Slovenian

Malagasy

1 Kings

2

1Davidu pa so se bližali dnevi, da umrje. In zapove sinu svojemu Salomonu, rekoč:
1[Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
2Jaz odhajam po poti vsega zemeljskega; bodi torej. močan in kaži se moža
2Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3in strezi na službo GOSPODU, Bogu svojemu, da hodiš po potih njegovih, da izpolnjuješ postave in zapovedi in sodbe njegove in pričevanja njegova, po tem, kar je pisano v zakonu Mojzesovem, da bi imel prospeh v vsem, kar počneš in kamorkoli se obrneš;
3Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4da bi GOSPOD utrdil besedo svojo, ki jo je govoril zame, rekoč: Bodo li pazili sinovi tvoji na pot svojo, da hodijo pred menoj v resnici z vsem srcem svojim in z vso dušo svojo, ne bo ti zmanjkalo (je dejal) moža za prestol Izraelov.
4mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
5Veš pa, kar mi je storil Joab, sin Zervijin, namreč kar je storil dvema poveljnikoma vojsk Izraelovih, Abnerju, sinu Nerovemu, in Amasu, sinu Jeterjevemu, ki ju je ubil in prelil kri kakor v vojni ob času miru in si okrvavil z zvijačno prelito krvjo pas okoli ledij in obuvalo na nogah.
5Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6Stóri torej ž njim po modrosti svoji in ne pústi sivi glavi njegovi, da gre v grob [Hebr. šeol.] v miru.
6Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola]
7Sinovom Barzilaja Gileadčana pa izkazuj milost ter naj bodo med tistimi, ki jedo pri mizi tvoji, kajti tako so prišli k meni, ko sem bežal pred Absalomom, bratom tvojim.
7Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.
8Glej tudi, izročen ti je Simej, sin Gerov, Benjaminec iz Bahurima, ki me je preklinjal s strašnim preklinjanjem v dan, ko sem šel v Mahanaim; ali prišel mi je naproti doli k Jordanu, in prisegel sem mu pri GOSPODU, rekoč: Ne umorim te z mečem.
8Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
9Sedaj ga torej ne imej za nedolžnega, zakaj moder si mož in vedel boš, kako naj ž njim ravnaš, in spraviš sivo glavo njegovo v grob s krvjo.
9Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
10In legel je David k očetom svojim in je bil pokopan v mestu Davidovem.
10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
11Dni pa, kar jih je David kraljeval Izraelu, je bilo štirideset let: sedem let je kraljeval v Hebronu, triintrideset let pa v Jeruzalemu.
11Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12In Salomon je zasedel prestol Davida, očeta svojega, in kraljestvo njegovo je bilo dobro utrjeno.
12[Ny nataon'i Solomona hampiorina tsara ny fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
13Tedaj pride Adonija, sin Hagitin, k Batsebi, materi Salomonovi. In ona vpraša: Je li tvoj prihod miren? On odgovori: Miren.
13Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14Dalje reče: Imam s teboj nekaj govoriti. Ona veli: Govóri!
14Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15In reče: Veš, da je bilo kraljestvo moje in da je ves Izrael obrnil proti meni obličje svoje, da bodem kralj; toda kraljestvo je šlo mimo mene ter pripadlo mojemu bratu, kajti njemu je bilo določeno od GOSPODA.
15Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
16In zdaj imam eno prošnjo do tebe, ne zavrni me. Ona mu veli: Govóri!
16Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17On pa reče: Govóri, prosim, s kraljem Salomonom, kajti on ne zavrne tebe, da naj mi da Abisago Sunamljanko za ženo.
17Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18In Batseba reče: Dobro; hočem s kraljem govoriti zastran tebe.
18Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
19Gre torej Batseba h kralju Salomonu govorit ž njim zastran Adonija. In vstane kralj ter ji pride naproti in se ji pokloni, potem sede na svoj prestol in veli postaviti prestol za mater kraljevo, in ona mu sede ob desnici.
19Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
20Tedaj reče: Majhno prošnjo imam do tebe, ne zavrni me! In kralj ji reče: Prosi, mati moja, kajti ne zavrnem te.
20Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21Ona reče: Naj se da Abisaga Sunamljanka bratu tvojemu Adoniju za ženo.
21Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.
22In kralj Salomon odgovori ter reče materi svoji: Zakaj pa prosiš Abisage Sunamljanke za Adonija? Prosi zanj še tudi kraljestva – kajti on je moj starejši brat – in za njega in za Abiatarja duhovnika in za Joaba, sina Zervije.
22Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
23Nato priseže kralj Salomon pri GOSPODU, rekoč: To naj mi stori GOSPOD in to naj pridene, če ni govoril Adonija te besede zoper življenje svoje!
23Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24Zdaj torej, kakor res živi GOSPOD, ki me je potrdil in me posadil na očeta mojega Davida prestol in ki mi je ustanovil hišo, kakor je bil obljubil: gotovo danes mora Adonija umreti.
24Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy]
25In pošlje kralj Salomon Benaja, sina Jojadovega, in ta ga je udaril, da je umrl.
25Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26Abiatarju duhovniku pa je rekel kralj: Pojdi v Anatot na njive svoje, zakaj vreden si smrti, ali nočem te danes umoriti, ker si nosil skrinjo Gospoda Jehove pred Davidom, očetom mojim, in ker si vse stiske trpel ž njim, kadar je on bil v stiskah.
26Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
27In Salomon je odstavil Abiatarja, da ni bil več duhovnik GOSPODU; da se izpolni beseda GOSPODOVA, ki jo je govoril za hišo Elijevo v Silu.
27Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
28In glas o tem je prišel do Joaba, zakaj Joab se je odvrnil za Adonijem, dasi se za Absalomom ni bil odvrnil. In pobegne Joab v šator GOSPODOV ter se oprime rogov oltarja.
28Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29In sporoče kralju Salomonu: Joab je zbežal v šator GOSPODOV, in glej, je pri oltarju. Tedaj pošlje Salomon Benaja, sina Jojadovega, in veli: Pojdi, udari ga!
29Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30In pride Benaja v šator GOSPODOV ter mu reče: Tako pravi kralj: Pojdi ven! On odgovori: Nikar, kajti tu hočem umreti. In sporoči Benaja besedo kralju, rekoč: Tako je rekel Joab in tako mi je odgovoril.
30Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31In veli mu kralj: Stóri mu, kakor je rekel, in udari ga ter ga pokoplji, da odpraviš kri, ki jo je Joab prelil brez razloga, od mene in od hiše očeta mojega.
31Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
32In GOSPOD povrne kri na glavo njegovo, ker je udaril dva moža, pravičnejša in boljša, nego je bil sam, in ju je umoril z mečem, in oče moj, David, ni vedel za to: Abnerja, sina Nerovega, poveljnika vojske Izraelove, in Amasa, sina Jeterjevega, poveljnika vojske Judove.
32Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33Tako se povrne njiju kri na glavo Joabovo in na glavo zaroda njegovega vekomaj; ali Davidu in zarodu njegovemu in hiši njegovi in prestolu njegovemu bodi mir vekomaj od GOSPODA!
33Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
34Šel je torej gori Benaja, sin Jojadov, in ga je udaril in usmrtil; in pokopan je bil v svoji hiši v puščavi.
34Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.
35In kralj je postavil Benaja, sina Jojadovega, namesto njega nad vojsko, in Zadoka duhovnika je kralj postavil namesto Abiatarja.
35Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
36Pošlje tudi kralj in pokliče Simeja ter mu veli: Sezidaj si hišo v Jeruzalemu in tu prebivaj ter ne hodi odtod ne tja, ne sem.
36Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37Kateri dan namreč pojdeš ven in preideš potok Kidron, vedi za gotovo, da moraš umreti; tvoja kri pride na tvojo glavo.
37Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
38In Simej reče kralju: Dobra je ta beseda; kakor je velel gospod moj, kralj, tako bo storil hlapec tvoj. In Simej je prebival precej časa v Jeruzalemu.
38Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39Prigodi se pa po treh letih, da sta Simeju utekla dva hlapca k Ahisu, sinu Maakovemu, h kralju v Gatu. In sporoče Simeju, rekoč: Glej, hlapca tvoja sta v Gatu.
39Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40In vstane Simej ter osedla osla ter gre v Gat k Ahisu, da poišče svoja hlapca; odide torej in pripelje hlapca svoja iz Gata.
40Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41In naznanijo Salomonu, da je šel Simej iz Jeruzalema v Gat in se zopet vrnil.
41Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42In kralj pošlje ter pokliče Simeja in mu reče: Te li nisem zaprisegel pri GOSPODU in te resno posvaril, rekoč: Gotovo vedi, da moraš umreti, kateri dan greš ven in pojdeš sem ali tja? In si mi dejal: Dobra je beseda, ki sem jo slišal.
42Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43Zakaj nisi torej izpolnil prisege GOSPODOVE in zapovedi, ki sem ti jo ukazal?
43Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44Še reče Salomon Simeju: Ti veš za vso hudobnost, katere si je v svesti srce tvoje, ki si jo storil Davidu, očetu mojemu; zato GOSPOD povrne hudobnost tvojo tebi na glavo.
44Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao.
45A kralj Salomon bo blagoslovljen in prestol Davidov bo utrjen pred GOSPODOM za vekomaj.In kralj ukaže Benaju, Jojadovemu sinu, in ta gre ven ter ga udari, da umrje. In kraljestvo je bilo utrjeno v roki Salomonovi.
45Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay.Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.
46In kralj ukaže Benaju, Jojadovemu sinu, in ta gre ven ter ga udari, da umrje. In kraljestvo je bilo utrjeno v roki Salomonovi.
46Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.