Slovenian

Malagasy

2 Kings

6

1In proroški sinovi reko Elizeju: Glej vendar, kraj, kjer stanujemo pred teboj, je nam pretesen.
1[Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
2Dovoli, da gremo k Jordanu, in ondi naj vzame vsak lesa, in naredimo si tam domovališče. On odgovori: Pojdite!
2Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
3Eden pa reče: Izvoli, prosim, iti s hlapci svojimi! Odgovori: Pojdem.
3Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
4In šel je ž njimi. In ko pridejo doli k Jordanu, sekajo les.
4Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
5In ko eden seka drevo, mu pade železo v vodo, in zavpije in reče: Gorje, moj gospod, saj še to sem vzel naposodo!
5Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]
6A mož Božji vpraša: Kam je padlo? In pokaže mu tisti kraj. On pa odreže palico in jo porine tja in stori, da železo splava.
6Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
7In veli: Vzdigni si ga! In iztegne roko ter ga vzame.
7Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
8Kralj sirski pa se je bojeval zoper Izraela; in se je posvetoval s služabniki svojimi in je rekel: Na tem in tem mestu bodi moj tabor.
8[Ny nataon'i Elisa hamonjena ny Isiraely tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
9A mož Božji pošlje h kralju Izraelovemu in sporoči: Varuj se, da ne greš na tisto mesto, kajti tja so se odpravili Sirci.
9Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.
10In kralj Izraelov je poslal na mesto, ki mu je o njem mož Božji bil povedal in ga posvaril, in se ga je ognil ne enkrat ali dvakrat samo.
10Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
11In sirskemu kralju se je srce hudo vznemirilo zaradi tega; in pokliče služabnike svoje in jim veli: Mi li nočete povedati, kdo je od naših zvezan s kraljem Izraelovim?
11Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
12Eden služabnikov njegovih pa mu reče: Ni tako, gospod moj, kralj, temuč Elizej prorok, ki je v Izraelu, pravi kralju Izraelovemu besede, ki jih govoriš v svoji spalnici!
12Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
13Kralj veli: Pojdite in poglejte, kje je, da pošljem in ga ujamem. In naznanijo mu, rekoč: Glej, v Dotanu je!
13Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
14Zatorej pošlje tja konje in vozove in veliko vojsko, in pridejo ponoči ter obkolijo mesto.
14Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
15In ko vstane strežnik moža Božjega zarana in gre ven, vidi vojsko s konji in vozovi okoli mesta. In strežnik njegov mu reče: Gorje, gospod moj, kaj bomo počeli?
15Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
16On odgovori: Ne boj se, zakaj več jih je z nami nego ž njimi!
16Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
17In Elizej moli in reče: GOSPOD, prosim, odpri mu oči, da bo videl. In GOSPOD je odprl mladeniču oči, in je videl, in glej: gora je bila polna konj in ognjenih voz okoli Elizeja.
17Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
18In ko pridejo do njega, moli Elizej h GOSPODU in reče: Udari, prosim, ta narod s slepoto! In udaril jih je s slepoto po besedi Elizejevi.
18Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.
19In Elizej jim reče: To ni tista pot, ne tisto mesto; pojdite za menoj in privedem vas k možu, ki ga iščete. In pripelje jih v Samarijo.
19Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
20Ko pa pridejo v Samarijo, reče Elizej: GOSPOD, odpri oči tem možem, da vidijo. In GOSPOD je odprl njih oči, in videli so, in glej, bili so sredi Samarije!
20Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
21In ko jih ugleda kralj Izraelov, reče Elizeju: Ali naj jih pobijem, oče moj? Naj jih pobijem?
21Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
22On odgovori: Ne pobijaj jih! Ali bi pobil tiste, ki si jih ujel z mečem in z lokom svojim? Postavi prednje kruha in vode, da jedo in pijo in se povrnejo h gospodu svojemu.
22Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.
23In jim je pripravil veliko gostovanje. In ko so bili jedli in pili, jih je odpustil, in šli so h gospodu svojemu. In sirske čete niso več vdirale v deželo Izraelovo.
23Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
24In zgodi se potem, da zbere Ben-hadad, sirski kralj, vso vojsko in gre gori ter oblega Samarijo.
24[Ny nataon'i Elisa tamin'ny nisian'ny mosary mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.
25In nastane velika lakota v Samariji, in glej, oblegali so Samarijo toliko časa, da se je prodajala oslovska glava za osemdeset srebrnikov in četrtinka golobje piče za pet srebrnikov.
25Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
26In ko je kralj Izraelov šel mimo po zidovju, zavpije vanj žena in reče: Pomozi mi, gospod moj, kralj!
26Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
27On pa reče: Ko ti GOSPOD ne pomore, odkod naj ti pomorem jaz? z gumna ali iz tlačilnice?
27Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?
28In kralj jo vpraša: Kaj ti je? Ona reče: Ta žena mi je rekla: Daj sina svojega, da ga sneva danes, in mojega sina bova jedli jutri!
28Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
29Skuhali sva torej mojega sina in ga snedli. In drugi dan ji velim: Daj sem sina svojega, da ga sneva! A ona ga je skrila.
29Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
30Ko je slišal kralj besede žene, si je raztrgal oblačila; šel pa je naprej po zidovju, in ljudstvo je gledalo, in glej, imel je znotraj raševnik po životu.
30Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]
31Tedaj reče kralj: Bog mi stóri to in to še prideni, ako danes ostane glava Elizeja, sina Safatovega, na njem!
31Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
32Elizej pa je sedel v hiši svoji, in starejšine so sedeli pri njem. In kralj pošlje sla pred seboj; a preden dospe sel k njemu, reče Elizej starejšinam: Ne vidite li, kako je poslal tisti morilčev sin, da se mi odseka glava? Glejte, ko pride sel, da zaprete duri in ga z durmi nazaj pahnete! Ni li šum nog gospoda njegovega za njim?Ko ž njimi še govori, glej, pride sel doli k njemu. In reče: Glej, to hudo je od GOSPODA, čemu naj še čakam GOSPODA?
32Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?
33Ko ž njimi še govori, glej, pride sel doli k njemu. In reče: Glej, to hudo je od GOSPODA, čemu naj še čakam GOSPODA?
33Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?