Slovenian

Malagasy

1 Kings

6

1In bilo je v štiristo in osemdesetem letu po izhodu sinov Izraelovih iz Egiptovske dežele, v četrtem letu Salomonovega kraljevanja Izraelu, v mesecu Zivu, ki je drugi mesec, da je zidal hišo GOSPODU.
1[Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
2In hiša, ki jo je gradil kralj Salomon GOSPODU, je bila šestdeset komolcev dolga, dvajset komolcev široka in trideset komolcev visoka.
2Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
3In veža pred templjevo dvorano je bila dvajset komolcev dolga, skladno s širjavo hiše, in deset komolcev široka spredaj pred hišo.
3Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.
4In hiši je naredil okna, široka znotraj in ozka zunaj.
4Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
5In ob zidovju hiše, sporedno s hišnimi stenami, pri dvorani in pri govorišču, je zgradil tristropen prizidek in v njem stranske sobe kroginkrog:
5Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
6spodnje stropje je bilo široko pet komolcev, srednje šest komolcev in tretje sedem komolcev široko; kajti na zunanji strani hišnega zida je napravil odstavke, da ne bi bila bruna vtaknjena v hišni zid.
6ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.
7In ko so gradili hišo, so jo skladali iz kamenov, popolnoma obsekanih v kamenarnici, da ni bilo slišati kladiva, ne sekire, ne kakršnegakoli železnega orodja v hiši, ko so jo gradili.
7Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
8Vrata do spodnjih obstranskih sob so bila na desni strani hiše, in po zavitih stopnicah se je hodilo v srednje sobe in iz srednjih v tretje.
8Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
9In zidal je hišo in jo dokončal; in prekril je hišo z bruni in deskami iz cedrovine.
9Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.
10In prizidek je zgradil ob vsej hiši, vsako nadstropje po pet komolcev visoko, in cedrovo brunovje jih je vezalo s hišo.
10Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.
11In beseda GOSPODOVA je prišla Salomonu, govoreč:
11Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:
12Zastran te hiše, ki jo gradiš –: ako boš živel po mojih postavah in izvrševal sodbe moje in pazil na vse moje zapovedi, da se po njih ravnaš, utrdim besedo svojo s teboj, ki sem jo govoril tvojemu očetu Davidu.
12Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
13In prebival bom med sinovi Izraelovimi in ne zapustim ljudstva svojega Izraela.
13ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
14In Salomon je zidal hišo in jo dozidal.
14Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.
15In obložil je hišne stene odznotraj s cedrovimi deskami; od tal hiše do stropnih brun jih je znotraj opažil z lesom, tudi tla hiše je pokril s cipresovimi deskami.
15Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
16In pregradil je dvajset komolcev od zadnje strani hiše znotraj s cedrovo steno od tal do stropa, da bodi to notri v hiši za govorišče ali Najsvetejše.
16Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
17Hiša pa, to je templjeva dvorana spredaj, je bila štirideset komolcev dolga.
17Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.
18In po hišnih stenah odznotraj je bila cedrovina in na njej izrezano bučkasto sadje in razvito cvetje; vse je bila cedrovina, kamena se ni nič videlo.
18Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
19In govorišče znotraj v hiši je pripravil, da tam postavi skrinjo zaveze GOSPODOVE.
19Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
20Bilo je pa govorišče znotraj dvajset komolcev dolgo, dvajset široko in dvajset visoko, in obložil ga je s čistim zlatom; tudi oltar iz cedrovine je obložil ž njim.
20Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
21In Salomon je prevlekel hišo znotraj s čistim zlatom; in potegnil je zlate verižice pred govoriščem, ko ga je prevlekel z zlatom.
21Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
22In vso hišo je prevlekel z zlatom, vso hišo popolnoma; tudi ves oltar, ki je bil ob govorišču, je prevlekel z zlatom.
22Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
23In v govorišču je naredil dva keruba iz oljkovega lesa, deset komolcev visoka.
23Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.
24In pet komolcev je imela ena perut keruba in pet komolcev druga perut: od kraja ene peruti do konca druge peruti je bilo deset komolcev.
24Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.
25In drugi kerub je imel deset komolcev; oba keruba sta bila ene mere in ene oblike.
25Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
26Višava enega keruba je bila deset komolcev in takisto drugega keruba.
26Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27In postavil je keruba v notranjo hišo, in peruti kerubov so bile razprostrte, da se je perut enega dotikala tega zidu in perut drugega keruba onega zidu, a sredi hiše sta se dotikali druga druge.
27Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
28In prevlekel je keruba z zlatom.
28Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29In dal je narediti po vseh stenah kroginkrog izrezane podobe kerubov in palm in razvitega cvetja, znotraj in zunaj.
29Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma]
30In tla hiše je obložil z zlatom znotraj in zunaj.
30Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
31In za vhod v govorišče je napravil vrata iz oljkovega lesa, naddurje s podboji je bilo dolgo petino zidu.
31Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]
32In dve durnici sta bili iz oljkovega lesa, in naredil je na njiju izrezljane kerube in palme in razvito cvetje in ju prevlekel z zlatom, in raztegnil je zlato tudi po kerubih in po palmah.
32Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]
33Enako je napravil za vhod v templjevo dvorano podboje iz oljkovega lesa, za četrtino zida;
33Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
34in dvoje duri iz cipresovine, dve durnici enih duri sta se pregibali, tudi dve durnici drugih duri sta se pregibali.
34Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35In izrezal je na njih kerube in palme in razvito cvetje in jih prevlekel z zlatom, prikladnim za izrezljaje.
35Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
36In zgradil je notranje dvorišče: tri vrste obsekanih kamenov in vrsto cedrovih brun.
36Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.
37V četrtem letu je bil položen temelj hiši GOSPODOVI, v mesecu Zivu.V enajstem letu pa, v mesecu Bulu, ki je osmi mesec, je bila hiša dokončana z vso opravo svojo in po vsej uredbi svoji. Tako jo je zidal sedem let.
37Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
38V enajstem letu pa, v mesecu Bulu, ki je osmi mesec, je bila hiša dokončana z vso opravo svojo in po vsej uredbi svoji. Tako jo je zidal sedem let.
38Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.