu!
8Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.
9Tedaj pride Naaman s konji svojimi in z vozovi svojimi ter se ustavi pri vratih Elizejeve hiše.
9Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.
10Elizej pa pošlje sla k njemu, veleč: Pojdi in umij se v Jordanu sedemkrat, in meso se ti obnovi in bodeš čist!
10Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
11A Naaman se ujezi in odhajajoč govori: Glejte, menil sem, da pride gotovo ven k meni in pristopi in bo, klical ime GOSPODA, Boga svojega, in potegne roko svojo čez boleznivino, in tako ozdravi gobe.
11Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.
12Nista li Abana in Farfar, reki v Damasku, boljši nego vse vode Izraelove, da bi se v njiju umil in se očistil? Obrne se torej in jezen hoče oditi.
12Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
13Hlapci njegovi pa pristopijo in govore ž njim in reko: Oče moj, ako bi ti bil prorok ukazal kaj velikega, ne bi bil storil tega? Koliko bolj, ko ti je rekel samo: Umij se in bodi čist!
13Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
14Tedaj gre doli in se pogrezne sedemkrat v Jordanu, kakor je velel mož Božji: in meso se mu zopet naredi kakor majhnega dečka meso, in bil je čist.
14Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
15In vrne se k možu Božjemu, on in vse spremstvo njegovo. In vstopi in se postavi predenj ter reče: Glej, sedaj vem, da ni Boga na vsej zemlji, samo v Izraelu! Zdaj torej vzemi, prosim, darilo od hlapca svojega!
15Ary niverina nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.
16On pa reče: Kakor res živi GOSPOD, ki stojim pred njega obličjem, ničesar ne vzamem! In ga sili, naj vzame, pa on odkloni.
16Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
17Nato reče Naaman: Če torej nočeš, daj, prosim, hlapcu svojemu prsti, kolikor je moreta nesti dva mezga; zakaj hlapec tvoj ne bo odslej daroval žgalnih in klalnih žrtev drugim bogovom razen GOSPODU samemu.
17Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.
18Samo v tem bodi GOSPOD milostiv hlapcu tvojemu: Kadar gre moj gospodar v hišo Rimonovo molit in se nasloni na mojo roko in jaz se priklonim v hiši Rimonovi, naj prizanese GOSPOD temu priklanjanju mojemu v hiši Rimonovi iz tega razloga.
18Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.
19On mu veli: Pojdi v miru! In šel je od njega nekoliko poti.
19Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.[Heb. kiba iray anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]
20V tem si je rekel Gehazi, hlapec Elizeja, moža Božjega: Glej, gospodar moj je prevarčno ravnal s tem Naamanom Sircem, da ni vzel iz rok njegovih, kar je prinesel; kakor res GOSPOD živi, potečem za njim, da prejmem kaj od njega.
20Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.[Heb. Aramiana]
21Žene se torej Gehazi za Naamanom: In ko Naaman in vidi, da teče nekdo za njim, stopi z voza in mu gre naproti ter vpraša: Je li dobro?
21Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
22Ta reče: Dobro! Gospod moj me je poslal, naj sporočim: Glej, ravno sedaj sta k meni prišla dva mladeniča iz proroških sinov z Efraimskega gorovja. Daj jima, prosim, talent srebra in dve praznični obleki.
22Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
23In Naaman veli: Izvoli vzeti dva talenta! In ga prisili ter mu zaveže dva talenta srebra v dve mošnji in dve praznični obleki in ju zadene dvema njegovima hlapcema; in ona to neseta pred njim.
23Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
24In ko pride do hriba, vzame to iz njunih rok in odloži v hišo; potem odpusti moža, in sta odšla.
24Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
25A sam stopi noter in se postavi pred svojega gospodarja. Tedaj mu reče Elizej: Odkod si prišel, Gehazi? Odgovori: Hlapec tvoj ni hodil ne sem, ne tja.
25Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
26On pa mu veli: Ni li šlo srce moje s teboj, ko se je vrnil mož z voza svojega tebi naproti? Je li čas jemati srebro in oblačila in pridobivati oljkove vrte in vinograde, ovce in vole, hlapce in dekle?Zatorej se bodo gobe Naamanove prijele tebe in semena tvojega vekomaj! In šel je od njega ven gobav in bel kakor sneg.
26Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
27Zatorej se bodo gobe Naamanove prijele tebe in semena tvojega vekomaj! In šel je od njega ven gobav in bel kakor sneg.
27Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.