1David kralj pa je bil že star in prileten, in pokrivali so ga z odejami, a se ni ogrel.
1[Ny niodinan'i Adonia, sy ny nanosorana an'i Solomona ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2Zato so mu rekli služabniki njegovi: Poišče naj se za gospoda mojega, kralja, mlada devica, in naj stoji pri kralju in mu bodi strežnica ter naj spava v naročju njegovem, da se ogreje gospod moj, kralj.
2Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3In iskali so lepe mladenke po vseh krajih Izraelovih, in najdejo Abisago Sunamljanko ter jo pripeljejo h kralju.
3Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.
4Mladenka pa je bila zelo lepa, in postala je strežnica kralju in mu je služila; a kralj je ni spoznal.
4Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
5Tedaj se je Adonija, sin Hagitin, povzdignil, rekoč: Jaz bom kraljeval! In oskrbi si voz in konj in petdeset mož, ki naj bi tekali pred njim.
5Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6In oče njegov ga nikdar ni užalil, da bi mu bil rekel: Zakaj si storil tako? Bil pa je tudi zelo lepe postave mož, in rojen je bil po Absalomu.
6Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.
7In posvetoval se je z Joabom, sinom Zervijinim, in z duhovnikom Abiatarjem, in ona sta mu pomagala, hodeč za njim.
7Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8Ali Zadok duhovnik in Benaja, sin Jojadov, in Natan prorok in Simej in Rej in vojščaki, ki so bili Davidovi, niso bili pri Adoniju.
8Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.
9In Adonija pokolje ovac in volov in pitancev pri kamenu Zoheletu, ki je tik studenca Rogela, in povabi vse brate svoje, sinove kraljeve, in vse može Judove, kraljeve služabnike;
9Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
10toda Natana proroka in Benaja in vojščakov in Salomona, brata svojega, ni povabil.
10fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
11Tedaj govori Natan Batsebi, materi Salomonovi, rekoč: Nisi li slišala, da je zakraljeval Adonija, sin Hagitin, in David, gospod naš, ne ve za to?
11Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
12Sedaj pa pridi, daj, da ti svetujem, da bi rešila življenje sebi in sinu svojemu Salomonu.
12Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
13Pojdi in stopi h kralju Davidu in mu reci: Nisi li, gospod moj, kralj, prisegel meni, dekli svoji, in rekel: Salomon, sin tvoj, bo kraljeval za menoj in on bo sedel na prestolu mojem? Zakaj torej kraljuje Adonija?
13Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14Glej, ko boš tam še govorila s kraljem, pridem tudi jaz noter za teboj in potrdim besede tvoje.
14Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15In Batseba pride h kralju v čumnato. Kralj pa je bil zelo star, in Abisaga Sunamljanka je stregla kralju.
15Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16In Batseba se pripogne in stori poklon kralju. In kralj vpraša: Kaj želiš?
16Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17Ona mu pa reče: Gospod moj, ti si prisegel pri GOSPODU, Bogu svojem, dekli svoji: Salomon, sin tvoj, bo kraljeval za menoj in on bo sedel na prestolu mojem.
17Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
18In sedaj, glej, Adonija kraljuje, in ti, gospod moj, kralj, ne veš tega.
18Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19In je zaklal obilo volov in pitancev in ovec ter je povabil vse sinove kraljeve in Abiatarja, duhovnika, in Joaba, poveljnika vojske, a Salomona, hlapca tvojega, ni povabil.
19Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20Ti pa, gospod moj, kralj – oči vsega Izraela se ozirajo v te, da jim poveš, kdo bo sedel na prestolu gospoda mojega, kralja, za teboj.
20Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21Sicer se zgodi, ko bo legel gospod moj, kralj, k očetom svojim, da bodo šteli mene in sina mojega Salomona kakor dva grešnika.
21Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22In glej, ko še govori s kraljem, pride Natan prorok.
22Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.
23In naznanijo kralju, rekoč: Glej, Natan prorok. In ko stopi pred kralja, se pokloni pred kraljem z obrazom do tal.
23Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
24In Natan reče: Gospod moj, kralj, si li ti rekel: Adonija bo kraljeval za menoj in on bo sedel na prestolu mojem?
24Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
25Kajti danes je šel doli in zaklal obilo volov in pitancev in ovac ter je povabil vse sinove kraljeve in poveljnike vojske in Abiatarja duhovnika; in glej, jedo in pijejo pred njim ter govore: Živel kralj Adonija!
25Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26Mene pa, mene hlapca tvojega, in Zadoka duhovnika in Benaja, sina Jojadovega, in hlapca tvojega Salomona ni povabil.
26Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27Se li je ta stvar napravila po gospodu mojem, kralju? Pa nisi oznanil hlapcem svojim, kdo bo sedel na prestolu gospoda mojega, kralja, za njim?
27Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28Nato kralj odgovori in reče: Pokličite mi Batsebo. In ona stopi pred kralja in se postavi pred njim.
28Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29In kralj priseže in veli: Kakor res živi GOSPOD, ki je rešil dušo mojo iz vseh nadlog:
29Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,
30kakor sem ti prisegel pri GOSPODU, Bogu Izraelovem, rekši: Salomon, sin tvoj, bo kraljeval za menoj in on bo sedel na prestolu mojem namesto mene, res, tako storim danes.
30dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31Tedaj se pripogne Batseba z obrazom do tal in stori kralju poklon ter reče: Naj živi gospod moj, kralj David, vekomaj!
31Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
32In kralj David veli: Pokličite mi Zadoka duhovnika in Natana proroka in Benaja, sina Jojadovega. In pridejo pred kralja.
32Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
33In kralj jim veli: Vzemite s seboj hlapce gospoda svojega in dajte Salomonu, sinu mojemu, jezditi na mojem mezgu ter ga peljite doli h Gihonu.
33Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
34In tam naj ga pomazili Zadok duhovnik in Natan prorok za kralja Izraelu, in trobite na trobento ter recite: Naj živi kralj Salomon!
34Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35Potem pojdete gori za njim, in on pride sem ter sede na moj prestol, zakaj kraljeval bo na mojem mestu, in jaz sem ukazal zanj, da bodi vojvoda Izraelu in Judi.
35Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36In Benaja, sin Jojadov, odgovori kralju in reče: Amen! GOSPOD, Bog gospoda mojega, kralja, naj reče istotako!
36Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37Kakor je bil GOSPOD z gospodom mojim, kraljem, tako bodi s Salomonom in poveličaj mu prestol bolj, nego ga je poveličal gospodu mojemu, kralju Davidu.
37Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.
38Zadok duhovnik torej in Natan prorok in Benaja, sin Jojadov, in Keretejci in Peletejci gredo doli ter posade Salomona na mezga kralja Davida in ga peljejo h Gihonu.
38Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita]
39In Zadok duhovnik vzame rog z oljem iz Šatora in pomazili Salomona. In zatrobijo na trobento, in vse ljudstvo kliče: Naj živi kralj Salomon!
39Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40In vse ljudstvo je šlo gori v mesto za njim, in množica je godla na piščali in se veselila z velikim veseljem, da je zemlja odmevala od njih glasu.
40Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.[Heb. nitresaka]
41In Adonija in vsi gostje, ki so bili ž njim, zaslišijo to, ko so končali pojedino. In ko Joab čuje trobente glas, reče: Čemu je ta šum v mestu kakor ob vstaji?
41Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42Ko še govori, glej, prispeje Jonatan, sin Abiatarja duhovnika, in Adonija reče: Pridi sem, kajti vrl si mož in neseš dobro poročilo.
42Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43In Jonatan odgovori in reče Adoniju: V resnici je gospod naš, kralj David, postavil Salomona za kralja!
43Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44In kralj je ž njim poslal Zadoka duhovnika in Natana proroka in Benaja, sina Jojadovega, in Keretejce in Peletejce, in so ga posadili na kraljevega mezga,
44Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
45in Zadok duhovnik in Natan prorok sta ga pomazilila za kralja pri Gihonu. In prišli so gori odondod z veseljem, da se je mesto razburilo. To je šum, ki ste ga slišali.
45Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46In Salomon je že tudi zasedel prestol kraljestva.
46Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
47In vrhutega so prišli kraljevi hlapci blagoslavljat gospoda našega, kralja Davida, govoreč: Bog tvoj naj stori ime Salomonovo bolj sloveče nego tvoje ime in poveliča prestol njegov bolj nego tvoj prestol. In kralj se je poklonil Bogu na postelji svoji.
47Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48In kralj je tudi rekel takole: Hvaljen bodi GOSPOD, Bog Izraelov, ki mi je dal danes sedečega na prestolu mojem, da moje oči to še vidijo.
48ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
49In vsi gostje Adonijevi se prestrašijo ter vstanejo in odidejo vsak svojim potom.
49Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.
50Adonija pa, boječ se Salomona, vstane in odide ter se oprime oltarjevih rogov.
50Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51In povedali so Salomonu, rekoč: Glej, Adonija se boji kralja Salomona, in glej, drži se, rogov oltarja in govori: Naj mi priseže danes kralj Salomon, da ne ubije hlapca svojega z mečem.
51Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
52In Salomon veli: Ako se izkaže vrlega moža, mu las ne pade z glave na tla; ako se pa hudoba najde pri njem, mora umreti.Pošlje torej Salomon in ga pripeljejo od oltarja. In pride ter se pokloni kralju Salomonu, in Salomon mu reče: Pojdi v hišo svojo!
52Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
53Pošlje torej Salomon in ga pripeljejo od oltarja. In pride ter se pokloni kralju Salomonu, in Salomon mu reče: Pojdi v hišo svojo!
53Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.