1Te pa so zadnje besede Davidove. David, sin Jesejev, govori, mož, ki je bil visoko postavljen, maziljenec Boga Jakobovega, sladki pevec psalmov v Izraelu govori:
1[Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc]
2Duh GOSPODOV je govoril po meni, in beseda njegova je bila na mojem jeziku.
2Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako;
3Bog Izraelov je rekel, Skala Izraelova je meni govorila: Pride vladar ljudem, pravičen, ki vlada v strahu Božjem,
3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra;
4in bode kakor svetloba jutranja, ko solnce vzhaja, jutro brez oblakov: od njegovega sijaja po dežju poganja zelenjava iz zemlje.
4Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana.
5Čeprav ni taka moja hiša pri Bogu, a vendar je storil večno zavezo z menoj, urejeno v vsem in zavarovano; kajti to je vse rešenje moje in vsa želja moja. Ali bi ne dal, da to vzraste?
5Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
6Ali Belijalci [Ali: otroci Belijalovi.] bodo vsi kakor trnje, ki se zameta, ker ga ni jemati v roko,
6Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy;
7ampak mož, ki se ga dotakne, si preskrbi železo in suličišče; in popolnoma bodo sežgani z ognjem v kraju svojem.
7Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]
8Ta so imena junakov, ki jih je imel David: Joseb Basebet Tahkemončan, prvi poveljnikov; on je bil tisti Adino Ezni proti osemsto, ki jih je pobil naenkrat.
8[Ny anaran'ny lehilahy maherin'i Davida] Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
9In za njim je bil Eleazar, sin Dodaja, sinu Ahohija, eden izmed treh junakov pri Davidu, ko so zasmehovali Filistejce, ki so bili ondi zbrani v boj, ko so odšli možje Izraelovi;
9Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;
10on je vstal in pobijal Filistejce, dokler mu ni roka onemogla in otrpnila na meču; in GOSPOD je storil veliko rešitev tisti dan. Ljudstvo pa se je vrnilo za njim, samo da pobere plen.
10dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
11In za njim je bil Sama, sin Ageja Hararca. In Filistejci so se zbrali v eno krdelo, kjer je bila njiva polna leče, in ljudstvo je bežalo pred Filistejci.
11Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,[erva lenta]
12Tedaj se je on postavil sredi njive in jo je otel in pobil Filistejce; in GOSPOD je storil veliko rešitev.
12dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
13In trije izmed tridesetih načelnikov so šli doli in prišli k Davidu ob žetvi v Adulamsko votlino; in krdelo Filistejcev je bilo utaborjeno v dolini Refaimov.
13Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
14David pa je bil takrat v trdnjavi, in straža Filistejcev je bila tedaj v Betlehemu.
14Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
15In Davida je obšla želja in je rekel: O, da bi mi kdo dal piti vode iz studenca v Betlehemu, ki je pri vratih!
15Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!
16In ti trije junaki so prodrli ostrog Filistejcev ter zajeli vode iz studenca v Betlehemu, ki je pri vratih, in so je vzeli ter prinesli Davidu. A on je ni hotel piti in jo je izlil kot pitno daritev GOSPODU,
16Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.
17in je rekel: Nikakor ne, o GOSPOD, da bi jaz to storil! Naj li pijem kri mož, ki so šli tja in vnemar pustili življenje! In ni je hotel piti. To so storili ti trije junaki. –
17Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
18In Abisaj, Joabov brat, sin Zervijin, je bil glava trem. On je mahnil s sulico svojo po treh sto in jih pobil; in imel je sloveče ime med tremi.
18Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
19Ni li bil najslavnejši izmed teh treh, da jim je postal knez? Toda prvih treh ni dosegel.
19Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
20In Benaja, sin Jojadov, sin hrabrega moža iz Kabzeela, ki je storil velika dela, ta je ubil dva sina Ariela iz Moaba; ta je tudi stopil doli in ubil leva sredi jame, ko je bil sneg.
20Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;[Heb. lionan'Andriamanitra]
21In ubil je Egipčana, velikega moža, in Egipčan je imel v roki sulico, a on je šel k njemu doli s palico in iztrgal sulico Egipčanu iz roke in ga je umoril z lastno sulico njegovo.
21ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
22To je storil Benaja, sin Jojadov, in imel je sloveče ime med tremi junaki.
22Izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23On je bil slavnejši nego tistih trideset, ali prvih treh ni dosegel.
23Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
24Asahel, brat Joabov, je bil eden iz trideseterih, Elhanan, sin Dodov iz Betlehema,
24Asahela, rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
25Sama Harodčan, Elika Harodčan,
25Sama Harodita, Elika Harodita,
26Helez Paltičan, Ira, sin Ikešev, Tekojčan,
26Heleza Paltita, Ira, zanak'Ikesy Tekoita,
27Abiezer Anatotčan, Mebunaj Husajec,
27Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
28Zalmon Ahohovec, Maharaj Netofatčan,
28Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
29Heleb, sin Baanov, Netofatčan, Itaj, sin Ribajev iz Gibee sinov Benjaminovih,
29Haleba, zanak'i Bana Netofatita, Itahy, zanak'i Ribay, avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina,
30Benaja Piratončan, Hidaj od potokov v Gaasu,
30Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy,
31Abialbon Arbatski, Azmavet Barhumčan,
31Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
32Eljahba Salbončan, iz sinov Jasenovih Jonatan,
32Eliaba Salbonita, tamin'ny zanak'i Jasena, Jonatana,
33Sama Hararovec, Ahiam, sin Sararjev, Ararovec,
33Sama Hararita, Ahiama, zanak'i Sarara Hararita,
34Elifelet, sin Ahasbaja, sinu Maakatovca, Eliam, sin Ahitofela Gilonskega,
34Elifeleta, zanak'i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak'i Ahitofela Gilonita,
35Hezro Karmelčan, Paaraj Arbski,
35Hezray Karmelita, Paray Arbita,
36Igal, sin Natana iz Zobe, Bani Gadovec,
36Jigala, zanak'i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
37Zelek Amonec, Naharaj Beerotčan, oproda Joaba, sinu Zervijinega,
37Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
38Ira Jitričan, Gareb Jitričan,Urija Hetejec, vseh sedemintrideset.
38Ira Jitrita, Gareba Jitrita,Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.
39Urija Hetejec, vseh sedemintrideset.
39Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.