Slovenian

Malagasy

2 Samuel

24

1In srd GOSPODOV se je zopet vnel zoper Izraelce, in izpodbodel je Davida zoper nje, rekoč: Pojdi, seštej Izraela in Judo.
1[Ny nanisana ny olona, sy ny aretim-be nanjo azy tamin'izany] Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
2In kralj reče Joabu, poveljniku vojske, ki je bil pri njem: Prehodi, prosim, vse rodove Izraelove, od Dana do Bersebe, in preštejte ljudstvo, da bi vedel število ljudstva.
2Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3In Joab reče kralju: Naj prida GOSPOD, Bog tvoj, k ljudstvu, kolikorkoli ga je, še stokrat toliko, dokler to vidijo oči GOSPODA mojega, kralja! Ali zakaj to veseli gospoda mojega, kralja?
3Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4Toda beseda kraljeva je obveljala zoper Joaba in zoper poveljnike vojske. In odidejo Joab in poveljniki vojske od obličja kraljevega, da preštejejo ljudstvo Izraelovo.
4Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely.
5In šli so čez Jordan in se utaborili v Aroerju, na desno ob mestu, ki je sredi doline Gadove, in proti Jazerju.
5Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera.
6Potem so prišli v Gilead in v pokrajino Tahtim-hodši; in prišli so v Danjaan in v okolico Sidonsko,
6Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin'ny tany lemaka vao azo]
7in dospeli so k utrjenemu mestu Tiru in k vsem mestom Hevejcev in Kanaancev ter šli potem v južno stran Judovo, proti Bersebi.
7ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8In prehodili so vso deželo in prišli v Jeruzalem ob koncu devetih mesecev in dvajsetih dni.
8Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
9In Joab je dal število preštetega ljudstva kralju; in bilo je v Izraelu osemsto tisoč vojakov, ki so izdirali meč, in v Judi petsto tisoč mož.
9Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
10A Davidu je očitalo srce, potem ko je bil seštel ljudstvo. In reče David GOSPODU: Hudo sem grešil s tem, kar sem storil; ali sedaj, o GOSPOD, odpravi hlapca svojega krivico, kajti ravnal sem zelo nespametno.
10Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11In ko vstane David zjutraj, pride beseda GOSPODOVA k proroku Gadu, vidcu Davidovemu, govoreč:
11Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12Pojdi in veli Davidu: Tako pravi GOSPOD: Troje ti ponujam, izberi si eno, da naj ti storim.
12Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13Pride torej Gad k Davidu in mu pove ter mu reče: Ali naj ti pride sedem let lakote v deželo tvojo? Ali hočeš tri mesece bežati pred nasprotniki svojimi, da te oni podijo? Ali naj razsaja tri dni kuga v deželi tvoji? Sedaj pa premisli in poglej, kakšen odgovor naj dam njemu, ki me je poslal.
13Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.
14In David reče Gadu: V stiski sem veliki! Naj rajši pademo v roko GOSPODOVO, kajti usmiljenje njegovo je veliko, in nikar naj ne padem v roko človeško!
14Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
15In GOSPOD je poslal kugo nad Izraela od jutra do določenega časa; in pomrlo je iz ljudstva od Dana do Bersebe sedemdeset tisoč ljudi.
15Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16In ko iztegne angel roko proti Jeruzalemu, da ga pogubi, je bilo žal GOSPODU hudega in veli angelu, ki je pokončeval ljudstvo: Dosti je, odtegni zdaj roko svojo! In angel GOSPODOV je bil pri gumnu Aravna Jebusejca.
16Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
17In David reče GOSPODU, ko je videl angela, ki je pobijal ljudstvo: Glej, jaz sem grešil in jaz sem ravnal popačeno, te ovce pa, kaj so storili? Roka tvoja bodi, prosim, zoper mene in zoper očeta mojega hišo!
17Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.
18In Gad pride tisti dan k Davidu in mu reče: Pojdi gori, zgradi oltar GOSPODU na gumnu Aravna Jebusejca.
18Ary Gada nankany amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19In David je šel gori po besedi Gadovi, kakor je ukazal GOSPOD.
19Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka izay nandidian'i Jehovah.
20In Aravna se ozre in zagleda kralja in služabnike njegove, da gredo proti njemu; in Aravna izide in se prikloni kralju z obrazom do tal.
20Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka.
21In Aravna reče: Zakaj je prišel gospod moj, kralj, k hlapcu svojemu? David pa reče: Kupiti hočem gumno od tebe, da zgradim oltar GOSPODU, da neha kuga med ljudstvom.
21Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22In Aravna reče Davidu: Vzame naj gospod moj, kralj, in daruje, kar se mu vidi dobro: glej, tu so voli za žgalno daritev in mlatilnice in oprava volovska za drva.
22Fa hoy Araona tamin'i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin'ny omby hatao kitay.
23Vse to, o kralj, Aravna pokloni kralju. Še reče Aravna kralju: GOSPOD, Bog tvoj, te milo sprejmi!
23Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen'i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24A kralj reče Aravnu: Nikar, ampak res hočem to kupiti od tebe za ceno, ker nočem darovati žgalnih daritev GOSPODU, Bogu svojemu, ki bi jih brez stroškov imel. Kupil je torej David gumno in vole za petdeset seklov srebra.In David je ondi zgradil oltar GOSPODU ter daroval žgalne in mirovne daritve. In GOSPOD se je dal izprositi za deželo, in kuga je nehala med Izraelom.
24Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an'i Jehovah Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin'i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.
25In David je ondi zgradil oltar GOSPODU ter daroval žgalne in mirovne daritve. In GOSPOD se je dal izprositi za deželo, in kuga je nehala med Izraelom.
25Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.