1In Salomon je sklenil svaštvo s Faraonom, egiptovskim kraljem, vzemši hčer Faraonovo; in pripeljal jo je v mesto Davidovo, dokler ni dozidal hiše svoje in hiše GOSPODOVE in zidu okoli Jeruzalema.
1[Ny nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
2Ali ljudstvo je darovalo na višavah, ker ni bilo hiše sezidane imenu GOSPODOVEM do teh dni.
2Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
3In Salomon je ljubil GOSPODA živeč po postavah Davida, očeta svojega, samo da je daroval in kadilo žgal na višavah.
3Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
4Šel pa je Salomon v Gibeon, da bi ondi daroval, kajti to je bila velika višava; tisoč žgalnih daritev je daroval Salomon na ondotnem oltarju.
4Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe]
5V Gibeonu se je GOSPOD prikazal Salomonu v sanjah po noči; in Bog je dejal: Prosi, kaj naj ti dam.
5Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6In Salomon reče: Ti si izkazal hlapcu svojemu Davidu, očetu mojemu, veliko milost, po tem, da je živel pred obličjem tvojim v resnici, v pravičnosti in poštenosti srca s teboj; in si mu ohranil to milost veliko, da si mu dal sina, da bi sedel na prestolu njegovem, kakor se danes vidi.
6Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao.
7In sedaj, GOSPOD, Bog moj, si storil hlapca svojega za kralja namesto Davida, očeta mojega, jaz pa sem majhen deček, ne vem, kako hoditi ven in kako hoditi noter.
7Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
8In hlapec tvoj je sredi ljudstva tvojega, ki si ga izvolil, ki je ljudstvo veliko in se ne more prešteti, ne popisati zavoljo množine.
8Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9Daj torej hlapcu svojemu razumno srce, da more soditi ljudstvo tvoje in razpoznavati dobro in zlo; kajti kdo je zmožen soditi temu množnemu ljudstvu tvojemu?
9Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino]
10In dobra je bila ta beseda v očeh Gospodovih, da je Salomon prosil take reči.
10Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany;
11In Bog mu reče: Ker si prosil te reči in nisi prosil sebi dolgega življenja, tudi ne bogastva zase, niti smrti svojih sovražnikov, marveč si prosil zase razumnosti, da znaš zasliševati pravde:
11ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12glej, storil sem po besedi tvoji: dal sem ti srce modro in razumno, da ni bilo tebi enakega pred teboj in tudi za teboj enak ne vstane.
12dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
13Pa tudi česar nisi prosil, sem ti dal, bogastva in slave, da ne bode tebi enakega med kralji vse tvoje žive dni.
13Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy]
14In ako boš hodil po mojih potih, izpolnjujoč moje postave in zapovedi, kakor je hodil oče tvoj David, podaljšam tvoje dni.
14Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
15In Salomon se prebudi, in glej, sanje so bile; in pride v Jeruzalem ter se postavi pred skrinjo zaveze Gospodove in daruje žgalne in mirovne daritve in napravi gostovanje vsem svojim hlapcem.
15Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
16Tedaj sta prišli dve ženski, nečistnici, h kralju in stopili predenj.
16[Ny nisehoan'ny fahendren'i Solomona tamin'ny nitsarany azy roa vavy ny amin'ilay zaza maty] Ary tamin'izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17In prva reče: Prosim, gospod moj, jaz in ta žena prebivava v eni hiši, in porodila sem pri njej v hiši.
17Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
18In tretji dan po mojem porodu je porodila tudi ona; in bili sva skupaj ter ni bilo tujca z nama v hiši, sami dve sva bili v hiši.
18Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19In te žene sin je umrl po noči, ker ga je poležala.
19Ary maty tamin'ny alina ny zanak'izavavy ity, fa voatsindriny.
20In vstane opolnoči in vzame sina mojega od moje strani, ko je spala dekla tvoja, ter ga položi v naročje svoje, svojega mrtvega sina pa položi meni v naročje.
20Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
21In ko vstanem proti jutru, da bi podojila sina svojega, glej, mrtev je bil; ali ko ga bolj skrbno pogledam za jutra, glej, ni bil moj sin, ki sem ga bila porodila.
21Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
22In druga žena reče: Ni tako, ampak moj sin je živ, in tvoj sin je mrtev. Ta pa odvrne: Nikar, ampak mrtvi je tvoj, živi pa moj. Tako sta se prepirali pred kraljem.
22Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
23Tedaj reče kralj: Ta pravi: Ta je moj sin, ki živi, in mrtvi je tvoj; in druga pravi: Nikar, ampak tvoj sin je mrtev, moj pa živi.
23Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24Veli kralj: Prinesite mi meč! In prineso pred kralja meč.
24Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka.
25Kralj pa veli: Razdelite živo dete na dvoje in dajte tej polovico ter polovico oni!
25Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.
26Tedaj izpregovori žena, katere je bilo živo dete, kajti njeno srce se je genilo nad njenim otrokom, in reče kralju: Prosim, gospod moj, dajte ji živo dete in nikar ga ne usmrtite! Druga pa reče: Ne bodi ne moje, ne tvoje, razdeli naj se!
26Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27Tedaj odgovori kralj in veli: Dajte oni živo dete, nikar ga ne umorite! ona je mati njegova.In slišal je ves Izrael sodbo, ki jo je razsodil kralj, in bali so se kralja, kajti videli so, da je modrost Božja v njem, da bi delil pravico.
27Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
28In slišal je ves Izrael sodbo, ki jo je razsodil kralj, in bali so se kralja, kajti videli so, da je modrost Božja v njem, da bi delil pravico.
28Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.