1Tedaj reče Elizej: Čujte besedo GOSPODOVO: Tako pravi GOSPOD: Jutri ob tem času bode mera bele moke po seklu in dve meri ječmena po seklu pri samarijskih vratih.
1Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]
2Nato odgovori vojvoda, na čigar roko se je kralj naslanjal, možu Božjemu in reče: Glej, ko bi GOSPOD odprl zatvornice na nebu, bi li moglo to biti? On pa reče: Glej, videl boš s svojimi očmi, a ne boš jedel od tega!
2Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
3Bili so pa štirje gobavci pred vhodom v vrata Samarije; in reko drug drugemu: Kaj tu sedimo, dokler umrjemo?
3Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
4Ako bi rekli: Pojdimo v mesto, lakota je v mestu, in tam nam je umreti; ako pa ostanemo tu, moramo tudi umreti! Pojdimo torej, vrinimo se v vojsko Sircev! Ako nas ohranijo v življenju, bomo živeli, ako nas pobijejo, umrjemo.
4Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
5Vstanejo torej v mraku, da bi šli v tabor Sircev. In ko pridejo do skrajnega konca v taborišču Sircev, glej, ni tu nikogar.
5Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
6Gospod je namreč dal sirski vojski slišati ropot voz in topotanje konj in hrup vojske velike; in rekli so drug drugemu: Glej, kralj Izraelov je najel zoper nas kralje Hetejcev in kralje Egipčanov, da pridero nad nas!
6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady amintsika.
7Zato so vstali in pobegnili v mraku, zapustivši svoje šatore in svoje konje in osle v taboru, kakor je bil, in so bežali, da si otmo življenje.
7Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
8Ko torej pridejo oni gobavci na skrajni konec taborišča, stopijo v najbližji šator, jedo in pijejo in odneso odtod srebro, zlato in oblačil ter gredo in skrijejo to; in pridejo zopet in stopijo v drugi šator in pobero ravno tako, odneso in skrijejo.
8Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
9Tedaj reko drug drugemu: Ne delamo prav. Ta dan je veselega poročila dan, in mi molčimo, ako počakamo do jutranjega svita, nas doleti kazen. Sedaj torej pridite, pojdimo in naznanimo to hiši kraljevi.
9Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.
10In pridejo in kličejo mestni straži, in povedo jim, rekoč: Prišli smo do tabora Sircev, in glej, ni bilo ondi nikogar, ne glasu človeškega, samo konji in osli privezani in šatori, kakor so bili.
10Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
11In kličejo vratarjem, in ti povedo notri kraljevi družini.
11Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny mpanjaka.
12In kralj vstane po noči ter reče hlapcem svojim: Povem vam zdaj, kaj so nam naredili Sirci. Vedo, da trpimo lakoto, zato so šli ven iz tabora in se poskrili na polju, češ: kadar pridejo iz mesta, jih ujamemo žive in se spravimo v mesto!
12Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
13Nato odgovori eden hlapcev njegovih in reče: Vzemimo petere ostale konje, ki so preostali v mestu (glej, godi se jim kakor vsej množici Izraelovi, ki je ostala v njem; glej, godi se jim kakor vsej množici Izraelovi, ki je poginila), te pošljimo in oglejmo!
13Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
14Tedaj vzamejo dva, voza s konji, in kralj jih pošlje za sirsko vojsko, rekoč: Pojdite in oglejte!
14Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
15In šli so za njimi do Jordana, in glej, vsa pot je bila polna oblačil in orodja, ki so ga Sirci od sebe vrgli v naglici svoji. In poslanci se vrnejo in sporoče kralju.
15Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.
16Tedaj gre ljudstvo ven in opleni tabor Sircev. In bila je mera bele moke po seklu in dve meri ječmena po seklu, kakor je bil rekel GOSPOD.
16Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.
17Kralj pa je postavil tistega vojvodo, na čigar roko se je naslanjal, da nadzoruje pri vratih; a ljudstvo ga je pogazilo med vrati, da je umrl, kakor je napovedal mož Božji v govoru svojem, ko je bil prišel k njemu kralj.
17Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
18Kajti izpolnilo se je, kar je bil mož Božji povedal kralju, rekoč: Dve meri ječmena bosta po seklu in mera bele moke po seklu jutri ob tem času pri samarijskih vratih.
18Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;
19In tisti vojvoda je odgovoril možu Božjemu in rekel: Pa glej, ko bi GOSPOD odprl zatvornice na nebu, bi li moglo to biti? On pa mu je rekel: Glej, videl boš s svojimi očmi, a ne boš jedel od tega!In tako se mu je zgodilo: kajti ljudstvo ga je pogazilo med vrati, in je umrl.
19ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
20In tako se mu je zgodilo: kajti ljudstvo ga je pogazilo med vrati, in je umrl.
20Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.